< Nehemia 11 >

1 Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masìna, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa. 2 Ary nisaoran’ ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema. 3 Ary izao no ben’ ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan’ ny Joda samy nonina tao amin’ ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona. 4 Ary tany Jerosalema no nonenan’ ny sasany tamin’ ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ i Benjamina. Ny avy tamin’ ny taranak’ i Joda dia Ataia, zanak’ i Ozia, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Amaria, zanak’ i Sefatia, zanak’ i Mahalalila, avy tamin’ ny taranak’ i Fareza; 5 ary Mahaseia, zanak’ i Baroka, zanak’ i Kola-hoze, zanak’ i Hazaia, zanak’ i Adaia, zanak’ i Joariba, zanak’ i Zakaria, zanak’ ilay Silonita. 6 Ny taranak’ i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato. 7 Ary izao no taranak’ i Benjamina: Salo, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Joeda, zanak’ i Pedaia, zanak’ i Kolaia, zanak’ i Mahaseia, zanak’ Itiela, zanak’ i Jesaia; 8 ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato. 9 Ary Joela, zanak’ i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak’ i Senoa, no lefitry ny komandin’ ny tanàna. 10 Ny avy tamin’ ny mpisorona dia Jedaia, zanak’ i Joariba, ary Jakina. 11 Ary Seraia, zanak’ i Hilkia, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Meraiota, zanak’ i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra. 12 Ary ny rahalahin’ ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak’ i Jerohama, zanak’ i Pelalia, zanak’ i Amzy, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Pasora, zanak’ i Malkia, 13 ary ny rahalahiny, izay samy lohan’ ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak’ i Azarela, zanak’ i Ahazay, zanak’ i Mesilemota, zanak’ Imera, 14 mbamin’ ny rahalahin’ ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak’ i Hagedolima, no mpifehy azy. 15 Ary ny avy tamin’ ny Levita dia Semaia, zanak’ i Hasoba, zanak’ i Azrikama, zanak’ i Hasabia, zanak’ i Bony; 16 ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin’ ny lohan’ ny Levita, no tonian’ ny raharaha teo ivelan’ ny tranon’ Andriamanitra. 17 Ary Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak’ i Samoa, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona. 18 Ny Levita rehetra tao an-tanàna masìna dia efatra amby valo-polo amby roan-jato. 19 Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin’ ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato. 20 Ary ny sisa tamin’ ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin’ ny zara-taniny avy. 21 Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy. 22 Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin’ ny raharaha momba ny tranon’ Andriamanitra dia Ozy, zanak’ i Bany, zanak’ i Hasabia, zanak’ i Matania, zanak’ i Mika, isan’ ny mpihira, taranak’ i Asafa. 23 Fa ny didin’ ny mpanjaka ny amin’ ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan’ andro. 24 Ary Petahia, zanak’ i Mesezabela, isan’ ny taranak’ i Zera, zanak’ i Joda, dia teo anilan’ ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin’ ny olona. 25 Fa ny amin’ ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin’ ny taranak’ i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny, 26 ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta 27 sy Hazara-soala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny, 28 ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny, 29 ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota 30 sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin’ ny lohasahan’ i Himona izy. 31 Ary ny taranak’ i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny, 32 ary tany Anatota sy Noba sy Anania 33 sy Hazora sy Rama sy Gitaima 34 sy Hadida sy Zeboïma sy Nebala 35 sy Loda sy Ono, lohasahan’ ny mahay tao-zavatra. 36 Ary tao amin’ ny Benjamina nisy Levita, izay isan’ ny antokon’ ny Joda.

< Nehemia 11 >