< Nehemia 9 >

1 Ary tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ izany volana izany dia niangona ny Zanak’ Isiraely, sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany.
這月二十四日,以色列人聚集禁食,身穿麻衣,頭蒙灰塵。
2 Dia niavaka tamin’ ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’ Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.
以色列人就與一切外邦人離絕,站着承認自己的罪惡和列祖的罪孽。
3 Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah Andriamaniny tamin’ ny ampahefatry ny andro; ary tamin’ ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
那日的四分之一站在自己的地方念耶和華-他們上帝的律法書,又四分之一認罪,敬拜耶和華-他們的上帝。
4 Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin’ ny lampihazon’ ny Levita ka nitaraina mafy tamin’ i Jehovah Andriamaniny.
耶書亞、巴尼、甲篾、示巴尼、布尼、示利比、巴尼、基拿尼站在利未人的臺上,大聲哀求耶和華-他們的上帝。
5 Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin’ ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
利未人耶書亞、甲篾、巴尼、哈沙尼、示利比、荷第雅、示巴尼、毗他希雅說:「你們要站起來稱頌耶和華-你們的上帝,永世無盡。耶和華啊,你榮耀之名是應當稱頌的!超乎一切稱頌和讚美。」
6 Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao.
「你,惟獨你是耶和華!你造了天和天上的天,並天上的萬象,地和地上的萬物,海和海中所有的;這一切都是你所保存的。天軍也都敬拜你。
7 Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an’ i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran’ ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama;
你是耶和華上帝,曾揀選亞伯蘭,領他出迦勒底的吾珥,給他改名叫亞伯拉罕。
8 ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an’ ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao.
你見他在你面前心裏誠實,就與他立約,應許把迦南人、赫人、亞摩利人、比利洗人、耶布斯人、革迦撒人之地賜給他的後裔,且應驗了你的話,因為你是公義的。
9 Ary nahita ny fahorian’ ny razanay tany Egypta koa Hianao sady nandre ny fitarainany teo amoron’ ny Ranomasina Mena,
「你曾看見我們列祖在埃及所受的困苦,垂聽他們在紅海邊的哀求,
10 dia nanao famantarana sy fahagagana tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin’ ny olona rehetra tany amin’ ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin’ izao anio izao.
就施行神蹟奇事在法老和他一切臣僕,並他國中的眾民身上。你也得了名聲,正如今日一樣,因為你知道他們向我們列祖行事狂傲。
11 Ary ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany, ka nandeha namaky teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin’ ny lalina tahaka ny vato amin’ ny rano manonja.
你又在我們列祖面前把海分開,使他們在海中行走乾地,將追趕他們的人拋在深海,如石頭拋在大水中;
12 Andri-rahona no nitondranao azy raha antoandro, ary andri-afo nony alina, mba hampahazava azy hahitany izay lalana tokony halehany.
並且白晝用雲柱引導他們,黑夜用火柱照亮他們當行的路。
13 Efa nidina tao ambonin’ ny tendrombohitra Sinay Hianao, dia niteny taminy tany an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalana marina ary fomba sy didy tsara.
你也降臨在西奈山,從天上與他們說話,賜給他們正直的典章、真實的律法、美好的條例與誡命,
14 Ary nampahalala azy ny Sabatanao masìna Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy;
又使他們知道你的安息聖日,並藉你僕人摩西傳給他們誡命、條例、律法。
15 ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin’ ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy.
從天上賜下糧食充他們的飢,從磐石使水流出解他們的渴,又吩咐他們進去得你起誓應許賜給他們的地。
16 Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,
「但我們的列祖行事狂傲,硬着頸項不聽從你的誡命;
17 ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
不肯順從,也不記念你在他們中間所行的奇事,竟硬着頸項,居心背逆,自立首領,要回他們為奴之地。但你是樂意饒恕人,有恩典,有憐憫,不輕易發怒,有豐盛慈愛的上帝,並不丟棄他們。
18 Eny, nanao ilay ombilahy kely an-idina izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao hiakatra avy tany Egypta, dia nampahasosotra indrindra izy;
他們雖然鑄了一隻牛犢,彼此說『這是領你出埃及的神』,因而大大惹動你的怒氣;
19 kanefa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany.
