< Matio 23 >

1 Ary tamin’ izany Jesosy dia niteny tamin’ ny vahoaka sy tamin’ ny mpianany ka nanao hoe:
それからイエスは群衆と弟子たちに語って
2 Eo amin’ ny fipetrahan’ i Mosesy no ipetrahan’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;
言った,「律法学者たちとファリサイ人たちはモーセの座に着いている。
3 koa amin’ izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
だから,彼らがあなた方に守るよう教えることはみな守り行ないなさい。だが,彼らの業には見倣ってはいけない。彼らは言いはするが,行なわないからだ。
4 Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ ny rantsan-tànany anankiray asa.
担いきれないほどの重荷を束ねて人々の肩に載せるが,自分では彼らを助けるために指一本も持ち上げようともしない。
5 Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ ny olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
自分たちの業すべてを,単に人に見せようとして行なっているのだ。自分たちの聖句入れを広くし,自分たちの衣の房べりを大きくする。
6 Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ ny synagoga
彼らが好むのは,祝宴での上座や会堂での上席,
7 sy ny hoharabain’ ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ ny olona hoe: Raby ô!
市場でのあいさつや人々に『ラビ,ラビ』と呼ばれることなのだ。
8 Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
だが,あなた方は『ラビ』と呼ばれてはいけない。あなた方の教師はただ一人,キリストで,あなた方はみな兄弟だからだ。
9 Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
地上のだれをも自分たちの父と呼んではいけない。あなた方の父はただ一人,天におられる方だからだ。
10 Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.
また,師と呼ばれてはいけない。あなた方の師はただ一人,キリストだからだ。
11 Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
だが,あなた方の間で一番偉い者は,あなた方の召使いになるだろう。
12 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
だれでも自分を高くする者は低くされ,自分を低くする者は高められるだろう。
13 Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
「あなた方は災いだ,律法学者たちとファリサイ人たち,偽善者たちよ! あなた方はやもめたちの家々を食い物にし,見せかけのために長い祈りをするからだ。だから,あなた方は最も厳しい裁きを受けるだろう。
14 (Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)
「だが,あなた方は災いだ,律法学者たちとファリサイ人たち,偽善者たちよ! あなた方は人々の前で天の王国を閉ざすからだ。自分たちが入らないばかりか,入ろうとする者たちにも入らせないのだ。
15 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza. (Geenna g1067)
あなた方は災いだ,律法学者たちとファリサイ人たち,偽善者たちよ! あなた方は一人の改宗者を作るために海と陸を巡り歩き,それができると,自分に倍するほどのゲヘナの子とするからだ。 (Geenna g1067)
16 Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny volamena amin’ ny tempoly, dia haningo-tena izy.
「あなた方は災いだ,盲目の案内人たち,『だれでも神殿にかけて誓うなら,それは無意味だが,神殿の金にかけて誓うなら,その者には果たす義務がある』と言う者よ。
17 Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
盲目の愚か者たちよ! 金と,その金を聖別する神殿とでは,どちらが偉大なのか。
18 Ary koa: Raha misy mianiana amin’ ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.
また,『だれでも祭壇にかけて誓うなら,それは無意味だが,その上にある供え物にかけて誓うなら,その者には果たす義務がある』とも言う。
19 Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
盲目の愚か者たちよ! 供え物と,その供え物を聖別する祭壇とでは,どちらが偉大なのか。
20 Koa amin’ izany, izay mianiana amin’ ny alitara, dia mianiana aminy mbamin’ ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
だから,祭壇にかけて誓う者は,祭壇とその上にあるすべての物にかけて誓っているのだ。
21 Ary izay mianiana amin’ ny tempoly dia mianiana aminy mbamin’ izay mitoetra ao anatiny.
神殿にかけて誓う者は,神殿とそこに住んでおられる方にかけて誓っているのだ。
22 Ary izay mianiana amin’ ny lanitra dia mianiana amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra mbamin’ izay mipetraka eo amboniny.
天にかけて誓う者は,神のみ座とその上に座っておられる方にかけて誓っているのだ。
23 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
「あなた方は災いだ,律法学者たちとファリサイ人たち,偽善者たちよ! あなた方はハッカ,イノンド,クミンの十分の一税は納めていながら,律法のもっと重要な事柄,すなわち公正とあわれみと忠実をなおざりにしている。
24 Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
盲目の案内人よ,ブヨはこして除きながら,ラクダをのみ込む者たちよ!
25 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
「あなた方は災いだ,律法学者たちとファリサイ人たち,偽善者たちよ! あなた方は杯と皿の外側は清めるが,内側は強奪と不義で満ちているからだ。
26 Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin’ ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
盲目のファリサイ人よ,外側も清くするために,まず杯と皿の内側を清めなさい。
27 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ ny maty mbamin’ ny fahalotoana rehetra.
「あなた方は災いだ,律法学者たちとファリサイ人たち,偽善者たちよ! あなた方は白く塗った墓に似ているからだ。外側は美しく見えるが,内側は死んだ者たちの骨とあらゆる汚れでいっぱいだ。
28 Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin’ ny eo ivelany dia miseho amin’ ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
このようにあなた方も,人には外側は義人のように見えるが,内側は偽善と不法でいっぱいだ。
29 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan’ ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan’ ny olona marina,
「あなた方は災いだ,律法学者たちとファリサイ人たち,偽善者たちよ! あなた方は預言者たちの墓を建て,義人たちの墓を飾り立てて,
30 ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin’ ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.
『我々が父祖たちの日々に生きていたなら,彼らと共に預言者たちの血にあずかる者にはならなかっただろうに』と言う。
31 Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak’ izay namono ny mpaminany.
こうしてあなた方は,預言者たちを殺した者たちの子供であることを自分で証明している。
32 Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran’ ny razanareo.
それなら,あなた方の父祖たちのますを満たしなさい。
33 Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ ny helo? (Geenna g1067)
蛇よ,マムシらの子孫よ,あなた方はどうしてゲヘナの裁きを逃れることができようか。 (Geenna g1067)
34 Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra, ―
それゆえ,見よ,わたしはあなた方に預言者たちと賢人たちと律法学者たちを遣わす。あなた方は,そのうちのある者たちを殺してはりつけにし,ある者たちを自分たちの会堂でむち打ち,町から町へと迫害するだろう。
35 mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara.
それは,義なるアベルの血から,あなた方が聖所と祭壇の間で殺したバラキアの子ザカリヤの血に至るまで,地上で流されたすべての義なる血があなた方の上にふりかかるためだ。
36 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.
本当にはっきりとあなた方に告げる。こうした事柄すべては,この世代の上にふりかかるだろう。
37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!
「エルサレム,エルサレム,預言者たちを殺し,自分のところに遣わされた者たちを石打ちにする者よ! めんどりがそのひなを翼の下に集めるように,わたしは幾たびあなたの子らを集めようとしたことか。だが,あなた方は応じなかった!
38 Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.
見よ,あなた方の家は荒れ果てたままに残される。
39 Fa lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.
あなた方に告げるが,あなた方は,『主の名において来る者は幸いだ!』と言うときまでは,今後決してわたしを見ることはないだろう」 。

< Matio 23 >