< Nomery 10 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Yahweh parla à Moïse, en disant:
2 Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
« Fais-toi deux trompettes d’argent; tu les feras d’argent battu. Elles te serviront pour la convocation de l’assemblée et pour la levée des camps.
3 Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.
Quand on en sonnera, toute l’assemblée se réunira auprès de toi, à l’entrée de la tente de réunion.
4 Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan’ ny firenena, izay mpifehy arivo amin’ ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao.
Si l’on ne sonne que d’une trompette, les princes seulement, les chefs des milliers d’Israël, se réuniront auprès de toi.
5 Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
Quand vous sonnerez avec éclat, ceux qui campent à l’orient se mettront en marche;
6 Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.
quand vous sonnerez avec éclat pour la seconde fois, ceux qui campent au midi se mettront en marche; on sonnera avec éclat pour leur départ.
7 Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.
Vous sonnerez aussi pour convoquer l’assemblée, mais non avec éclat.
8 Ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.
Les fils d’Aaron, les prêtres, sonneront des trompettes: ce sera une loi perpétuelle pour vous et pour vos descendants.
9 Ary raha misy ady eo amin’ ny taninareo, ka mandeha hiady amin’ ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin’ ny fahavalonareo.
Quand vous irez à la guerre dans votre pays contre l’ennemi qui vous attaquera, vous sonnerez des trompettes avec éclat, et vous serez rappelés au souvenir de Yahweh, votre Dieu, et vous serez délivrés de vos ennemis.
10 Ary amin’ ny andro fifalianareo, sy amin’ ny fotoam-pivavahanareo, ary amin’ ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan’ Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.
Dans vos jours de joie, dans vos fêtes et à vos nouvelles lunes, vous sonnerez des trompettes, en offrant vos holocaustes et vos sacrifices pacifiques, et elles seront pour vous un mémorial devant votre Dieu. Je suis Yahweh, votre Dieu. »
11 Ary tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa, no niakaran’ ny rahona niala teo ambonin’ ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
La seconde année, au vingtième jour du deuxième mois, la nuée s’éleva de dessus la Demeure du témoignage;
12 Dia niainga tany an-efitr’ i Sinay ny Zanak’ Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.
et les enfants d’Israël, reprenant leurs marches, partirent du désert de Sinaï, et la nuée s’arrêta dans le désert de Pharan.
13 Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
Ils se mirent en marche pour la première fois, suivant le commandement de Yahweh par l’organe de Moïse.
14 Ary ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak’ i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.
La bannière du camp des fils de Juda partit la première, selon leurs troupes, et la troupe de Juda était commandée par Nahasson, fils d’Aminadab;
15 Ary Netanela, zanak’ i Zoara, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ Isakara.
la troupe de la tribu des fils d’Issachar était commandée par Nathanaël, fils de Suar;
16 Ary Eliaba, zanak’ i Helona, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Zebolona.
et la troupe de la tribu des fils de Zabulon était commandée par Eliab, fils de Hélon.
17 Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak’ i Gersona sy ny taranak’ i Merary, nitondra ny tabernakely.
La Demeure fut démontée, et les fils de Gerson et les fils de Mérari partirent, portant la Demeure.
18 Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak’ i Sedeora, no mpifehy ny antokony.
La bannière du camp de Ruben partit, selon leurs troupes, et la troupe de Ruben était commandée par Elisur, fils de Sédéur;
19 Ary Selomiela, zanak’ i Zorisaday, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Simeona.
la troupe de la tribu des fils de Siméon était commandée par Salamiel, fils de Surisaddaï;
20 Ary Eliasafa, zanak’ i Doela, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Gada.
et la troupe de la tribu des fils de Gad était commandée par Eliasaph, fils de Duel.
21 Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masìna; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.
Les Caathites partirent portant les objets sacrés, et les autres dressaient la Demeure, en attendant leur arrivée.
22 Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak’ i Amihoda, no mpifehy ny antokony.
La bannière du camp des fils d’Ephraïm partit, selon leurs troupes et la troupe d’Ephraïm était commandée par Elisama, fils d’Ammiud;
23 Ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Manase.
la troupe de la tribu des fils de Manassé était commandée par Gamaliel, fils de Phadassur,
24 Ary Abidana, zanak’ i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak’ i Benjamina.
et la troupe de la tribu de Benjamin était commandée par Abidan, fils de Gédéon.
25 Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Dana, izay vodi-lalan’ ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak’ i Amisaday, no mpifehy ny antokony.
La bannière du camp des fils de Dan partit, selon leurs troupes: elle formait l’arrière-garde de tous les camps. La troupe de Dan était commandée par Ahiéser, fils d’Ammisaddaï;
26 Ary Pagiela, zanak’ i Okrana, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Asera.
la troupe de la tribu des fils d’Aser était commandée par Phégiel, fils d’Ochran,
27 Ary Ahira, zanak’ i Enana, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Naftaly.
et la troupe des fils de Nephthali était commandée par Ahira, fils d’Enan.
28 Izany no fandehan’ ny Zanak’ Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.
Tel était l’ordre de marche des enfants d’Israël selon leurs troupes; et ils partirent.
29 Dia hoy Mosesy tamin’ i Hobaba, zanak’ i Regoela Midianita, rafozan’ i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin’ ny tany izay nolazain’ i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin’ ny Isiraely.
Moïse dit à Hobab, fils de Raguel, le Madianite, beau-père de Moïse: « Nous partons pour le lieu dont Yahweh a dit: Je vous le donnerai. Viens avec nous, et nous te ferons du bien, car Yahweh a promis de faire du bien à Israël. »
30 Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin’ ny taniko sy ny havako.
Hobab lui répondit: « Je n’irai point, mais je m’en irai dans mon pays et ma famille. »
31 Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao.
Et Moïse dit: « Ne nous quitte pas, je te prie; puisque tu connais les lieux où nous aurons à camper dans le désert, tu nous serviras d’œil.
32 Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon’ i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
Si tu viens avec nous, nous te ferons partager le bien que Yahweh nous fera. »
33 Dia niainga niala tany an-tendrombohitr’ i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an’ ny olona.
Etant partis de la montagne de Yahweh, ils firent trois journées de marche, et pendant ces trois journées de marche, l’arche de l’alliance de Yahweh s’avança devant eux pour leur chercher un lieu de repos.
34 Ary ny rahon’ i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin’ ny niaingany niala tamin’ ny nitobiany.
La nuée de Yahweh était au-dessus d’eux pendant le jour, lorsqu’ils partaient du camp.
35 Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.
Quand l’arche partait, Moïse disait: « Lève-toi, Yahweh, et que tes ennemis soient dispersés! Que ceux qui te haïssent fuient devant ta face! »
36 Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin’ ny Isiraely tsy omby alinalina.
Et quand elle s’arrêtait, il disait: « Reviens, Yahweh, vers les myriades des milliers d’Israël! »

< Nomery 10 >