< Nomery 19 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
Then the LORD said to Moses and Aaron,
2 Izao no lalàna hotandremana, izay efa nandidian’ i Jehovah: Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitondrany vantotr’ ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola nasiana zioga.
“This is the statute of the law that the LORD has commanded: Instruct the Israelites to bring you an unblemished red heifer that has no defect and has never been placed under a yoke.
3 Ary omeo ho an’ i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan’ ny toby ka hovonoina eo anatrehany.
Give it to Eleazar the priest, and he will have it brought outside the camp and slaughtered in his presence.
4 Dia hanalan’ i Eleazara mpisorona amin’ ny fanondrony ny ràny ka hafafiny impito manandrify ny trano-lay fihaonana.
Eleazar the priest is to take some of its blood on his finger and sprinkle it seven times toward the front of the Tent of Meeting.
5 Dia hodorana eo imasony ilay vantotr’ ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny ràny mbamin’ ny tain-drorohany dia hodorana avokoa.
Then the heifer must be burned in his sight. Its hide, its flesh, and its blood are to be burned, along with its dung.
6 Ary ny mpisorona dia haka hazo sedera sy hysopa ary jaky ka hanipy azy eo afovoan’ ny afo andoroana ny vantotr’ ombivavy.
The priest is to take cedar wood, hyssop, and scarlet wool and throw them onto the burning heifer.
7 Dia hosasan’ ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin’ ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin’ ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan’ ny andro ny mpisorona.
Then the priest must wash his clothes and bathe his body in water; after that he may enter the camp, but he will be ceremonially unclean until evening.
8 Ary izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin’ ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
The one who burned the heifer must also wash his clothes and bathe his body in water, and he too will be ceremonially unclean until evening.
9 Dia hangonin’ izay lehilahy madio anankiray ny lavenon’ ilay vantotr’ ombivavy ka hapetrany eo ivelan’ ny toby eo amin’ izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an’ ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.
Then a man who is ceremonially clean is to gather up the ashes of the heifer and store them in a ceremonially clean place outside the camp. They must be kept by the congregation of Israel for preparing the water of purification; this is for purification from sin.
10 Ary ilay nanangona ny lavenon’ ny vantotr’ ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an’ ny Zanak’ Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany.
The man who has gathered up the ashes of the heifer must also wash his clothes, and he will be ceremonially unclean until evening. This is a permanent statute for the Israelites and for the foreigner residing among them.
11 Izay mikasika fatin’ olona dia haloto hafitoana.
Whoever touches any dead body will be unclean for seven days.
12 Hanadio ny tenany amin’ izany rano izany izy amin’ ny andro fahatelo, ary amin’ ny andro fahafito dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin’ ny andro fahatelo kosa izy, dia tsy hadio amin’ ny andro fahafito.
He must purify himself with the water on the third day and on the seventh day; then he will be clean. But if he does not purify himself on the third and seventh days, he will not be clean.
13 Izay rehetra mikasika fatin’ olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin’ i Jehovah ka hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany.
Anyone who touches a human corpse and fails to purify himself defiles the tabernacle of the LORD. That person must be cut off from Israel. He remains unclean, because the water of purification has not been sprinkled on him, and his uncleanness is still on him.
14 Izao no lalàna, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin’ ny lay dia haloto hafitoana.
This is the law when a person dies in a tent: Everyone who enters the tent and everyone already in the tent will be unclean for seven days,
15 Ary ny fanaka rehetra misokatra izay tsy misy rakotra voafehy aminy, dia haloto.
and any open container without a lid fastened on it is unclean.
16 Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’ olona, na taolan’ olona, na fasana, dia haloto hafitoana.
Anyone in the open field who touches someone who has been killed by the sword or has died of natural causes, or anyone who touches a human bone or a grave, will be unclean for seven days.
17 Dia hangalana ho an’ ny maloto ny lavenon’ ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany rano nalaina tamin’ ny rano mandeha izany eo am-bilia.
For the purification of the unclean person, take some of the ashes of the burnt sin offering, put them in a jar, and pour fresh water over them.
18 Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin’ ny rano, dia hafafiny amin’ ny lay mbamin’ ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin’ aretina, na ny fasana.
Then a man who is ceremonially clean is to take some hyssop, dip it in the water, and sprinkle the tent, all the furnishings, and the people who were there. He is also to sprinkle the one who touched a bone, a grave, or a person who has died or been slain.
19 Ary ny maloto dia hofafazan’ ilay olona madio amin’ ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin’ ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin’ ny rano, dia hadio rehefa hariva.
The man who is ceremonially clean is to sprinkle the unclean person on the third day and on the seventh day. After he purifies the unclean person on the seventh day, the one being cleansed must wash his clothes and bathe in water, and that evening he will be clean.
20 Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin’ i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.
But if a person who is unclean does not purify himself, he will be cut off from the assembly, because he has defiled the sanctuary of the LORD. The water of purification has not been sprinkled on him; he is unclean.
21 Dia ho lalàna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
This is a permanent statute for the people: The one who sprinkles the water of purification must wash his clothes, and whoever touches the water of purification will be unclean until evening.
22 Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Anything the unclean person touches will become unclean, and anyone who touches it will be unclean until evening.”

< Nomery 19 >