< Matio 9 >

1 Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.
Yesu alipanda mashua, akavuka ziwa na kufika katika mji wake.
2 Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin’ ny paralysisa nandry tamin’ ny fandriana nentin’ ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
Hapo watu walimletea mtu mmoja aliyepooza mwili, amelazwa juu ya kitanda. Yesu alipoona imani yao, akamwambia huyo mtu aliyepooza, “Jipe moyo mwanangu! Umesamehewa dhambi zako.”
3 Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.
Baadhi ya walimu wa Sheria wakaanza kufikiri, “Mtu huyu anamkufuru Mungu!”
4 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Yesu aliyajua mawazo yao, akasema, “Kwa nini mnawaza mabaya mioyoni mwenu?
5 Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
Ni lipi lililo rahisi zaidi: kusema, Umesamehewa dhambi zako, au kusema, Simama, utembee?
6 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana eto ambonin’ ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
Basi, nataka mjue kwamba Mwana wa Mtu anao uwezo wa kuwasamehe watu dhambi duniani.” Hapo akamwambia huyo mtu aliyepooza, “Inuka, chukua kitanda chako, uende nyumbani kwako.”
7 Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.
Huyo mtu aliyekuwa amepooza akainuka, akaenda nyumbani kwake.
8 Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an’ Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.
Watu wote katika ule umati walipoona hayo, walishangaa na kuogopa; wakamtukuza Mungu aliyewapa binadamu uwezo wa namna hiyo.
9 Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.
Yesu aliondoka hapo, na alipokuwa anakwenda zake, alimwona mtu mmoja aitwaye Mathayo, ameketi katika ofisi ya ushuru. Basi, Yesu akamwambia, “Nifuate.” Naye Mathayo akainuka, akamfuata.
10 Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin’ i Jesosy mbamin’ ny mpianany.
Yesu alipokuwa nyumbani ameketi kula chakula, watoza ushuru wengi na wahalifu walikuja wakaketi pamoja naye na wanafunzi wake.
11 Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin’ ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota?
Mafarisayo walipoona hayo, wakawaambia wanafunzi wake, “Mbona mwalimu wenu anakula pamoja na watoza ushuru na wenye dhambi?”
12 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Yesu aliwasikia, akasema, “Watu wenye afya hawahitaji daktari; wanaomhitaji ni wale walio wagonjwa. Sikuja kuwaita watu wema, ila wenye dhambi.
13 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
Basi, kajifunzeni maana ya maneno haya: Nataka huruma, wala si dhabihu. Sikuja kuwaita watu wema, bali wenye dhambi.”
14 Dia nankany amin’ i Jesosy ny mpianatr’ i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
Kisha wanafunzi wa Yohane mbatizaji walimwendea Yesu, wakamwuliza, “Sisi na Mafarisayo hufunga mara nyingi; mbona wanafunzi wako hawafungi?”
15 Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan’ ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’ izay vao hifady izy.
Yesu akawajibu, “Je, walioalikwa arusini wanaweza kuomboleza wakati bwana arusi yupo pamoja nao? La hasha! Lakini wakati utafika ambapo bwana arusi ataondolewa kati yao; wakati huo ndipo watakapofunga.
16 Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.
“Hakuna mtu atiaye kiraka cha nguo mpya katika vazi kuukuu. Maana kiraka hicho kitararua hilo vazi kuukuu, na pale palipokuwa pameraruka pataongezeka.
17 Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
Wala hakuna mtu awekaye divai mpya katika viriba vikuukuu. Akifanya hivyo, viriba hupasuka na divai ikamwagika, navyo viriba vikaharibika. Ila divai mpya hutiwa katika viriba vipya, na vyote viwili, viriba na divai, vikahifadhiwa salama.”
18 Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.
Yesu alipokuwa akisema hayo, ofisa mmoja Myahudi alifika, akamwinamia na kusema, “Binti yangu amekufa sasa hivi. Lakini, tafadhali njoo umwekee mkono wako naye ataishi.”
19 Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin’ ny mpianany.
Yesu akaondoka pamoja na wanafunzi wake, akamfuata.
20 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin’ ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany.
Mama mmoja, mgonjwa wa kutokwa damu kwa muda wa miaka kumi na miwili, alimfuata Yesu nyuma, akagusa pindo la vazi lake.
21 Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho.
Alifanya hivyo kwani alifikiri moyoni: “Nikigusa tu vazi lake, nitapona.”
22 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’ izay ora izay.
Basi, Yesu akageuka akamwona, akamwambia, “Binti, jipe moyo! Imani yako imekuponya.” Mama huyo akapona saa ileile.
23 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,
Kisha Yesu akaingia nyumbani kwa yule ofisa. Na alipowaona wapiga filimbi na umati wa watu wanaofanya matanga,
24 dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.
akasema, “Ondokeni hapa! Msichana huyu hakufa, amelala tu.” Nao wakamcheka.
25 Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.
Basi, umati wa watu ulipoondolewa, Yesu aliingia ndani, akamshika huyo msichana mkono, naye akasimama.
26 Ary ny lazan’ izany dia niely tamin’ izany tany rehetra izany.
Habari hiyo ikavuma sana katika nchi ile yote.
27 Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak’ i Davida ô!
Yesu aliondoka hapo, na alipokuwa anakwenda, vipofu wawili walimfuata wakipiga kelele, “Mwana wa Daudi, utuhurumie!”
28 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.
Yesu alipoingia nyumbani, vipofu hao wawili wakamwendea, naye akawauliza, “Je, mnaamini kwamba naweza kuwafanyia jambo hilo?” Nao wakamjibu, “Naam, Mheshimiwa.”
29 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.
Hapo Yesu akayagusa macho yao, akasema, “Na iwe kwenu kama mnavyoamini.”
30 Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’ olona izao.
Macho yao yakafunguliwa. Naye Yesu akawaonya kwa ukali: “Msimwambie mtu yeyote jambo hili.”
31 Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin’ izany tany rehetra izany.
Lakini wao wakaondoka, wakaeneza habari za Yesu katika nchi ile yote.
32 Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin’ ny olona tany amin’ i Jesosy.
Watu walipokuwa wanakwenda zao, wengine walimletea Yesu mtu mmoja aliyekuwa bubu kwa sababu alikuwa amepagawa na pepo.
33 Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin’ ny Isiraely.
Mara tu huyo pepo alipotolewa, mtu huyo aliyekuwa bubu akaanza kuongea tena. Watu wakashangaa na kusema, “Jambo kama hili halijapata kuonekana katika Israeli!”
34 Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia.
Lakini Mafarisayo wakawa wanasema, “Anawatoa pepo kwa nguvu ya mkuu wa pepo wabaya.”
35 Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra.
Yesu alitembelea miji yote na vijiji, akafundisha katika masunagogi yao akihubiri Habari Njema ya Ufalme wa Mungu, na kuponya magonjwa yote na udhaifu wa kila namna.
36 Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Basi, alipowaona watu, makundi kwa makundi, aliwaonea huruma kwa sababu walikuwa hoi na wenye wasiwasi kama kondoo wasio na mchungaji.
37 Dia hoy Izy tamin’ ny mpianany:
Hapo akawaambia wanafunzi wake, “Mavuno ni mengi, lakini wavunaji ni wachache.
38 Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’ izany mangataha amin’ ny Tompon’ ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
Kwa hivyo mwombeni mwenye shamba atume wavunaji shambani mwake.”

< Matio 9 >