< Nomery 11 >

1 Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan’ i Jehovah ny olona, ary nony ren’ i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon’ i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin’ ny toby.
Poslije stade se tužiti narod da mu je teško; a to ne bi po volji Gospodu; i kad Gospod èu, razgnjevi se; i raspali se na njih oganj Gospodnji, i sažeže krajnje u okolu.
2 Dia nitaraina tamin’ i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin’ i Jehovah, dia maty ny afo.
Tada zavapi narod k Mojsiju, a Mojsije se pomoli Gospodu, i ugasi se oganj.
3 Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon’ i Jehovah.
I prozva se ono mjesto Tavera, jer se raspali na njih oganj Gospodnji.
4 Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak’ Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
A svjetina što bijaše meðu njima, bješe vrlo lakoma, te i sinovi Izrailjevi stadoše plakati govoreæi: ko æe nas nahraniti mesa?
5 Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin’ ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.
Opomenusmo se riba što jeðasmo u Misiru zabadava, i krastavaca i dinja i luka crnoga i bijeloga.
6 Fa izao dia maina ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany.
A sada posahnu duša naša, nema ništa osim mane pred oèima našima.
7 Ary ny mana dia toy ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ ny bedola.
A mana bješe kao sjeme korijandrovo, a boja mu bješe kao boja u bdela.
8 Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin’ ny fikosoham-bary na tamin’ ny laona, ary nahandro azy tamin’ ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.
I izlažaše narod, te kupljahu, i meljahu na žrvnjima ili tucahu u stupama, i kuhahu u kotlu, ili miješahu pogaèe; a kus joj bijaše kao kus od novoga ulja.
9 Ary raha nilatsaka tamin’ ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana.
I kad padaše rosa po okolu noæu, padaše s njom i mana.
10 Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin’ ny isam-pianakaviany, samy teo amin’ ny varavaran’ ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’ i Jehovah; ary tsy sitrak’ i Mosesy koa izany.
I èu Mojsije gdje narod plaèe u porodicama svojim, svaki na vratima od šatora svojega; i Gospod se razgnjevi vrlo, i Mojsiju bi teško.
11 Dia hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity?
Pa reèe Mojsije Gospodu: zašto uèini tako zlo sluzi svojemu? i zašto ne naðoh milosti pred tobom, nego metnu na me teret svega naroda ovoga?
12 Izaho va no torontoronina an’ ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono, ho any amin’ ny tany izay nianiananao tamin’ ny razany homena azy?
Eda li ja zaèeh sav ovaj narod? eda li ga ja rodih, kad mi kažeš: iznesi ga u naruèju svojem, kao što nosi dojilja dijete, u onu zemlju za koju si se zakleo ocima njihovijem.
13 Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?
Otkuda meni mesa da dam svemu ovom narodu? jer plaèu preda mnom govoreæi: daj nam mesa da jedemo.
14 Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.
Ne mogu ja sam nositi svega naroda ovoga, jer je teško za mene.
15 Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.
Ako æeš tako èiniti sa mnom, ubij me bolje, ako sam našao milost pred tobom, da ne gledam zla svojega.
16 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana izy.
A Gospod reèe Mojsiju: saberi mi sedamdeset ljudi izmeðu starješina Izrailjevijeh, koje znaš da su starješine narodu i upravitelji njegovi, i dovedi ih k šatoru od sastanka, neka ondje stanu s tobom.
17 Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin’ ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin’ ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
Tada æu siæi i govoriti ondje s tobom, i uzeæu od duha koji je na tebi i metnuæu na njih, da nose s tobom teret narodni i da ne nosiš ti sam.
18 Koa lazao amin’ ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin’ ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan’ i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen’ i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo.
A narodu reci: pripravite se za sjutra da jedete mesa, jer plakaste da Gospod èu, i rekoste: ko æe nas nahraniti mesa? jer nam dobro bijaše u Misiru. Daæe vam dakle Gospod mesa i ješæete.
