< Nomery 7 >

1 Ary tamin’ ny andro izay nahavitan’ i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,
EIA hoi, I ka la a Mose i hoopau ai i ke kukulu ana i ka halelewa, a pau ia i ka poniia a me ka hoolaaia, oia a me na mea paahana a pau ona, o ke kuahu a me kona mau ipu a pau, a poni iho oia ia mau mea, a hoolaa hoi;
2 dia nitondra fanatitra ny lohan’ ny firenen’ ny Isiraely, dia ny lohan’ ny fianakaviana (ireo no lohan’ ny firenena, izay nifehy ny voalamina).
Alaila kaumaha aku la na luna o ka Iseraela, na luna o ka hale o ko lakou poe kupuna, o lakou na luna ohana, na mea i ku maluna o ka poe i heluia;
3 Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan’ i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin’ ny folo, dia sariety iray no avy amin’ ny lohan’ ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan’ ny tabernakely izy.
Lawe mai la lakou i ka lakou mau mohai imua o Iehova, i eono mau kaa i uhiia, a me na bipikauo he umikumamalua: hookahi kaa a na luna elua, a me ka bipi i pakahiia mai e kela mea keia mea: a lawe mai la lakou ia mau mea imua o ka halelewa.
4 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Olelo mai la o Iehova ia Mose, i mai la,
5 Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy.
E lawe oe [ia mau mea] na lakou mai, i lilo ia e hana i ka hana o ka halelewa o ke anaina; a e haawi aku oe ia mau mea no na Levi, i kela kanaka keia kanaka e like me kana e hana'i.
6 Dia noraisin’ i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.
A lawe ae la o Mose i na kaa a me na bipi, a haawi aku la no na Levi.
7 Sariety roa sy omby efatra no nomeny ho an’ ny taranak’ i Gersona, araka ny fanompoany;
Haawi aku la ia i na kaa elua a me na bipi eha no na mamo a Geresona, e like me ka lakou mea e hana'i.
8 ary sariety efatra sy omby valo no nomeny ho an’ ny taranak’ i Merary, araka ny fanompoany, eo amin’ ny fehin’ Itamara, zanak’ i Arona mpisorona.
Eha na kaa me na bipi ewalu kana i haawi aku ai no na mamo a Merari, e like me ka lakou mea e hana'i, malalo o ka lima o Itamara ke keiki a Aarona ke kahuna.
9 Fa ny taranak’ i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masìna no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.
Aole ia i haawi aku no na mamo a Kohata, no ka mea, o ka oihana o ke keenakapu i pili ia lakou, he mea ia e amo ai maluna o ko lakou mau poohiwi.
10 Dia ny lohan’ ny firenena no nanatitra ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan’ ny alitara izy.
Kaumaha aku la na luna i ka mohai hoolaa i ke kuahu, i ka la i poniia'i ia, a mohai aku la na luna i ka lakou mohai imua o ke kuahu.
11 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aoka ny lohan’ ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin’ ny an’ androny avy ho amin’ ny fitokanana ny alitara.
Olelo mai la o Iehova ia Mose, E kaumaha lakou i ka lakou mohai, o kela luna keia luna i kona la iho, no ka hoolaa ana i ke kuahu.
12 Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin’ ny andro voalohany dia Nasona, zanak’ i Aminadaba, avy tamin’ ny firenen’ i Joda.
A o ka mea nana i kaumaha aku i kaua mohai i ka la mua, oia o Nahesona ko keiki a Aminadaba, no ka ohana a Iuda:
13 Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
A o kana mohai, hookahi ia pa kala, he haneri ia me kanakolu na sekela ma ke kau paona ana; hookahi bola kala, ho kanahiku na sekela, ma ka sekela o ke keenakapu, a ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawili pu ia me ka aila, i mohaiai:
14 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Hookahi puna, he umi sekela gula, ua piha i ka mea ala:
15 ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Hookahi bipikeikikane, hookahi hipakane, hookahi keikihipa o ka makahiki mua, i mohaikuni:
16 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi keikikao i mohaihala:
17 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Nasona, zanak’ i Aminadaba.
A no ka mohaihoomalu, elua bipi, elima hipakane, elima kaokane, elima hoi keikihipa o ka makahiki mua. Oia ka mohai a Nahesona ke keiki a Aminadaba.
18 Ary tamin’ ny andro faharoa dia Netanela, zanak’ i Zoara, lohan’ ny taranak’ Isakara, no nanatitra.
I ka lua o ka la, mohai aku la o Netaneela ke keiki a Zuara, ka luna o ka Isakara.
