< Nehemia 11 >

1 Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masìna, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.
Basi viongozi wa watu walikaa Yerusalemu, nao watu wale wengine walipiga kura ili kuleta mtu mmoja kati ya watu kumi aje kuishi Yerusalemu, mji mtakatifu, nao wengine tisa waliobaki wakae katika miji yao wenyewe.
2 Ary nisaoran’ ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema.
Watu waliwasifu wale wote waliojitolea kuishi Yerusalemu.
3 Ary izao no ben’ ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan’ ny Joda samy nonina tao amin’ ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona.
Hawa ndio viongozi wa majimbo waliokuja kuishi Yerusalemu (baadhi ya Waisraeli, makuhani, Walawi, watumishi wa Hekalu, na wazao wa watumishi wa Solomoni waliendelea kuishi katika miji ya Yuda, kila mmoja katika milki yake mwenyewe katika miji mbalimbali,
4 Ary tany Jerosalema no nonenan’ ny sasany tamin’ ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ i Benjamina. Ny avy tamin’ ny taranak’ i Joda dia Ataia, zanak’ i Ozia, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Amaria, zanak’ i Sefatia, zanak’ i Mahalalila, avy tamin’ ny taranak’ i Fareza;
ambapo watu wengine kutoka Yuda na Benyamini waliishi Yerusalemu). Kutoka wazao wa Yuda: Athaya mwana wa Uzia, mwana wa Zekaria, mwana wa Amaria, mwana wa Shefatia, mwana wa Mahalaleli, mzao wa Peresi.
5 ary Mahaseia, zanak’ i Baroka, zanak’ i Kola-hoze, zanak’ i Hazaia, zanak’ i Adaia, zanak’ i Joariba, zanak’ i Zakaria, zanak’ ilay Silonita.
Naye Maaseya mwana wa Baruku, mwana wa Kolhoze, mwana wa Hazaya, mwana wa Adaya, mwana wa Yoyaribu, mwana wa Zekaria, mzao wa Mshiloni.
6 Ny taranak’ i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato.
Wazao wa Peresi walioishi Yerusalemu walikuwa 468, watu wenye uwezo.
7 Ary izao no taranak’ i Benjamina: Salo, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Joeda, zanak’ i Pedaia, zanak’ i Kolaia, zanak’ i Mahaseia, zanak’ Itiela, zanak’ i Jesaia;
Kutoka wazao wa Benyamini: Salu mwana wa Meshulamu, mwana wa Yoedi, mwana wa Pedaya, mwana wa Kolaya, mwana wa Maaseya, mwana wa Ithieli, mwana wa Yeshaya
8 ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato.
na wafuasi wake, Gabai na Salai watu 928.
9 Ary Joela, zanak’ i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak’ i Senoa, no lefitry ny komandin’ ny tanàna.
Yoeli mwana wa Zikri alikuwa afisa wao mkuu, naye Yuda mwana wa Hasenua alikuwa msimamizi juu ya Mtaa wa Pili katika mji.
10 Ny avy tamin’ ny mpisorona dia Jedaia, zanak’ i Joariba, ary Jakina.
Kutoka makuhani: Yedaya, mwana wa Yoyaribu, Yakini,
11 Ary Seraia, zanak’ i Hilkia, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Meraiota, zanak’ i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra.
Seraya mwana wa Hilkia, mwana wa Meshulamu, mwana wa Sadoki, mwana wa Merayothi, mwana wa Ahitubu, msimamizi katika nyumba ya Mungu,
12 Ary ny rahalahin’ ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak’ i Jerohama, zanak’ i Pelalia, zanak’ i Amzy, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Pasora, zanak’ i Malkia,
pamoja na wenzao waliofanya kazi hekaluni: watu 822. Adaya mwana wa Yerohamu, mwana wa Pelalia, mwana wa Amsi, mwana wa Zekaria, mwana wa Pashuri, mwana wa Malkiya,
13 ary ny rahalahiny, izay samy lohan’ ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak’ i Azarela, zanak’ i Ahazay, zanak’ i Mesilemota, zanak’ Imera,
na wenzao, waliokuwa viongozi wa jamaa: watu 242. Amashisai mwana wa Azareli, mwana wa Azai, mwana wa Meshilemothi, mwana wa Imeri,
14 mbamin’ ny rahalahin’ ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak’ i Hagedolima, no mpifehy azy.
na wenzao waliokuwa wenye uwezo: watu 128. Afisa wao mkuu alikuwa Zabdieli mwana wa Hagedolimu.
