< Nomery 21 >

1 Ary raha ren’ ilay Kananita, mpanjakan’ i Arada, izay nonina teo amin’ ny tany atsimo, fa efa mandeha amin’ ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin’ ny Isiraely.
El cananeo, rey de Arad, que vivía en el sur, se enteró de que Israel venía por el camino de Atarim. Luchó contra Israel y tomó cautivos a algunos de ellos.
2 Dia nivoady tamin’ i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.
Israel hizo un voto a Yahvé y le dijo: “Si realmente entregas a este pueblo en mi mano, destruiré por completo sus ciudades.”
3 Ary Jehovah nihaino ny feon’ ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon’ ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran’ izany tany izany dia natao hoe Horma.
Yahvé escuchó la voz de Israel y entregó a los cananeos; y los destruyeron por completo a ellos y a sus ciudades. El nombre del lugar fue llamado Horma.
4 Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin’ ny olona noho ny lalana.
Viajaron desde el monte Hor por el camino del Mar Rojo, para rodear la tierra de Edom. El alma del pueblo estaba muy desanimada a causa del viaje.
5 Ary niteny nanome tsiny an’ Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin’ ny lalan’ ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.
El pueblo hablaba contra Dios y contra Moisés: “¿Por qué nos has sacado de Egipto para morir en el desierto? Porque no hay pan, no hay agua, y nuestra alma aborrece esta comida repugnante”.
6 Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran’ afo teny amin’ ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.
El Señor envió serpientes venenosas entre el pueblo, y éstas mordieron al pueblo. Murió mucha gente de Israel.
7 Dia nankeo amin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an’ i Jehovah sy ianao. Ifony amin’ i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an’ ny olona Mosesy.
El pueblo se acercó a Moisés y le dijo: “Hemos pecado, porque hemos hablado contra Yahvé y contra ti. Ruega a Yahvé que nos quite las serpientes”. Moisés oró por el pueblo.
8 Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran’ afo, ka ahantòny amin’ ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.
Yahvé dijo a Moisés: “Haz una serpiente venenosa y ponla en un poste. Sucederá que todo el que sea mordido, cuando la vea, vivirá”.
9 Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin’ ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
Moisés hizo una serpiente de bronce y la puso en el asta. Si una serpiente había mordido a algún hombre, cuando miraba la serpiente de bronce, vivía.
10 Ary ny Zanak’ Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
Los hijos de Israel partieron y acamparon en Obot.
11 Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin’ ny efitra izay mifanolotra amin’ i Moaba, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
Partieron de Obot y acamparon en Ije Abarim, en el desierto que está frente a Moab, hacia el amanecer.
12 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin’ ny lohasahan-driaka Zareda.
De allí partieron y acamparon en el valle de Zered.
13 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’ i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin’ ny fari-tanin’ ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin’ ny Moabita, eo anelanelan’ ny Moabita sy ny Amorita.
De allí partieron y acamparon al otro lado del Arnón, que está en el desierto que sale de la frontera del amorreo; porque el Arnón es la frontera de Moab, entre Moab y el amorreo.
14 Koa izany no ilazana eo amin’ ny Bokin’ ny Adin’ i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona,
Por eso se dice en el Libro de las Guerras de Yahvé: “Vaheb en Sufa, los valles del Arnón,
15 Ary ny tany kisolosolo amin’ ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin’ ny tanin’ i Ara ka mipaka amin’ ny fari-tanin’ i Moaba.
la pendiente de los valles que se inclinan hacia la morada de Ar, se inclina sobre la frontera de Moab.”
16 Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy.
Desde allí viajaron a Beer; ése es el pozo del que Yahvé dijo a Moisés: “Reúne al pueblo y les daré agua”.