19 Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Kaumaha aku la ia i kana mohai, hookahi ia pa kala, he haneri a mo kanakolu na sekela ma ke kau paona ana, hookahi bola kala, he Kanahiku sekela ma ka sekela o ke keenakapu; ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawili pu ia me ka aila, i mohaiai:
20 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Hookahi puna gula, he umi na sekela, ua piha i ka mea ala:
21 ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Hookahi keikibipikane, hookahi hipakane, hookahi keikihipa o ka makahiki mua, i mohaikuni:
22 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi keikikao i mohaihala:
23 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Netanela, zanak’ i Zoara.
A no ka mohaihoomalu, i elua mau bipi, elima hipakane, elima kaokane, elima keikihipa o ka makahiki mua. Oia ka mohai a Netaneela ke keiki a Zuara.
24 Ary tamin’ ny andro fahatelo dia Eliaba, zanak’ i Helona, lohan’ ny taranak’ i Zebolona, no nanatitra.
I ke kolu o ka la, kaumaha aku la o Eliaba ke keiki a Helona, ka luna o na mamo a Zebuluna.
25 Ny fanatiny dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
O kana mohai, hookahi ia pa kala, he haneri a me kanakolu sekela ma ke kau paona ana, hookahi bola kala, he kanahiku sekela, ma ka sekela o ke keenakapu; ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawili pu ia me ka aila, i mohaiai:
26 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Hookahi puna gula, he umi sekela, ua piha i ka mea ala.
27 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Hookahi keikibipikane, hookahi hipakane, hookahi keikihipa o ka makahiki mua, i mohaikuni:
28 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi keikikao i mohaihala:
29 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Eliaba, zanak’ i Helona.
A no ka mohaihoomalu, elua bipikane, elima hipakane, elima kaokane, elima keikihipa o ka makahiki mua Oia ka mohai a Eliaba ke keiki a Helona.
30 Ary tamin’ ny andro fahefatra dia Elizora, zanak’ i Sedeora, lohan’ ny taranak’ i Robena, no nanatitra.
I ka ha o ka la, kaumaha aku la o Elizura ke keiki a Sedeura, ka luna o na mamo a Reubena.
31 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
O kana mohai, hookahi pa kala, he haneri me ke kanakolu na sekela o ke kau paona ana, hookahi bola, he kanahiku na sekela, ma ka sekela o ke keenakapu; ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawili pu ia me ka aila, i mohaiai.
32 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra;
Hookahi puna gula, he umi na sekela, ua piha i ka mea ala.
33 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Hookahi keikibipikane, hookahi hipakane, hookahi keikihipa o ka makahiki mua, i mohaikuni;
34 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi keikikao i mohaihala:
35 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray ireo no fanatitr’ i Elizora, zanak’ i Sedeora.
A no ka mohaihoomalu, elua bipikane, elima hipakane, elima kaokane, elima keikihipa o ka makahiki mua. Oia ka mohai a Elizura ke keiki a Sedeura.
36 Ary tamin’ ny andro fahadimy dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday, lohan’ ny taranak’ i Simeona, no nanatitra.
I ka lima o ka la, kaumaha aku la o Selumiela ke keiki a Zurisadai, ka luna o na mamo a Simeona.
37 Ny fanatiny dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
O kana mohai, hookahi ia pa kala, he haneri me kanakolu sekela o ke kau paona ana, hookahi bola kala, he kanahiku na sekela, ma ka sekela o ke keenakapu; ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawili pu ia me ka aila, i mohaiai.
38 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Hookahi puna gula, he umi na sekela, ua piha i ka mea ala.
39 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Hookahi keikibipikane, hookahi hipakane, hookahi keikihipa o ka makahiki mua, i mohaikuni:
40 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi kaokeiki i mohaihala:
41 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Selomiela, zanak’ i Zorisaday,
A no ka mohaihoomalu, elua bipikane, elima hipakane, elima kaokane, elima keikihipa o ka makahiki mua. Oia ka mohai a Selumiela ke keiki a Zerusadai.
42 Ary tamin’ ny andro fahenina dia Eliasafa, zanak’ i Doela, lohan’ ny taranak’ i Gada, no nanatitra.
I ke ono o ka la, kaumaha aku la o Eliasapa ke keiki a Deuela, ka luna o na mamo a Gada.
43 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
O kana mohai, hookahi ia ipu kala, he haneri me ke kanakolu na sekela ma ke kau paona ana, hookahi bola kala he kanahiku na sekela, ma ka sekela o ke keenakapu; ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawiliia me ka aila, i mohaiai:
44 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Hookahi puna gula, he umi na sekela, ua piha i na mea ala:
45 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Hookahi keikibipikane, hookahi hipakane, hookahi keikihipa o ka makahiki mua, i mohaikuni.
