< Nomery 27 >

1 Ary avy ny zanakavavin’ i Zelofada, zanakalahin’ i Hefera, zanak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),
Les filles de Tselophchad, fils de Hépher, fils de Galaad, fils de Makir, fils de Manassé, des familles de Manassé, fils de Joseph, et dont les noms étaient Machla, Noa, Hogla, Milca et Thirtsa,
2 dia nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:
s’approchèrent et se présentèrent devant Moïse, devant le sacrificateur Éléazar, et devant les princes et toute l’assemblée, à l’entrée de la tente d’assignation. Elles dirent:
3 Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan’ ny antokon’ i Kora izay niangona hiodina tamin’ i Jehovah tsy akory; fa matin’ ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
Notre père est mort dans le désert; il n’était pas au milieu de l’assemblée de ceux qui se révoltèrent contre l’Éternel, de l’assemblée de Koré, mais il est mort pour son péché, et il n’avait point de fils.
4 Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin’ ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin’ ny rahalahin’ ny rainay izahay.
Pourquoi le nom de notre père serait-il retranché du milieu de sa famille, parce qu’il n’avait point eu de fils? Donne-nous une possession parmi les frères de notre père.
5 Ary nalahatr’ i Mosesy teo anatrehan’ i Jehovah ny tenin’ ireo.
Moïse porta la cause devant l’Éternel.
6 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Et l’Éternel dit à Moïse:
7 Marina ny tenin’ ny zanakavavin’ i Zelofada: omeo zara-tany eo amin’ ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.
Les filles de Tselophchad ont raison. Tu leur donneras en héritage une possession parmi les frères de leur père, et c’est à elles que tu feras passer l’héritage de leur père.
8 Ary lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.
Tu parleras aux enfants d’Israël, et tu diras: Lorsqu’un homme mourra sans laisser de fils, vous ferez passer son héritage à sa fille.
9 Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.
S’il n’a point de fille, vous donnerez son héritage à ses frères.
10 Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.
S’il n’a point de frères, vous donnerez son héritage aux frères de son père.
11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin’ ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak’ Isiraely izany araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
S’il n’y a point de frères de son père, vous donnerez son héritage au plus proche parent dans sa famille, et c’est lui qui le possédera. Ce sera pour les enfants d’Israël une loi et un droit, comme l’Éternel l’a ordonné à Moïse.
12 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak’ Isiraely.
L’Éternel dit à Moïse: Monte sur cette montagne d’Abarim, et regarde le pays que je donne aux enfants d’Israël.
13 Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin’ ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an’ i Arona rahalahinao;
Tu le regarderas; mais toi aussi, tu seras recueilli auprès de ton peuple, comme Aaron, ton frère, a été recueilli;
14 fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin’ ilay nilan’ ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ ny rano teo imasony. (Izany no ranon’ i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)
parce que vous avez été rebelles à mon ordre, dans le désert de Tsin, lors de la contestation de l’assemblée, et que vous ne m’avez point sanctifié à leurs yeux à l’occasion des eaux. Ce sont les eaux de contestation, à Kadès, dans le désert de Tsin.
15 Ary Mosesy niteny tamin’ i Jehovah hoe:
Moïse parla à l’Éternel, et dit:
16 Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana
Que l’Éternel, le Dieu des esprits de toute chair, établisse sur l’assemblée un homme
17 ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’ i Jehovah.
qui sorte devant eux et qui entre devant eux, qui les fasse sortir et qui les fasse entrer, afin que l’assemblée de l’Éternel ne soit pas comme des brebis qui n’ont point de berger.
18 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak’ i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;
L’Éternel dit à Moïse: Prends Josué, fils de Nun, homme en qui réside l’esprit; et tu poseras ta main sur lui.
19 ary asaovy mijoro eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.
Tu le placeras devant le sacrificateur Éléazar et devant toute l’assemblée, et tu lui donneras des ordres sous leurs yeux.
20 Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra azy.
Tu le rendras participant de ta dignité, afin que toute l’assemblée des enfants d’Israël l’écoute.
21 Ary Josoa hijanona eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ ny fitsaran’ i Orima eo anatrehan’ i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
Il se présentera devant le sacrificateur Éléazar, qui consultera pour lui le jugement de l’urim devant l’Éternel; et Josué, tous les enfants d’Israël avec lui, et toute l’assemblée, sortiront sur l’ordre d’Éléazar et entreront sur son ordre.
22 Ary nataon’ i Mosesy araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy; dia naka an’ i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra
Moïse fit ce que l’Éternel lui avait ordonné. Il prit Josué, et il le plaça devant le sacrificateur Éléazar et devant toute l’assemblée.
23 ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
Il posa ses mains sur lui, et lui donna des ordres, comme l’Éternel l’avait dit par Moïse.

< Nomery 27 >