< Mika 2 >

1 Lozan’ izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
禍哉,那些在床上圖謀罪孽、造作奸惡的! 天一發亮,因手有能力就行出來了。
2 Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin’ ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin’ ny lovany.
他們貪圖田地就佔據, 貪圖房屋便奪取; 他們欺壓人,霸佔房屋和產業。
3 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.
所以耶和華如此說: 我籌劃災禍降與這族; 這禍在你們的頸項上不能解脫; 你們也不能昂首而行, 因為這時勢是惡的。
4 Amin’ izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an’ ny mpiodina avy ny tanintsika!
到那日,必有人向你們提起悲慘的哀歌, 譏刺說:我們全然敗落了! 耶和華將我們的分轉歸別人, 何竟使這分離開我們? 他將我們的田地分給悖逆的人。
5 Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
所以在耶和華的會中, 你必沒有人拈鬮拉準繩。
6 Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin’ ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!
他們說:你們不可說預言; 不可向這些人說預言, 不住地羞辱我們。
7 He! izany teny izany! Ry taranak’ i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin’ i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko?
雅各家啊,豈可說耶和華的心不忍耐嗎? 這些事是他所行的嗎? 我-耶和華的言語豈不是與行動正直的人有益嗎?
8 Vao omaly no omaly no nitsanganan’ ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin’ ny lamba ny kapôtin’ izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.
然而,近來我的民興起如仇敵, 從那些安然經過不願打仗之人身上剝去外衣。
9 Ny vehivavy eo amin’ ny oloko dia roahinareo hiala amin’ ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin’ ny zanany madinika ny voninahitro.
你們將我民中的婦人從安樂家中趕出, 又將我的榮耀從她們的小孩子盡行奪去。
10 Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.
你們起來去吧! 這不是你們安息之所; 因為污穢使人毀滅, 而且大大毀滅。
11 Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny’ aminao ny amin’ ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin ity firenena ity.
若有人心存虛假,用謊言說: 我要向你們預言得清酒和濃酒。 那人就必作這民的先知。
12 Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin’ ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin’ ny vala izy, Toy ny ondry andiany ao amin’ ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan’ ny olona.
雅各家啊,我必要聚集你們, 必要招聚以色列剩下的人, 安置在一處,如波斯拉的羊, 又如草場上的羊群; 因為人數眾多就必大大喧嘩。
13 Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin’ ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.
開路的在他們前面上去; 他們直闖過城門,從城門出去。 他們的王在前面行; 耶和華引導他們。

< Mika 2 >