< Nomery 31 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
The LORD spoke to Moses, saying,
2 Valio ny Midianita noho ny nataony tamin’ ny Zanak’ Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin’ ny razanao ianao.
"Avenge the children of Israel for the Midianites. Afterward you shall be gathered to your people."
3 Dia niteny tamin’ ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian’ i Jehovah azy.
Moses spoke to the people, saying, "Arm men from among you for the war, that they may go against Midian, to execute the LORD's vengeance on Midian.
4 Arivo lahy avy isam-pirenena amin’ ny firenen’ Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.
Of every tribe one thousand, throughout all the tribes of Israel, you shall send to the war."
5 Dia navahana tamin’ ny firenen’ Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.
So there were delivered, out of the thousands of Israel, a thousand of every tribe, twelve thousand armed for war.
6 Ary nampandehanin’ i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masìna teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.
Moses sent them, one thousand of every tribe, to the war, them and Phinehas the son of Eleazar the priest, to the war, with the vessels of the sanctuary and the trumpets for the alarm in his hand.
7 Dia niady tamin’ ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy
They warred against Midian, as the LORD commanded Moses; and they killed every male.
8 ary ny mpanjakan’ i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin’ ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak’ i Beora, koa dia novonoiny tamin’ ny sabatra.
They killed the kings of Midian with the rest of their slain: Evi, and Rekem, and Zur, and Hur, and Reba, the five kings of Midian: Balaam also the son of Beor they killed with the sword.
9 Ary ny Zanak’ Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman’ ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.
The children of Israel took captive the women of Midian and their little ones; and all their livestock, and all their flocks, and all their goods, they took for a prey.
10 Ary ny tanànany rehetra izay teo amin’ ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin’ ny afo.
All their cities in the places in which they lived, and all their encampments, they burnt with fire.
11 Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,
They took all the spoil, and all the prey, both of man and of animal.
12 dia nentiny tany amin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
They brought the captives, and the prey, and the spoil, to Moses, and to Eleazar the priest, and to the congregation of the children of Israel, to the camp at the plains of Moab, which are by the Jordan at Jericho.
13 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan’ ny toby.
Moses, and Eleazar the priest, and all the leaders of the congregation, went forth to meet them outside of the camp.
14 Ary tezitra tamin’ ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,
Moses was angry with the officers of the army, the captains of thousands and the captains of hundreds, who came from the service of the war.
15 ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
Moses said to them, "Have you saved all the women alive?
16 Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah ny amin’ i Peora, araka ny tenin’ i Balama, ka nahazo ny fiangonan’ i Jehovah ny areti-mandringana.
Look, these caused the children of Israel, through the counsel of Balaam, to commit trespass against the LORD in the matter of Peor, and so the plague was among the congregation of the LORD.
17 Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.
Now therefore kill every male among the little ones, and kill every woman who has known man by lying with him.
18 Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.
But all the girls, who have not known man by lying with him, keep alive for yourselves.
19 Ary mitobia eo ivelan’ ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin’ ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.
"Encamp outside of the camp seven days: whoever has killed any person, and whoever has touched any slain, purify yourselves on the third day and on the seventh day, you and your captives.
20 Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon’ osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.
As to every garment, and all that is made of skin, and all work of goats' hair, and all things made of wood, you shall purify yourselves."
21 Ary hoy Eleazara mpisorona tamin’ ny mpanafika, izay efa tany amin’ ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian’ i Jehovah’ an i Mosesy:
Eleazar the priest said to the men of war who went to the battle, "This is the statute of the law which the LORD has commanded Moses:
22 Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
however the gold, and the silver, the bronze, the iron, the tin, and the lead,
23 dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin’ ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin’ ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin’ ny rano ihany.
everything that may withstand the fire, you shall make to go through the fire, and it shall be clean; nevertheless it shall be purified with the water for impurity: and all that doesn't withstand the fire you shall make to go through the water.
24 Ary sasao ny fitafianareo amin’ ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin’ ny toby ianareo.
You shall wash your clothes on the seventh day, and you shall be clean; and afterward you shall come into the camp."
25 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
The LORD spoke to Moses, saying,
26 Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fiangonana ny isan’ ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy;
"Take the sum of the prey that was taken, both of man and of animal, you, and Eleazar the priest, and the heads of the ancestral houses of the congregation;
27 ary sasaho ny babo ho an’ izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an’ ny fiangonana rehetra;
and divide the prey into two parts: between the men skilled in war, who went out to battle, and all the congregation.
