< Nomery 9 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanao hoe:
The LORD spoke to Moses in the wilderness of Sinai, in the first month of the second year after they had come out of the land of Egypt, saying,
2 Aoka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Paska amin’ ny fotoany.
“Let the children of Israel keep the Passover in its appointed season.
3 Amin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity no hitandremanareo azy amin’ ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.
On the fourteenth day of this month, at evening, you shall keep it in its appointed season. You shall keep it according to all its statutes and according to all its ordinances.”
4 Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitandrina ny Paska.
Moses told the children of Israel that they should keep the Passover.
5 Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr’ i Sinay izy tamin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely.
They kept the Passover in the first month, on the fourteenth day of the month at evening, in the wilderness of Sinai. According to all that the LORD commanded Moses, so the children of Israel did.
6 Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’ izany andro izany; dia nankeo anatrehan’ i Mosesy sy Arona izy tamin’ izany andro izany
There were certain men who were unclean because of the dead body of a man, so that they could not keep the Passover on that day, and they came before Moses and Aaron on that day.
7 ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ ny Zanak’ Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoany?
Those men said to him, “We are unclean because of the dead body of a man. Why are we kept back, that we may not offer the offering of the LORD in its appointed season amongst the children of Israel?”
8 Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian’ i Jehovah ny aminareo.
Moses answered them, “Wait, that I may hear what the LORD will command concerning you.”
9 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
The LORD spoke to Moses, saying,
10 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah ihany koa izy.
“Say to the children of Israel, ‘If any man of you or of your generations is unclean by reason of a dead body, or is on a journey far away, he shall still keep the Passover to the LORD.
11 Amin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin’ ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.
In the second month, on the fourteenth day at evening they shall keep it; they shall eat it with unleavened bread and bitter herbs.
12 Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
They shall leave none of it until the morning, nor break a bone of it. According to all the statute of the Passover they shall keep it.
13 Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
But the man who is clean, and is not on a journey, and fails to keep the Passover, that soul shall be cut off from his people. Because he didn’t offer the offering of the LORD in its appointed season, that man shall bear his sin.
14 Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin’ ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
“‘If a foreigner lives amongst you and desires to keep the Passover to the LORD, then he shall do so according to the statute of the Passover, and according to its ordinance. You shall have one statute, both for the foreigner and for him who is born in the land.’”
15 Ary tamin’ ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain’ ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain’ ny andro.
On the day that the tabernacle was raised up, the cloud covered the tabernacle, even the Tent of the Testimony. At evening it was over the tabernacle, as it were the appearance of fire, until morning.
16 Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.
So it was continually. The cloud covered it, and the appearance of fire by night.
17 Ary rehefa niakatra niala tamin’ ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak’ Isiraely, ka teo amin’ izay nijanonan’ ny rahona no nitobiany.
Whenever the cloud was taken up from over the Tent, then after that the children of Israel travelled; and in the place where the cloud remained, there the children of Israel encamped.
18 Araka ny didin’ i Jehovah no niaingan’ ny Zanak’ Isiraely, ary araka ny didin’ i Jehovah koa no nitobiany; tamin’ ny andro rehetra izay nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely no nitobiany.
At the commandment of the LORD, the children of Israel travelled, and at the commandment of the LORD they encamped. As long as the cloud remained on the tabernacle they remained encamped.
19 Ary na dia nijanona ela teo ambonin’ ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain’ i Jehovah notandremana ihany ny Zanak’ Isiraely ka tsy niainga.
When the cloud stayed on the tabernacle many days, then the children of Israel kept the LORD’s command, and didn’t travel.
20 Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely; araka ny didin’ i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin’ i Jehovah no niaingany.
Sometimes the cloud was a few days on the tabernacle; then according to the commandment of the LORD they remained encamped, and according to the commandment of the LORD they travelled.
21 Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak’ Isiraely; koa na andro na alina no niakaran’ ny rahona, dia niainga izy.
Sometimes the cloud was from evening until morning; and when the cloud was taken up in the morning, they travelled; or by day and by night, when the cloud was taken up, they travelled.
22 Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak’ Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
Whether it was two days, or a month, or a year that the cloud stayed on the tabernacle, remaining on it, the children of Israel remained encamped, and didn’t travel; but when it was taken up, they travelled.
23 Araka ny didin’ i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin’ i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain’ i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
At the commandment of the LORD they encamped, and at the commandment of the LORD they travelled. They kept the LORD’s command, at the commandment of the LORD by Moses.

< Nomery 9 >