< Matio 28 >

1 Ary tamin’ ny alin’ ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.
A gdy skończył się szabat i świtało pierwszego [dnia] tygodnia, Maria Magdalena i druga Maria przyszły obejrzeć grób.
2 Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
A oto powstało wielkie trzęsienie ziemi. Anioł Pana bowiem, zstąpiwszy z nieba, podszedł, odwalił kamień od wejścia i usiadł na nim.
3 Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;
Jego oblicze było jak błyskawica, a jego szaty białe jak śnieg.
4 ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.
A strażnicy drżeli ze strachu i stali się jak umarli.
5 Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.
Anioł zaś powiedział do kobiet: Wy się nie bójcie! Wiem bowiem, że szukacie ukrzyżowanego Jezusa.
6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ ny Tompo.
Nie ma go tu. Powstał bowiem, jak powiedział. Chodźcie, zobaczcie miejsce, gdzie leżał Pan.
7 Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
Idźcie szybko i powiedzcie jego uczniom, że zmartwychwstał i oto udaje się do Galilei przed wami. Tam go ujrzycie. Oto wam powiedziałem.
8 Dia niala faingana tamin’ ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin’ ny mpianatra.
Odeszły więc szybko od grobu z bojaźnią i z wielką radością i pobiegły przekazać to jego uczniom.
9 Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.
Kiedy szły przekazać to jego uczniom, nagle Jezus wyszedł im na spotkanie i powiedział: Witajcie! A one podeszły, objęły go za nogi i oddały mu pokłon.
10 Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.
Wtedy Jezus powiedział do nich: Nie bójcie się! Idźcie, powiedzcie moim braciom, aby poszli do Galilei. Tam mnie ujrzą.
11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin’ ny lohan’ ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.
A gdy one poszły, niektórzy ze straży przyszli do miasta i oznajmili naczelnym kapłanom wszystko, co się stało.
12 Ary rehefa niangona izy mbamin’ ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila
Ci zaś zebrali się ze starszymi i naradziwszy się, dali żołnierzom sporo pieniędzy;
13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay;
I powiedzieli: Mówcie, że jego uczniowie przyszli w nocy i wykradli go, gdy spaliście.
14 ary raha misy milaza izany amin’ ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.
A gdyby to doszło do namiestnika, my go przekonamy, a wam zapewnimy bezpieczeństwo.
15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin’ ny Jiosy mandraka androany.
Wzięli więc pieniądze i zrobili, jak ich pouczono. I rozniosła się ta wieść wśród Żydów, i trwa aż do dziś.
16 Ary ny mpianatra iraika ambin’ ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ ilay tendrombohitra nasain’ i Jesosy halehany.
Potem jedenastu uczniów poszło do Galilei na górę, na którą Jezus im polecił.
17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.
A gdy go ujrzeli, oddali mu pokłon. Niektórzy jednak wątpili.
18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
Wtedy Jezus podszedł i powiedział do nich: Dana mi jest wszelka władza na niebie i na ziemi.
19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masìna
Idźcie więc i nauczajcie wszystkie narody, chrzcząc je w imię Ojca i Syna, i Ducha Świętego;
20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao. (aiōn g165)
Ucząc je przestrzegać wszystkiego, co wam przykazałem. A oto ja jestem z wami przez wszystkie dni aż do końca świata. Amen. (aiōn g165)

< Matio 28 >