< Matio 22 >

1 Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:
Jésus, prenant la parole, leur parla de nouveau en paraboles, et il dit:
2 Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ ny zananilahy.
« Le royaume des cieux est semblable à un roi qui faisait les noces de son fils.
3 Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.
Il envoya ses serviteurs appeler ceux qui avaient été invités aux noces, et ils ne voulurent pas venir.
4 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’ ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ ny fampakaram-bady ianareo.
Il envoya encore d’autres serviteurs, en disant: Dites aux conviés: Voilà que j’ai préparé mon festin; on a tué mes bœufs et mes animaux engraissés; tout est prêt, venez aux noces.
5 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin’ ny sahany, ary ny anankiray ho any amin’ ny varony.
Mais ils n’en tinrent pas compte, et ils s’en allèrent, l’un à son champ, l’autre à son négoce;
6 Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.
et les autres se saisirent des serviteurs, et après les avoir injuriés, ils les tuèrent.
7 Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.
Le roi, l’ayant appris, entra en colère; il envoya ses armées, extermina ces meurtriers et brûla leur ville.
8 Dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.
Alors il dit à ses serviteurs: le festin des noces est prêt, mais les conviés n’en étaient pas dignes.
9 Koa mankanesa ianareo any amin’ ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin’ ny fampakaram-bady.
Allez donc dans les carrefours, et tous ceux que vous trouverez, invitez-les aux noces.
10 Dia nivoaka ho any amin’ ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.
Ces serviteurs, s’étant répandus par les chemins, rassemblèrent tous ceux qu’ils trouvèrent, bons ou mauvais; et la salle des noces fut remplie de convives.
11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady.
Le roi entra pour voir ceux qui étaient à table et ayant aperçu là un homme qui n’était pas revêtu d’une robe nuptiale,
12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady? Dia sina izy.
il lui dit: Mon ami, comment es-tu entré ici sans avoir une robe de noces? Et cet homme resta muet.
13 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin’ ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Alors le roi dit à ses serviteurs: Liez-lui les mains et les pieds, et jetez-le dans les ténèbres extérieures: c’est là qu’il y aura des pleurs et des grincements de dents.
14 Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.
Car il y a beaucoup d’appelés, mais peu d’élus. »
15 Ary tamin’ izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin’ ny teniny.
Alors les Pharisiens s’étant retirés, se concertèrent pour surprendre Jésus dans ses paroles.
16 Dia naniraka ny mpianany mbamin’ ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan’ olona.
Et ils lui envoyèrent quelques-uns de leurs disciples, avec des Hérodiens, lui dire: « Maître, nous savons que vous êtes vrai, et que vous enseignez la voie de Dieu dans la vérité, sans souci de personne; car vous ne regardez pas à l’apparence des hommes.
17 Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?
Dites-nous donc ce qu’il vous semble: Est-il permis, ou non, de payer le tribut à César? »
18 Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
Jésus, connaissant leur malice, leur dit: « Hypocrites, pourquoi me tentez-vous?
19 Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin’ ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.
Montrez-moi la monnaie du tribut. » Ils lui présentèrent un denier.
20 Ary hoy Jesosy taminy: An’ iza ity sary sy soratra ity?
Et Jésus leur dit: « De qui est cette image et cette inscription?
21 Hoy izy taminy: An’ i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.
— De César, » lui dirent-ils. Alors Jésus leur répondit: « Rendez donc à César ce qui est à César, et à Dieu ce qui est à Dieu. »
22 Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.
Cette réponse les remplit d’admiration, et, le quittant, ils s’en allèrent.
23 Tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, ka nanontany Azy hoe:
Le même jour, des Sadducéens, qui nient la résurrection, vinrent à lui et lui proposèrent cette question:
24 Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
« Maître, Moïse a dit: Si un homme meurt sans laisser d’enfant, que son frère épouse sa femme et suscite des enfants à son frère.
25 Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an’ ny rahalahiny ny vadiny;
Or, il y avait parmi nous sept frères; le premier prit une femme et mourut, et comme il n’avait pas d’enfant, il laissa sa femme à son frère.
26 ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ ny fahafito.
La même chose arriva au second, puis au troisième, jusqu’au septième.
27 Koa faran’ izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
Après eux tous, la femme aussi mourut.
28 Ary amin’ ny fitsanganan’ ny maty, ho vadin’ iza amin’ izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.
Au temps de la résurrection, duquel des sept frères sera-t-elle la femme? Car tous l’ont eue? »
29 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna na ny herin’ Andriamanitra.
Jésus leur répondit: « Vous êtes dans l’erreur, ne comprenant ni les Écritures, ni la puissance de Dieu.
30 Fa amin’ ny fitsanganan’ ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Car, à la résurrection, les hommes n’ont pas de femmes, ni les femmes de maris; mais ils sont comme les anges de Dieu dans le ciel.
31 Fa ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’ Andriamanitra taminareo manao hoe:
Quant à la résurrection des morts, n’avez-vous pas lu ce que Dieu vous a dit, en ces termes:
32 Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba? Andriamanitra tsy an’ ny maty, fa an’ ny velona.
Je suis le Dieu d’Abraham, le Dieu d’Isaac, et le Dieu de Jacob? Or Dieu n’est pas le Dieu des morts, mais des vivants. »
33 Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin’ ny fampianarany.
Et le peuple, en l’écoutant, était rempli d’admiration pour sa doctrine.
34 Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.
Les Pharisiens ayant appris que Jésus avait réduit au silence les Sadducéens, s’assemblèrent.
35 Ary ny anankiray tamin’ ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:
Et l’un d’eux, docteur de la loi, lui demanda pour le tenter:
36 Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ ny lalàna?
« Maître, quel est le plus grand commandement de la Loi? »
37 Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.
Jésus lui dit: « Tu aimeras le Seigneur ton Dieu de tout ton cœur, de toute ton âme et de tout ton esprit.
38 Izany no didy lehibe sady voalohany.
C’est là le plus grand et le premier commandement.
39 Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Le second lui est semblable: Tu aimeras ton prochain comme toi-même.
40 Izany didy roa izany no ihantonan’ ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
A ces deux commandements se rattachent toute la Loi, et les Prophètes. »
41 Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:
Les Pharisiens étant assemblés, Jésus leur fit cette question:
42 Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy? Zanak’ iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’ i Davida.
« Que vous semble du Christ? De qui est-il fils? » Ils lui répondirent: « De David. « —
43 Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin’ ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:
« Comment donc, leur dit-il, David inspiré d’en haut l’appelle-t-il Seigneur, en disant:
44 Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ ny tongotrao?
Le Seigneur a dit à mon Seigneur: Assieds-toi à ma droite, jusqu’à ce que je fasse de tes ennemis l’escabeau de tes pieds?
45 Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?
Si donc David l’appelle Seigneur, comment est-il son fils? »
46 Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin’ izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
Nul ne pouvait rien lui répondre, et, depuis ce jour, personne n’osa plus l’interroger.

< Matio 22 >