< Nomery 12 >

1 Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an’ i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
Miriam and Aaron spoke against Moses because of the Cushite woman whom he had married; for he had married a Cushite woman.
2 Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan’ i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren’ i Jehovah izany.
They said, "Has YHWH indeed spoken only with Moses? Hasn't he spoken also with us?" And YHWH heard it.
3 Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ ny tany.
Now the man Moses was very humble, above all the men who were on the surface of the earth.
4 Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin’ i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.
YHWH spoke suddenly to Moses, to Aaron, and to Miriam, "You three come out to the Tent of Meeting." The three of them came out.
5 Ary andri-rahona no nidinan’ i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran’ ny trano-lay Izy; dia niantso an’ i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy.
YHWH came down in a pillar of cloud, and stood at the door of the Tent, and called Aaron and Miriam; and they both came forward.
6 Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin’ i Jehovah eo aminareo, dia amin’ ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ ny nofy no hitenenako aminy.
He said, "Hear now my words. If there is a prophet among you, I YHWH will make myself known to him in a vision. I will speak with him in a dream.
7 Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ ny tranoko rehetra.
My servant Moses is not so. He is faithful in all my house.
8 Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ ny fahitana, fa tsy amin’ ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’ i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’ i Mosesy mpanompoko?
With him I will speak mouth to mouth, even openly, and not in riddles; and he shall see YHWH's form. Why then were you not afraid to speak against my servant, against Moses?"
9 Dia nirehitra ny fahatezeran’ i Jehovah tamin’ izy mianadahy, ka niala Izy.
The anger of YHWH was kindled against them; and he departed.
10 Ary ny rahona niala tamin’ ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an’ i Miriama, ka indro fa boka izy.
The cloud departed from over the Tent; and look, Miriam was leprous, as white as snow. Aaron looked at Miriam, and look, she was leprous.
11 Ary hoy Arona tamin’ i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.
Aaron said to Moses, "Oh, my lord, please do not count this sin against us, in which we have done foolishly, and in which we have sinned.
12 Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
Let her not, I pray, be as one dead, of whom the flesh is half consumed when he comes out of his mother's womb."
13 Ary Mosesy dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!
Moses cried to YHWH, saying, "Heal her, God, I beg you."
14 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha nandrora tamin’ ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan’ ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.
YHWH said to Moses, "If her father had but spit in her face, shouldn't she be ashamed seven days? Let her be shut up outside of the camp seven days, and after that she shall be brought in again."
15 Dia natokana tany ivelan’ ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.
Miriam was shut up outside of the camp seven days, and the people did not travel until Miriam was brought in again.
16 Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.
Afterward the people traveled from Hazeroth, and camped in the wilderness of Paran.

< Nomery 12 >