28 kanefa makà anjara ho an’ i Jehovah avy amin’ ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy;
Levy a tribute to the LORD of the men of war who went out to battle: one soul of five hundred; of the persons, of the cattle, of the donkeys, and of the flocks.
29 ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an’ i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an’ i Jehovah.
Take it of their half, and give it to Eleazar the priest, for the LORD's wave offering.
30 Ary ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an’ ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin’ i Jehovah.
Of the children of Israel's half, you shall take one drawn out of every fifty, of the persons, of the cattle, of the donkeys, and of the flocks, of all the livestock, and give them to the Levites, who perform the duty of the tabernacle of the LORD."
31 Dia nataon’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Moses and Eleazar the priest did as the LORD commanded Moses.
32 Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon’ ny mpanafika, dia ondry aman’ osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,
Now the prey, over and above the booty which the men of war took, was six hundred seventy-five thousand sheep,
33 sy omby roa arivo amby fito alina,
and seventy-two thousand head of cattle,
34 sy boriky arivo amby enina alina,
and sixty-one thousand donkeys,
35 ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
and thirty-two thousand persons in all, of the women who had not known man by lying with him.
36 Ary ny antsasany izay anjaran’ ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan’ ny ondry aman’ osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;
The half, which was the portion of those who went out to war, was in number three hundred thirty-seven thousand five hundred sheep:
37 ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ny ondry aman’ osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
and the LORD's tribute of the sheep was six hundred seventy-five.
38 Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia roa amby fito-polo.
The cattle were thirty-six thousand; of which the LORD's tribute was seventy-two.
39 Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia iraika amby enim-polo.
The donkeys were thirty thousand five hundred; of which the LORD's tribute was sixty-one.
40 Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia roa amby telo-polo.
The persons were sixteen thousand; of whom the LORD's tribute was thirty-two persons.
41 Dia nomen’ i Mosesy an’ i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an’ i Jehovah, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Moses gave the tribute, which was the LORD's wave offering, to Eleazar the priest, as the LORD commanded Moses.
42 Ary avy tamin’ ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely, izay nozarain’ i Mosesy avy tamin’ ny mpanafika
Of the children of Israel's half, which Moses divided off from the men who warred
43 (fa ny antsasany an’ ny fiangonana dia ondry aman’ osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,
(now the congregation's half was three hundred thirty-seven thousand five hundred sheep,
44 sy omby enina arivo amby telo alina,
and thirty-six thousand head of cattle,
45 sy boriky diman-jato amby telo alina,
and thirty thousand five hundred donkeys,
46 ary olona enina arivo amby iray alina),
and sixteen thousand persons),
47 ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely dia nanalan’ i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an’ ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin’ i Jehovah izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
even of the children of Israel's half, Moses took one drawn out of every fifty, both of man and of animal, and gave them to the Levites, who performed the duty of the tabernacle of the LORD; as the LORD commanded Moses.
48 Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an’ i Mosesy
The officers who were over the thousands of the army, the captains of thousands, and the captains of hundreds, came near to Moses;
49 ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan’ ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;
and they said to Moses, "Your servants have taken the sum of the men of war who are under our command, and there lacks not one man of us.
50 koa nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an’ ny ainay eo anatrehan’ i Jehovah.
We have brought the LORD's offering, what every man has gotten, of jewels of gold, armlets, and bracelets, signet rings, earrings, and necklaces, to make atonement for our souls before the LORD."
51 Dia noraisin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.
Moses and Eleazar the priest took their gold, even all worked jewels.
52 Ary ny volamena rehetra tamin’ ny fanatitra nalain’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an’ i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina
All the gold of the wave offering that they offered up to the LORD, of the captains of thousands, and of the captains of hundreds, was sixteen thousand seven hundred fifty shekels.
53 (fa ny mpanafika samy namabo ho an’ ny tenany).
(The men of war had taken booty, every man for himself.)
54 Dia noraisin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin’ ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely eo anatrehan’ i Jehovah.
Moses and Eleazar the priest took the gold of the captains of thousands and of hundreds, and brought it into the Tent of Meeting, for a memorial for the children of Israel before the LORD.

< Nomery 31 >