46 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi keikikao i mohaihala:
47 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Eliasafa, zanak’ i Doela.
A no ka mohaihoomalu, elua bipikane, elima hipakane, elima kaokane, elima keikihipa o ka makahiki mua Oia ka mohai a Eliasapa ke keiki a Deuela.
48 Ary tamin’ ny andro fahafito dia Elisama, zanak’ i Amihoda, lohan’ ny taranak’ i Efraima, no nanatitra.
I ka hiku o ka la, kaumaha aku la o Elisama, ke keiki a Amihuda, ka luna o na mamo a Eperaima.
49 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
O kana mohai, hookahi pa kala, hookahi ia haneri a me ke kanakolu na sekela ma ke kau paona ana, hookahi bola kala, he kanahiku na sekela ma ka sekela o ke keenakapu; ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawili pu ia me ka aila, i mohaiai:
50 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Hookahi puna gula, he umi na sekela, ua piha i ka mea ala:
51 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Hookahi bipikeikikane, hookahi hipakane, hookahi keikihipa o ka makahiki mua, i mohaikuni:
52 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi keikikao i mohaihala:
53 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Elisama, zanak’ i Amihoda.
A no ka mohaihoomalu, elua bipikane, elima hipakane, elima kaokane, elima keikihipa o ka makahiki mua. Oia ka mohai a Elisama ke keiki a Amihuda.
54 Ary tamin’ ny andro fahavalo dia Gamaliela, zanak’ i Pedazora, lohan’ ny taranak’ i Manase, no nanatitra.
I ka walu o ka la, kaumaha aku la o Gamaliela ke keiki a Pedazura, ka luna o na mamo a Manase.
55 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
O kana mohai, hookahi pa kala, hookahi haneri a me kanakolu na sekela o ke kau paona ana, hookahi bola kala, he kanahiku na sekela, ma ka sekela o ke keenakapu, ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawili pu ia me ka aila i mohaiai:
56 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Hookahi puna gula, he umi na sekela, ua piha i ka mea ala:
57 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Hookahi bipikeikikane, hookahi hipakane, hookahi keikihipa o ka makahiki mua, i mohaikuni:
58 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi keikikao i mohaihala:
59 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Gamaliela, zanak’ i Pedazora.
A no ka mohaihoomalu, elua bipikane, elima hipakane, elima kaokane, elima keikihipa o ka makahiki mua. Oia ka mohai a Gamaliela ke keiki a Pedazura.
60 Ary tamin’ ny andro fahasivy dia Abidana, zanak’ i Gideony, lohan’ ny taranak’ i Benjamina, no nanatitra.
I ka iwa o ka la, kaumaha aku la o Abidana ke keiki a Gideoni, ka luna o na mamo a Beniamina.
61 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
O kana mohai, hookahi pa kala, hookahi haneri a me ke kanakolu na sekela o ke kau paona ana, hookahi bola, he kanahiku na sekela ma ka sekela o ke keenakapu; ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawili pu ia me ka aila, i mohaiai:
62 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Hookahi puna gula, he umi na sekela, ua piha i ka mea ala:
63 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;
Hookahi keikibipikane, hookahi hipakane, hookahi hipakeiki o ka makahiki mua, i mohaikuni:
64 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi keikikao i mohaihala:
65 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Abidana, zanak’ i Gideony.
A no ka mohaihoomalu, elua bipikane, elima hipakane, elima kaokane, elima keikihipa o ka makahiki mua. Oia ka mohai a Abidana ke keiki a Gideoni.
66 Ary tamin’ ny andro fahafolo Ahiezera, zanak’ i Amisaday, lohan’ ny taranak’ i Dana, no nanatitra.
I ka umi o ka la, kaumaha aku la o Ahiezera ke keiki a Amisadai, ka luna o na mamo a Dana.
67 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
O kana mohai, hookahi ia pa kala, hookahi haneri a me ke kanakolu na sekela o ke kau paona ana, hookahi bola kala, he kanahiku na sekela, ma ka sekela o ke keenakapu; ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawili pu ia me ka aila, i mohaiai:
68 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Hookahi puna gula, he umi sekela, ua piha i ka mea ala:
69 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Hookahi bipikeikikane, hookahi hipakane, hookahi keikihipa o ka makahiki mua, i mohaikuni:
70 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi keikikao i mohaihala:
71 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Ahiezera, zanak’ i Amisaday.
A no ka mohaihoomalu, elua bipikane, elima hipakane, elima kaokane, elima keikihipa o ka makahiki mua. Oia ka mohai a Ahiezera ke keiki a Amisadai.
