< Matio 19 >

1 Ary rehefa vitan’ i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny an-dafin’ i Jordana, dia tonga tany amin’ ny sisin’ i Jodia.
Yesu alipomaliza kusema maneno hayo, alitoka Galilaya, akaenda katika mkoa wa Yudea, ng'ambo ya mto Yordani.
2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy, dia nahasitrana azy teo Izy.
Watu wengi walimfuata huko, naye akawaponya.
3 Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?
Mafarisayo kadhaa walimjia, wakamwuliza kwa kumtega, “Je, ni halali mume kumpa talaka mkewe kwa kisa chochote?”
4 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe:
Yesu akawajibu, “Je, hamkusoma katika Maandiko Matakatifu kwamba Mungu aliyemuumba mtu tangu mwanzo alimfanya mwanamume na mwanamke,
5 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa?
na akasema: Kwa sababu hiyo mwanamume atamwacha baba yake na mama yake, ataungana na mke wake, nao wawili watakuwa mwili mmoja?
6 ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’ izany, izay nampiraisin’ Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’ olona.
Kwa hiyo wao si wawili tena, bali mwili mmoja. Basi, alichounganisha Mungu, binadamu asikitenganishe.”
7 Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?
Lakini wao wakamwuliza, “Kwa nini basi, Mose alituagiza mwanamke apewe hati ya talaka na kuachwa?”
8 Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ ny fonareo no namelan’ i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin’ ny voalohany dia tsy mba toy izany.
Yesu akawajibu, “Mose aliwaruhusu kuwaacha wake zenu kwa sababu ya ugumu wa mioyo yenu.
9 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.
Lakini haikuwa hivyo tangu mwanzo. Basi nawaambieni, yeyote atakayemwacha mke wake isipokuwa kwa sababu ya uzinzi, akaoa mke mwingine, anazini.”
10 Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ ny vadiny, dia aleo tsy manambady.
Wanafunzi wake wakamwambia, “Ikiwa mambo ya mume na mkewe ni hivyo, ni afadhali kutooa kabisa.”
11 Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany;
Yesu akawaambia, “Si wote wanaoweza kulipokea fundisho hili, isipokuwa tu wale waliojaliwa na Mungu.
12 fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon’ ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan’ ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.
Maana kuna sababu kadhaa za kutoweza kuoa: wengine ni kwa sababu wamezaliwa hivyo, wengine kwa sababu wamefanywa hivyo na watu, na wengine wameamua kutooa kwa ajili ya Ufalme wa mbinguni. Awezaye kulipokea fundisho hili na alipokee.”
13 Ary tamin’ izany dia nisy zazakely nentina teo amin’ i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
Kisha watu wakamletea Yesu watoto wadogo ili awawekee mikono na kuwaombea. Lakini wanafunzi wakawakemea.
14 Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Yesu akasema, “Waacheni hao watoto waje kwangu, wala msiwazuie; maana Ufalme wa mbinguni ni wa watu walio kama watoto hawa.”
15 Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.
Basi, akawawekea mikono, kisha akaondoka mahali hapo.
16 Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay? (aiōnios g166)
Mtu mmoja alimjia Yesu, akamwuliza, “Mwalimu, nifanye kitu gani chema ili niupate uzima wa milele?” (aiōnios g166)
17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin’ izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin’ ny fiainana ianao, tandremo ny didy.
Yesu akamwambia, “Mbona unaniuliza kuhusu jambo jema? Kuna mmoja tu aliye mwema. Ukitaka kuingia katika uzima, shika amri.”
18 Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,
Yule mtu akamwuliza, “Amri zipi?” Yesu akasema, “Usiue, usizini, usiibe, usitoe ushahidi wa uongo,
19 Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
waheshimu baba yako na mama yako; na, mpende jirani yako kama unavyojipenda mwenyewe.”
20 Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?
Huyo kijana akamwambia, “Hayo yote nimeyazingatia tangu utoto wangu; sasa nifanye nini zaidi?”
21 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
Yesu akamwambia, “Kama unapenda kuwa mkamilifu, nenda ukauze mali yako uwape maskini hiyo fedha, nawe utakuwa na hazina mbinguni, kisha njoo unifuate.”
22 Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’ alahelo izy, satria nanana fananana be.
Huyo kijana aliposikia hayo, alienda zake akiwa mwenye huzuni, maana alikuwa na mali nyingi.
23 Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.
Hapo Yesu akawaambia wanafunzi wake, “Kweli nawaambieni, itakuwa vigumu sana kwa tajiri kuingia katika Ufalme wa mbinguni.
24 Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Tena nawaambieni, ni rahisi zaidi kwa ngamia kupita katika tundu la sindano, kuliko kwa tajiri kuingia katika Ufalme wa mbinguni.”
25 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena?
Wale wanafunzi waliposikia hivyo walishangaa, wakamwuliza, “Ni nani basi, awezaye kuokoka?”
26 Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain’ ny olona izany, fa hain’ Andriamanitra ny zavatra rehetra.
Yesu akawatazama, akasema, “Kwa binadamu jambo hili haliwezekani, lakini kwa Mungu mambo yote huwezekana.”
27 Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?
Kisha Petro akasema, “Na sisi je? Tumeacha yote tukakufuata; tutapata nini basi?”
28 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’ olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianana roa ambin’ ny folo ka hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo.
Yesu akawaambia, “Nawaambieni kweli, Mwana wa Mtu atakapoketi katika kiti cha enzi cha utukufu wake katika ulimwengu mpya, ninyi mlionifuata mtaketi katika viti kumi na viwili mkiyahukumu makabila kumi na mawili ya Israeli.
29 Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
Na kila aliyeacha nyumba, au ndugu, au dada, au baba, au mama, au watoto, au mashamba, kwa ajili yangu, atapokea mara mia zaidi, na kupata uzima wa milele. (aiōnios g166)
30 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
Lakini walio wa kwanza watakuwa wa mwisho, na walio wa mwisho watakuwa wa kwanza.

< Matio 19 >