< Matio 5 >

1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.
A LAO masani pokon o, ap kotida pong dol eu; a lao kaipokedi, sapwilim a tounpadak kan ap kai dong i.
2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
I ari kotin dauasa pasang silang i kawewe ong irail masani:
3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Meid pai, me samama ni ngen ir, pwe nairail wein nanlang.
4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
Meid pai, me mauk, pwe re pan kamaitala.
5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.
Meid pai, me opampap, pwe re pan sosoki sappa.
6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
Meid pai, me kin men manga o men nim me pung, pwe re pan medila.
7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
Meid pai, me kadek, pwe re pan diar kadek.
8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’ Andriamanitra,
Meid pai, me nan mongiong arail makelekel, pwe re pan ariri Kot.
9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.
Meid pai, me kin tom pena, pwe re pan adaneki seri en Kot.
10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Meid pai, me kamekameki pung, pwe nairail wein nanlang.
11 Sambatra ianareo, raha haratsin’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
Komail meid pai, ma irail lalaue o paki komail o palian komail ni arail lokaia sued o likam pweki ngai.
12 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Komail insenemau o perenda kaualap; pweki katinge pamail me lapalap nanlang. Pwe iduen irail paki saukop oko, me mo’mail.
13 Hianareo no fanasin’ ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ ny olona.
Sol pan sappa komail. A ma sol sara sang, da me a pan soleki? Nan a pan me mal kot, men lokidokila, o aramas en tiak pasang.
14 Hianareo no fahazavan’ izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
Marain pan sappa komail, Kanim eu, me mi pon dol eu, sota kak rirla.
15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’ izay rehetra ao an-trano izany.
Aramas pil sota kin isikeda lamp eu, ap ki ong pan kasak, pwe pon deu a, o a kin kamaraini toun im karos.
16 Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
Iduen omail marain en sansal mon aramas, pwe irail en udial omail wiawia man kan, ap kapikapinga Sam omail, me kotiluit nanlang.
17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
Eder kikiong me I kodon, tiakedi kapung de saukop akan. I sota kodon tiakedi, a pwen kapwaiada.
18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan’ ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra.
Pwe melel, I indai ong komail, lao lang o sappa pan poula, sota iota eu de kisin muai en kapung eu pan lokidokila, lao karos pan pwaida.
19 Ary amin’ izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.
Ari, meamen me tiakedi eu kisin kusoned tikitik pukat, ap pil padaki ong aramas, ren tiakedi, nan a pan tikitik nan wein nanlang. A meamen, me oke o padaki ong aramas, ren oke, i me pan lapalap nan wein nanlang.
20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy ianareo.
Pwe I indai ong komail, ma omail pung so man sang pung en saunkawewe o Parisär, akan, komail sota pan kak pedelon ong nan wein nanlang.
21 Efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mamono olona; ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana.
Komail rongadar, me a loki, ong men kaua: Koe der kamela aramas! A me pan kamela aramas, pan pangalang kadeik o.
22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin’ ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin’ ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin’ ny helo mirehitra afo. (Geenna g1067)
A I indai ong komail, meamen makarada mal pan ri a ol, pan pangalang kadeik. A me pan indang ri a ol: Raka, pan pangalang kapung. A me pan inda: Koe me pweipwei, pan lokidokila nan le en pweleko. (Geenna g1067)
23 Ary amin’ izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
Ari, ma koe wa dong pei saraui om mairong, ap tamanda wasa o, me ri om ol insensued pa om.
24 dia avelao eo anoloan’ ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
Pwilikidi mas om mairong impan pei saraui, ap kola kadeke ri om ol, ap kodo kapwaiada om mairong.
25 Mihavàna faingana amin’ ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
Madang materoki ong me palian ong uk ni om iang i pon al o, pwe me palian ong uk ender pangalang uk ren saunkapung, a saunkapung pangalang uk ren papa o, o koe pan lokidokila nan imateng.
26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
Melel I indai ong uk, koe sota pan ko sang wasa o, koe lao kapungala lua karos.
27 Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga.
Komail rongadar, me a lokido: Koe der kamal!
28 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
A I indai ong komail, meamen ngingar li amen, pwen norok, nan a kamal ong i nan mongiong i.
29 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin’ ny helo. (Geenna g1067)
O ma pali maun en mas om kamakar uk, waikada sang o kase sang uk, pwe a mau ong uk, kisan war om en ola, sang war om pon en lokidokila nan pweleko. (Geenna g1067)
30 Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin’ ny helo. (Geenna g1067)
O ma pali maun en pa om kamakar uk, waika sang o kase sang uk, pwe a mau ong uk, kisan war om en ola, sang war om pon en lokidokila nan pweleko. (Geenna g1067)
31 Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady.
A pil lokido: Meamen me pan kasela a paud, i en ki ong i kisin likau en kamueit.
32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.
A I indai ong komail, meamen me pan kasela a paud, me so nenek nan a kin kamal eki i; a meamen, me paudeki me lokido kilar, nan i me kamal.
33 Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin’ i Jehovah ny fianiananao.
Komail pil rongadar, me a loki ong men kaua: Koe der kaula likam; a koe kapwaiada om kaula ong Kaun o!
34 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin’ ny lanitra, fa seza fiandrianan’ Andriamanitra izany;
I indai ong komail, der man kaula! Der kaukila nanlang, pwe mol en Kot;
35 na amin’ ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin’ i Jerosalema, fa tanànan’ ny Mpanjaka lehibe izany.
Pil der sappa, pwe utipa; pil der Ierusalem, pweki kanim en Nanmarki lapalap.
36 Aza mianiana amin’ ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
Koe pil der kaukila mong om, pwe koe sota kak ong wiada pit en monga eu, en puetepuet de tontol.
37 Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ ny ratsy.
Omail kasokasoi pena en: Ei ei; so, so; pwe me dauli mepukat, kin tapi sang ni me sued.
38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon’ ny maso, ary nify solon’ ny nify.
Komail rongadar, me a lokido: Por en mas en depukki por en mas; o ngi pot en depukki ngi pot.
39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
A I indai ong komail, komail der palian me sued. A meamen pikir uk ni pali maun en likin sap om, pil ki ong i pali teio.
40 Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.
O meamen, me men wa uk ala ni kapung, pwen adia sang om sakit, en pil ki ong i om likau pup.
41 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.
O ma meamen ngidingid kin uk, en iang i mail eu, koe en iang mail riau.
42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodìna izay te hisambotra aminao.
Kisakisai ong me kin ngidingid re om, o koe der saupei sang me poekipoeki re om!
43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao.
Komail rongadar, me a lokidor: Koe en pok ong men imp om ap kailongki om imwintiti!
44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’ izay manenjika anareo,
A I indai ong komail, pok ong omail imwintiti kan. o kapakap kin irail, me paki komail;
45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina.
Pwe komail en sapwilim en Sam omail, me kotikot nanlang. Pwe a kin kapwareda sapwilim a katipin pon me sued o me mau kan, o kotin kamoredi katau pon me pung o me sapung kan.
46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?
Pwe ma komail pok ong, me kin pok ong komail, da me pan kating pa’mail? Saunopwei sota kin wia due met?
47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?
O ma komail ranamau ong ri omail akan, da me komail sikiki sang me tei kan? Men liki kan sota kin wia due met?
48 Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ ny Rainareo Izay any an-danitra.
Komail ari en unsokela dueta Sam omail, me kotikot nanlang, a unsok.

< Matio 5 >