< Nehemia 5 >

1 Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin’ ny Jiosy rahalahiny.
百姓和他們的妻大大呼號,埋怨他們的弟兄猶大人。
2 Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin’ ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay.
有的說:「我們和兒女人口眾多,要去得糧食度命」;
3 Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary.
有的說:「我們典了田地、葡萄園、房屋,要得糧食充飢」;
4 Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka.
有的說:「我們已經指着田地、葡萄園,借了錢給王納稅。
5 Kanefa mba tahaka ny nofon’ ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin’ ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan’ ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay.
我們的身體與我們弟兄的身體一樣;我們的兒女與他們的兒女一般。現在我們將要使兒女作人的僕婢,我們的女兒已有為婢的;我們並無力拯救,因為我們的田地、葡萄園已經歸了別人。」
6 Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.
我聽見他們呼號說這些話,便甚發怒。
7 Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.
我心裏籌劃,就斥責貴冑和官長說:「你們各人向弟兄取利!」於是我招聚大會攻擊他們。
8 Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin’ ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.
我對他們說:「我們盡力贖回我們弟兄,就是賣與外邦的猶大人;你們還要賣弟兄,使我們贖回來嗎?」他們就靜默不語,無話可答。
9 Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian’ ny jentilisa fahavalontsika?
我又說:「你們所行的不善!你們行事不當敬畏我們的上帝嗎?不然,難免我們的仇敵外邦人毀謗我們。
10 Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany;
我和我的弟兄與僕人也將銀錢糧食借給百姓;我們大家都當免去利息。
11 eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin’ olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton’ ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy.
如今我勸你們將他們的田地、葡萄園、橄欖園、房屋,並向他們所取的銀錢、糧食、新酒,和油,百分之一的利息都歸還他們。」
12 Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany,
眾人說:「我們必歸還,不再向他們索要,必照你的話行。」我就召了祭司來,叫眾人起誓,必照着所應許的而行。
13 sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan’ Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin’ ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an’ i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona.
我也抖着胸前的衣襟,說:「凡不成就這應許的,願上帝照樣抖他離開家產和他勞碌得來的,直到抖空了。」會眾都說:「阿們!」又讚美耶和華。百姓就照着所應許的去行。
14 Ary koa, hatramin’ ny andro nanendrena ahy ho governora amin’ ny tany Joda, dia hatramin’ ny taona faharoa-polo ka hatramin’ ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan’ i Artaksersesy, dia roa ambin’ ny folo taona izay, izaho sy ny raha! ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman’ ny governora.
自從我奉派作猶大地的省長,就是從亞達薛西王二十年直到三十二年,共十二年之久,我與我弟兄都沒有吃省長的俸祿。
15 Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’ Andriamanitra.
在我以前的省長加重百姓的擔子,每日索要糧食和酒,並銀子四十舍客勒,就是他們的僕人也轄制百姓;但我因敬畏上帝不這樣行。
16 Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa.
並且我恆心修造城牆,並沒有置買田地;我的僕人也都聚集在那裏做工。
17 Ary teo amin’ ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin’ ny firenena manodidina anay.
除了從四圍外邦中來的猶大人以外,有猶大平民和官長一百五十人在我席上吃飯。
18 Ary ny namboarina ho ahy isan’ andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman’ ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana.
每日預備一隻公牛,六隻肥羊,又預備些飛禽;每十日一次,多預備各樣的酒。雖然如此,我並不要省長的俸祿,因為百姓服役甚重。
19 Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an’ ity firenena ity.
我的上帝啊,求你記念我為這百姓所行的一切事,施恩與我。

< Nehemia 5 >