< Nehemia 8 >

1 Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’ Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan’ ny vavahadin-drano; ary niteny tamin’ i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin’ ny lalan’ i Mosesy izay nandidian’ i Jehovah ny Isiraely.
All the people gathered as one man in the open area in front of the Water Gate. They asked Ezra the scribe to bring the Book of the Law of Moses, which Yahweh had commanded Israel.
2 Dia nentin’ i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafito ho eo anatrehan’ ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’ izay rehetra efa mahahaino.
On the first day of the seventh month, Ezra the priest brought the law before the assembly, both men and women, and all who could hear and understand.
3 Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan’ ny vavahadin-drano izy hatramin’ ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan’ ny andro, dia teo anatrehan’ ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’ izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ ny lalàna.
He faced the open area in front of the Water Gate, and he read from it from early morning until midday, before men and women, and any who could understand, and all the people listened attentively to the book of the law.
4 Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin’ ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.
Then Ezra the scribe stood on a high wooden platform which the people had made for the purpose. Standing beside him were Mattithiah, Shema, Anaiah, Uriah, Hilkiah, and Maaseiah, on his right side; and Pedaiah, Mishael, Malchijah, Hashum, Hashbaddanah, Zechariah, and Meshullam were standing on his left side.
5 Dia nosokafan’ i Ezra teo imason’ ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.
Ezra opened the book in the sight of all the people, for he was standing above the people, and when he opened it all the people stood up.
6 Ary Ezra nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Jehovah.
Ezra gave thanks to Yahweh, the great God, and all the people lifted up their hands and answered, “Amen! Amen!” Then they bowed their heads and worshiped Yahweh with their faces to the ground.
7 Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’ izay nitoerany ihany.
Also Jeshua, Bani, Sherebiah, Jamin, Akkub, Shabbethai, Hodiah, Maaseiah, Kelita, Azariah, Jozabad, Hanan, Pelaiah—the Levites—helped the people understand the law, while the people remained in their place.
8 Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ ny olona tsara ny teny novakina.
They read in the book, The Law of God, making it clear with interpretation and giving the meaning so the people understood the reading.
9 Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin’ ny olona rehetra hoe: Masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin’ ny lalàna.
Nehemiah the governor, and Ezra the priest and scribe, and the Levites who were interpreting to the people said to all the people, “This day is holy to Yahweh your God. Do not mourn or weep.” For all the people wept when they heard the words of the law.
10 Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masìna ho an’ ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’ i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
Then Nehemiah said to them, “Go your way, eat the fat and have something sweet to drink, and send some of it to one who has nothing prepared, for this day is holy to our Lord. Do not be grieved, for the joy of Yahweh is your strength.”
11 Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangìna ianareo, fa masìna ity andro ity; koa aza malahelo ianareo.
So the Levites made the people be quiet, saying, “Hush! for this day is holy. Do not be grieved.”
12 Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an’ ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.
Then all the people went their way to eat and to drink and to share food and to celebrate with great joy because they had understood the words that were made known to them.
13 Ary nony ampitson’ iny dia vory teo amin’ i Ezra mpanora-dalàna ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin’ ny lalàna.
On the second day the leaders of the ancestors' families from all the people, the priests and the Levites, came together to Ezra the scribe to gain insight from the words of the law.
14 Dia hitany voasoratra teo amin’ ny lalàna, izay nampandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin’ ny trano rantsan-kazo ny Zanak’ Isiraely amin’ ny andro firavoravoana amin’ ny volana fahafito,
They found written in the law how Yahweh had commanded through Moses that the people of Israel should live in shelters during the festival of the seventh month.
15 ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan’ oliva sy sampan’ oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra.
They should make a proclamation in all their cities, and in Jerusalem, saying, “Go out into the hill country, and bring back branches from olive and wild olive trees, and from myrtle, palms and shade trees, to make shelters, as it is written.”
16 Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin’ ny tampon-tranony avy sy teo anatin’ ny tokotaniny avy sy teo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin’ ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin’ ny vavahadin’ i Efraima.
So the people went out and brought the branches back and made themselves shelters, each on their own roofs, in their courtyards, in the courts of the house of God, in the open area in front of the Water Gate, and in the square at the Gate of Ephraim.
17 Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak’ Isiraely hatramin’ ny andron’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka hatramin’ izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.
All the assembly of those who had returned from captivity made shelters and lived in them. For since the days of Joshua son of Nun to that day, the people of Israel had not celebrated this festival, and so their joy was very great.
18 Ary namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra isan’ andro isan’ andro izy hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.
Also day by day, from the first day to the last, Ezra read from the book of the law of God. They kept the festival for seven days and on the eighth day was a solemn assembly, in obedience to the decree.

< Nehemia 8 >