19 Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza,
Neæete jesti jedan dan, ni dva dana, ni pet dana, ni deset dana, ni dvadeset dana;
20 fa hatramin’ ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin’ ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?
Nego cio mjesec dana, dokle vam na nos ne udari i ne ogadi vam se, zato što odbaciste Gospoda koji je meðu vama i plakaste pred njim govoreæi: zašto izidosmo iz Misira?
21 Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana.
A Mojsije reèe: šest stotina tisuæa pješaka ima naroda, u kojem sam, pa ti kažeš: daæu im mesa da jedu cio mjesec dana.
22 Moa ondry aman’ osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin’ ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy?
Eda li æe im se poklati ovce i goveda da im dostane? ili æe im se pokupiti sve ribe morske da im bude dosta?
23 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Nihafohy va ny tànan’ i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.
A Gospod reèe Mojsiju: zar ruka Gospodnja neæe biti dovoljna? Vidjeæeš hoæe li biti što ti rekoh ili neæe.
24 Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin’ ny loholon’ ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.
I Mojsije izide i reèe narodu rijeèi Gospodnje; i sabra sedamdeset ljudi izmeðu starješina narodnijeh, i postavi ih oko šatora.
25 Ary nidina teo amin’ ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin’ i Mosesy ka napetrany tao amin’ ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
I Gospod siðe u oblaku, i govori k njemu, i uzevši od duha koji bješe na njemu metnu na onijeh sedamdeset ljudi starješina; i kad duh doðe na njih, prorokovahu, ali više nikad.
26 Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ ny anankiray, ary Medada no anaran’ ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan’ izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin’ ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.
A dva èovjeka ostaše u okolu, jednom bješe ime Eldad, a drugom Modad, na koje doðe duh, jer i oni bijahu zapisani ali ne doðoše k šatoru, i stadoše prorokovati u okolu.
27 Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.
I dotrèa momak, te javi Mojsiju govoreæi: Eldad i Modad prorokuju u okolu.
28 Dia namaly Josoa, zanak’ i Nona, izay nanompo an’ i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.
A Isus sin Navin, sluga Mojsijev, jedan od momaka njegovijeh, reèe govoreæi: Mojsije gospodaru moj, zabrani im.
29 Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’ i Jehovah rehetra, ka halatsak’ i Jehovah aminy ny Fanahiny!
A Mojsije mu odgovori: zar zavidiš mene radi? kamo da sav narod Gospodnji postanu proroci i da Gospod pusti duh svoj na njih!
30 Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon’ ny Isiraely.
Potom se vrati Mojsije u oko sa starješinama Izrailjevijem.
31 Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin’ i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin’ ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin’ ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin’ ny tany izy.
Tada se podiže vjetar od Gospoda, i potjera od mora prepelice, i razasu ih po okolu, na dan hoda odovuda i na dan hoda odonuda oko okola, na dva lakta od zemlje.
32 Dia nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson’ iny koa ka nanangona ny papelika; ary izay kely fanangona no folo homera; ary nahahiny ho maina ireny manodidina ny toby.
I ustavši narod vas onaj dan i svu noæ i vas drugi dan kupljaše prepelice: i ko nakupi najmanje nakupi deset gomora; i povješaše ih sebi redom oko okola.
33 Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin’ ny olona ny fahatezeran’ i Jehovah, ary namely ny olony tamin’ ny kapoka mafy indrindra Izy.
Ali meso još im bijaše u zubima, jošte ga ne pojedoše, a Gospod se razgnjevi na narod, i udari Gospod narod pomorom vrlo velikim.
34 Ary ny anaran’ izany tany izany nataony hoe: Kibrota-hatava, satria teo no nandevenana ny olona izay liana.
I prozva se ono mjesto Kivrot-Atava jer ondje ukopaše narod koji se bješe polakomio.
35 Ary niala tao Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy.
I poðe narod od Kivrot-Atave u Asirot, i stadoše u Asirotu.

< Nomery 11 >