15 Ary ny avy tamin’ ny Levita dia Semaia, zanak’ i Hasoba, zanak’ i Azrikama, zanak’ i Hasabia, zanak’ i Bony;
Kutoka Walawi: Shemaya mwana wa Hashubu, mwana wa Azrikamu, mwana wa Hashabia, mwana wa Buni;
16 ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin’ ny lohan’ ny Levita, no tonian’ ny raharaha teo ivelan’ ny tranon’ Andriamanitra.
Shabethai na Yozabadi, viongozi wawili wa Walawi, ambao walisimamia kazi za nje za nyumba ya Mungu;
17 Ary Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak’ i Samoa, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona.
Matania mwana wa Mika, mwana wa Zabdi, mwana wa Asafu, kiongozi aliyeongoza kutoa shukrani na maombi; Bakbukia aliyekuwa msaidizi wake kati ya wenzake; na Abda mwana wa Shamua, mwana wa Galali, mwana wa Yeduthuni.
18 Ny Levita rehetra tao an-tanàna masìna dia efatra amby valo-polo amby roan-jato.
Jumla ya Walawi waliokaa katika mji mtakatifu walikuwa watu 284.
19 Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin’ ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato.
Mabawabu: Akubu, Talmoni na wenzao, waliolinda malango: watu 172.
20 Ary ny sisa tamin’ ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin’ ny zara-taniny avy.
Waisraeli waliosalia, pamoja na makuhani na Walawi, walikuwa katika miji yote ya Yuda, kila mmoja katika urithi wa baba yake.
21 Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.
Watumishi wa Hekalu waliishi katika kilima cha Ofeli. Siha na Gishpa walikuwa wasimamizi wao.
22 Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin’ ny raharaha momba ny tranon’ Andriamanitra dia Ozy, zanak’ i Bany, zanak’ i Hasabia, zanak’ i Matania, zanak’ i Mika, isan’ ny mpihira, taranak’ i Asafa.
Afisa mkuu wa Walawi huko Yerusalemu alikuwa Uzi mwana wa Bani, mwana wa Hashabia, mwana wa Matania, mwana wa Mika. Uzi alikuwa mmoja wa wazao wa Asafu, waliokuwa waimbaji wenye kuwajibika kwa ajili ya huduma ya nyumba ya Mungu.
23 Fa ny didin’ ny mpanjaka ny amin’ ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan’ andro.
Waimbaji walikuwa chini ya amri za mfalme, ambazo pia ziliratibu shughuli zao za kila siku.
24 Ary Petahia, zanak’ i Mesezabela, isan’ ny taranak’ i Zera, zanak’ i Joda, dia teo anilan’ ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin’ ny olona.
Pethahia mwana wa Meshezabeli, mmoja wa wazao wa Zera mwana wa Yuda, alikuwa mwakilishi wa mfalme katika mambo yote kuhusu mahusiano na watu.
25 Fa ny amin’ ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin’ ny taranak’ i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,
Kuhusu vijiji na mashamba yake, baadhi ya watu wa Yuda waliishi Kiriath-Arba na makazi yaliyokizunguka, katika Diboni na makazi yake, katika Yekabzeeli na vijiji vyake,
26 ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta
katika Yeshua, katika Molada, katika Beth-Peleti,
27 sy Hazara-soala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,
katika Hasar-Shuali, katika Beer-Sheba na makazi yake,
28 ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny,
katika Siklagi, katika Mekona na makazi yake,
29 ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota
katika En-Rimoni, katika Sora, katika Yarmuthi,
30 sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin’ ny lohasahan’ i Himona izy.
Zanoa, Adulamu na vijiji vyake, katika Lakishi na mashamba yake, na katika Azeka na makazi yake. Hivyo walikuwa wakiishi kuanzia Beer-Sheba mpaka Bonde la Hinomu.
31 Ary ny taranak’ i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,
Wazao wa Wabenyamini kutoka Geba waliishi Mikmashi, Aiya, Betheli na makazi yake,
32 ary tany Anatota sy Noba sy Anania
katika Anathothi, Nobu na Anania,
33 sy Hazora sy Rama sy Gitaima
katika Hazori, Rama na Gitaimu,
34 sy Hadida sy Zeboïma sy Nebala
katika Hadidi, Seboimu na Nebalati,
35 sy Loda sy Ono, lohasahan’ ny mahay tao-zavatra.
katika Lodi na Ono, na katika Bonde la Mafundi.
36 Ary tao amin’ ny Benjamina nisy Levita, izay isan’ ny antokon’ ny Joda.
Baadhi ya makundi ya Walawi wa Yuda waliishi huko Benyamini.

< Nehemia 11 >