你還是大施憐憫,在曠野不丟棄他們。白晝,雲柱不離開他們,仍引導他們行路;黑夜,火柱也不離開他們,仍照亮他們當行的路。
20 Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin’ ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy;
你也賜下你良善的靈教訓他們;未嘗不賜嗎哪使他們糊口,並賜水解他們的渴。
21 eny, efa-polo taona no namelomanao azy tany an-efitra, ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany, ary tsy nivonto ny tongony.
在曠野四十年,你養育他們,他們就一無所缺:衣服沒有穿破,腳也沒有腫。
22 Ary nanome azy fanjakana sy firenena maro Hianao, ka voazaranao araka ny faritaniny avy ireny; ka dia nahazo ny tanin’ i Sihona sy ny tanin’ ny mpanjakan’ i Hesbona ary ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, izy.
並且你將列國之地照分賜給他們,他們就得了西宏之地、希實本王之地,和巴珊王噩之地。
23 Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra, sady nentinao ho amin’ ny tany izay nolazainao tamin’ ny razany fa hidirany holovana.
你也使他們的子孫多如天上的星,帶他們到你所應許他們列祖進入得為業之地。
24 Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin’ ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.
這樣,他們進去得了那地,你在他們面前制伏那地的居民,就是迦南人;將迦南人和其君王,並那地的居民,都交在他們手裏,讓他們任意而待。
25 Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin’ ny fahatsaranao lehibe.
他們得了堅固的城邑、肥美的地土、充滿各樣美物的房屋、鑿成的水井、葡萄園、橄欖園,並許多果木樹。他們就吃而得飽,身體肥胖,因你的大恩,心中快樂。
26 Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.
「然而,他們不順從,竟背叛你,將你的律法丟在背後,殺害那勸他們歸向你的眾先知,大大惹動你的怒氣。
27 Koa dia natolotrao ho eo an-tànan’ ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin’ ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben’ ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony ireo.
所以你將他們交在敵人的手中,磨難他們。他們遭難的時候哀求你,你就從天上垂聽,照你的大憐憫賜給他們拯救者,救他們脫離敵人的手。
28 Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan’ ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben’ ny fiantranao.
但他們得平安之後,又在你面前行惡,所以你丟棄他們在仇敵的手中,使仇敵轄制他們。然而他們轉回哀求你,你仍從天上垂聽,屢次照你的憐憫拯救他們,
29 Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin’ ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankatò azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino.
又警戒他們,要使他們歸服你的律法。他們卻行事狂傲,不聽從你的誡命,干犯你的典章(人若遵行就必因此活着),扭轉肩頭,硬着頸項,不肯聽從。
30 Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin’ ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan’ ny firenena amin’ ny tany hafa.
但你多年寬容他們,又用你的靈藉眾先知勸戒他們,他們仍不聽從,所以你將他們交在列國之民的手中。
31 Nefa noho ny haben’ ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.
然而你大發憐憫,不全然滅絕他們,也不丟棄他們;因為你是有恩典、有憐憫的上帝。
32 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin’ ny andron’ ireo mpanjakan’ i Asyria ka mandraka androany.
「我們的上帝啊,你是至大、至能、至可畏、守約施慈愛的上帝。我們的君王、首領、祭司、先知、列祖,和你的眾民,從亞述列王的時候直到今日所遭遇的苦難,現在求你不要以為小。
33 Hianao no marina tamin’ izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;
在一切臨到我們的事上,你卻是公義的;因你所行的是誠實,我們所做的是邪惡。
34 ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy.
我們的君王、首領、祭司、列祖都不遵守你的律法,不聽從你的誡命和你警戒他們的話。
35 Fa tsy nanompo Anao teo amin’ ny fanjakany izy sy teo amin’ ny haben’ ny zava-tsoa nomenao azy ary teo amin’ ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala tamin’ ny ratsy fanaony izy.
他們在本國裏沾你大恩的時候,在你所賜給他們這廣大肥美之地上不事奉你,也不轉離他們的惡行。
36 Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin’ ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;
我們現今作了奴僕;至於你所賜給我們列祖享受其上的土產,並美物之地,看哪,我們在這地上作了奴僕!
37 ary mahavokatra be izy, kanefa ho an’ ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.
這地許多出產歸了列王,就是你因我們的罪所派轄制我們的。他們任意轄制我們的身體和牲畜,我們遭了大難。」
38 Ary noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.
因這一切的事,我們立確實的約,寫在冊上。我們的首領、利未人,和祭司都簽了名。

< Nehemia 9 >