72 Ary tamin’ ny andro fahiraika ambin’ ny folo dia Pagiela, zanak’ i Okrana, lohan’ ny taranak’ i Asera, no nanatitra.
I ka umikumamakahi o ka la, i kaumaha aku ai o Pagiela, ke keiki a Okerana, ka luna o na mamo a Asera.
73 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
O kana mohai, hookahi ia pa kala, hookahi haneri a me ke kanakolu na sekela o ke kau paona ana, hookahi bola kala, he kanahiku sekela, ma ka sekela o ke keenakapu; ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawili pu ia me ka aila, i mohaiai:
74 lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Hookahi puna gula, he umi na sekela, ua piha i ka mea ala:
75 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Hookahi keikibipikane, hookahi hipakane, hookahi keikihipa o ka makahiki mua, i mohaikuni:
76 osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi keikikao i mohaihala:
77 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Pagiela, zanak’ i Okrana.
A no ka mohaihoomalu, elua bipikane, elima hipakane, elima kaokane, elima keikihipa o ka makahiki mua. Oia ka mohai a Pagiela ke keiki a Okerana.
78 Ary tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo dia Ahira, zanak’ i Enana, lohan’ ny taranak’ i Naftaly, no nanatitra.
I ka umikumamalua o ka la, kaumaha aku la o Ahira ke keiki a Enana, ka luna o na mamo a Napetali.
79 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
O kana mohai, hookahi ia pa kala, hookahi haneri a me kanakolu na sekela o ke kau paona ana, hookahi bola kala, he kanahiku na sekela, ma ka sekela o ke keenakapu; ua piha ia mau mea a elua i ka palaoa i kawili pu ia me ka aila, i mohaiai:
80 lovia kely volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Hookahi puna gula, he umi sekela, na piha i ka mea ala:
81 vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;
Hookahi keikibipikane, hookahi hipakane, hookahi keikihipa o ka makahiki mua, i mohaikuni:
82 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
Hookahi keikikao i mohaihala:
83 ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Ahira, zanak’ i Enana.
A no ka mohaihoomalu, elua bipikane, elima hipakane, elima kaokane, elima keikihipa o ka makahiki mua. Oia ka mohai a Ahira ke keiki a Enana.
84 Ireo no zavatra naterin’ ny lohan’ ny Isiraely ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin’ ny folo, lovia volafotsy roa ambin’ ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin’ ny folo;
Oia ka hoolaa ana o ke kuahu, i ka la i poniia'i oia e na luna o ka Iseraela; he umikumamalua na pa kala, he umikumamalua na bola kala, he umikumamalua puna gula;
85 sekely telo-polo amby zato avy no lanjan’ ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia famafazana; ny lanjan’ ny volafotsy rehetra tamin’ ireo fanaka ireo dia sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masìna;
Hookahi haneri a me ke kanakolu na sekela ke kau paona ana o kela ipu kala o keia ipu kala, he kanahiku na sekela o kela bola keia bola: o na ipu kala a pau, he elua tausani eha haneri na sekela, ma ka sekela o ke keenakapu.
86 lovia kely volamena roa ambin’ ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masìna; ny lanjan’ ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.
O na puna gula he umikumamalua i piha i ka mea ala, he paumi na sekela, ma ka sekela o ke keenakapu: o ke gula a pau o na puna, he haneri a me ka iwakalua na sekela.
87 Ny isan’ ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo, ondrilahy roa ambin’ ny folo, zanak’ ondry roa ambin’ ny folo, izay samy iray taona, mbamin’ ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota.
O na bipikane a pau no ka mohaikuni, he umikumamalua na bipikane, o na hipakane he umikumamalua, o na keikihipa o ka makahiki mua, he umikumamalua, me ka lakou mohaiai: a o na keikikao no ka mohaihala, he umikumamalua.
88 Ary ny isan’ ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr’ ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak’ ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.
A o na bipikane a pau no ka mohaihoomalu, he iwakaluakumamaha na bipikane, he kanaono na hipakane, he kanaono na kaokane, he kanaono na keikihipa o ka makahiki mua. Oia ka hoolaa ana o ke kuahu mahope o kona poniia'na.
89 Ary rehefa niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin’ Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.
A i ko Mose komo ana iloko o ka halelewa o ke anaina e olelo aku ia ia, alaila lohe ae la ia i ka leo e olelo mai ana ia ia mailuna mai o ka noho aloha, o ka mea maluna o ka pahu kanawai, mawaena o na keruba elua: a i mai la oia ia ia.

< Nomery 7 >