17 Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy;
Entonces Israel cantó esta canción: “¡Surge, pues! Cántale,
18 Lavaka fantsakana izay nohadin’ ireo mpanao lalàna, ary nolavahan’ ireo manan-kaja amin’ ny firenena. Tamin’ ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.
el pozo que cavaron los príncipes, que los nobles del pueblo cavaron, con el cetro, y con sus varas”. Desde el desierto viajaron a Matana;
19 Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;
y de Matana a Nahaliel; y de Nahaliel a Bamot;
20 ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin’ ny tany Moaba, ao an-tampon’ i Pisga, izay manatrika ny efitra.
y de Bamot al valle que está en el campo de Moab, a la cima del Pisga, que mira hacia el desierto.
21 Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, hanao hoe:
Israel envió mensajeros a Sehón, rey de los amorreos, diciendo:
22 Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin’ ny saha na ho amin’ ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin’ ny lavaka fantsakana; ny lalan’ andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.
“Déjame pasar por tu tierra. No nos apartaremos del campo ni de la viña. No beberemos del agua de los pozos. Iremos por el camino del rey, hasta que hayamos pasado tu frontera”.
23 Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin’ ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin’ ny Isiraely teo izy.
Sehón no permitió que Israel pasara por su frontera, pero Sehón reunió a todo su pueblo y salió contra Israel en el desierto, y llegó a Jahaz. Luchó contra Israel.
24 Ary ny Isiraely namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin’ ny taranak’ i Amona; fa mafy ny fari-tanin’ ny taranak’ i Amona.
Israel lo hirió a filo de espada y se apoderó de su tierra desde Arnón hasta Jaboc, hasta los hijos de Amón, pues la frontera de los hijos de Amón estaba fortificada.
25 Dia nalain’ ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan’ ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.
Israel tomó todas estas ciudades. Israel vivió en todas las ciudades de los amorreos, en Hesbón y en todas sus aldeas.
26 Hesbona no tanànan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan’ i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
Porque Hesbón era la ciudad de Sehón, rey de los amorreos, que había luchado contra el antiguo rey de Moab y le había arrebatado toda su tierra hasta el Arnón.
27 Izany no nanaovan’ ny mpanao oha-teny hoe: Midìra ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan’ i Sihona;
Por eso dicen los que hablan en proverbios, “Ven a Hesbon. Que se construya y se establezca la ciudad de Sehón;
28 Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan’ i Sihona, Ka nandevona an’ i Aran’ i Moaba sy ny tompon’ ny havoan’ i Arnona.
porque el fuego ha salido de Hesbón, una llama de la ciudad de Sihon. Ha devorado a Ar de Moab, Los señores de los lugares altos del Arnón.
29 Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’ i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita.
¡Ay de ti, Moab! ¡Están deshechos, gente de Quemos! Ha entregado a sus hijos como fugitivos, y sus hijas en cautiverio, a Sehón, rey de los amorreos.
30 Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an’ i Medeba.
Les hemos disparado. Hesbón ha perecido hasta Dibón. Hemos arrasado incluso con Nofa, Que llega hasta Medeba”.
31 Dia nitoetra tao amin’ ny tanin’ ny Amorita ny Isiraely.
Así vivió Israel en la tierra de los amorreos.
32 Ary Mosesy naniraka olona hisafo an’ i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.
Moisés envió a espiar a Jazer. Tomaron sus aldeas y expulsaron a los amorreos que estaban allí.
33 Ary niverina ny olona ka niakatra tamin’ ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan’ i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.
Se volvieron y subieron por el camino de Basán. Og, el rey de Basán, salió contra ellos, él y todo su pueblo, para combatir en Edrei.
34 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.
El Señor dijo a Moisés: “No le temas, porque lo he entregado en tu mano, con todo su pueblo y su tierra. Harás con él lo mismo que hiciste con Sehón, rey de los amorreos, que vivía en Hesbón”.
35 Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.
Así que lo hirieron, con sus hijos y todo su pueblo, hasta que no hubo sobrevivientes; y se apoderaron de su tierra.

< Nomery 21 >