< Matio 3 >

1 Ary tamin’ izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr’ i Jodia nanao hoe:
Siku hizo Yohane Mbatizaji alitokea, akaanza kuhubiri katika jangwa la Yudea:
2 Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
“Tubuni, maana Ufalme wa mbinguni umekaribia.”
3 Fa izy no ilay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
Huyu Yohane ndiye yule ambaye nabii Isaya alinena juu yake aliposema: “Sauti ya mtu imesikika jangwani: Mtayarishieni Bwana njia yake, nyoosheni vijia vyake.”
4 Ary ny fitafian’ izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
Yohane alivaa vazi lililoshonwa kwa manyoya ya ngamia, na ukanda wa ngozi kiunoni mwake. Chakula chake kilikuwa nzige na asali ya mwituni.
5 Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ ny tany rehetra amoron’ i i Jordana dia nivoaka nankany amin’ i Jaona,
Basi, watu kutoka Yerusalemu, kutoka mkoa wote wa Yudea na sehemu zote za kandokando ya mto Yordani, walimwendea,
6 ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
wakaziungama dhambi zao, naye akawabatiza katika mto Yordani.
7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
Lakini alipowaona Mafarisayo wengi na Masadukayo wanamjia ili awabatize, aliwaambia, “Enyi kizazi cha nyoka! Ni nani aliyewadokezea kwamba mnaweza kuiepuka ghadhabu inayokuja?
8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;
Onyesheni basi kwa matendo, kwamba mmetubu kweli.
9 ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.
Msidhani kwamba mtaweza kujitetea kwa kusema, Baba yetu ni Abrahamu! Nawaambieni hakika, Mungu anaweza kuyafanya mawe haya yawe watoto wa Abrahamu.
10 Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
Basi, shoka liko tayari kuikata mizizi ya miti; hivyo, kila mti usiozaa matunda mazuri, utakatwa na kutupwa motoni.
11 Izaho dia manao batisa anareo amin’ ny rano ho amin’ ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;
Mimi ninawabatizeni kwa maji kuonyesha kwamba mmetubu. Lakini yule anayekuja baada yangu ana uwezo kuliko mimi. Mimi sistahili hata kubeba viatu vyake. Yeye atawabatizeni kwa Roho Mtakatifu na kwa moto.
12 eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy mety maty.
Yeye anashika mkononi chombo cha kupuria nafaka, ili aipure nafaka yake; akusanye ngano ghalani, na makapi ayachome kwa moto usiozimika.”
13 Ary tamin’ izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’ i Jordana, dia nanatona an’ i Jaona Izy mba hataony batisa.
Wakati huo Yesu alitoka Galilaya akafika katika mto Yordani, akamwendea Yohane ili abatizwe naye.
14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?
Lakini Yohane alijaribu kumzuia akisema, “Je, wewe unakuja kwangu? Mimi hasa ndiye ninayehitaji kubatizwa nawe.”
15 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
Lakini Yesu akamjibu, “Acha tu iwe hivyo kwa sasa, maana kwa namna hii inafaa tuyatekeleze yale yote Mungu anayotaka.” Hapo Yohane akakubali.
16 Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ ny rano niaraka tamin’ izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’ Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
Mara tu Yesu alipokwisha batizwa, alitoka majini; na ghafla mbingu zikafunguka, akaona Roho wa Mungu akishuka kama njiwa na kutua juu yake.
17 Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
Sauti kutoka mbinguni ikasema, “Huyu ndiye Mwanangu mpendwa, nimependezwa naye.”

< Matio 3 >