< Matio 17 >

1 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’ i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.
六日後,イエスは自分のペトロとヤコブとその兄弟ヨハネを伴い,高い山に彼らだけを連れ上った。
2 Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.
彼は彼らの目の前で変ぼうさせられた。その顔は太陽のように輝き,その衣は光のように白くなった。
3 Ary, indreo, niseho tamin’ ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’ i Jesosy.
見よ,モーセとエリヤが彼らに現われて,イエスと語り合っていた。
4 Dia niteny Petera ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia.
ペトロが答えてイエスに言った,「主よ,わたしたちがここにいるのは良いことです。もしお望みなら,ここに幕屋を三つ作りましょう。一つはあなたのため,一つはモーセのため,一つはエリヤのためです」。
5 Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
彼がまだ話しているうちに,見よ,輝く雲が彼らを影で覆った。見よ,その雲から声がして,「これはわたしの愛する子,わたしの心にかなう者である。この者に聞き従いなさい」と言った。
6 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.
これを聞くと,弟子たちは顔を伏せて非常に恐れた。
7 Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.
イエスが近寄り,彼らに触って言った,「起き上がりなさい。恐れてはいけない」 。
8 Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.
彼らが目を上げると,イエスひとりのほかはだれも見えなかった。
9 Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin’ olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ ny Zanak’ olona amin’ ny maty.
彼らが山を下りて行く時,イエスは彼らに命じて言った,「人の子が死んだ者たちの中から生き返るまでは,目にしたことをだれにも告げてはいけない」 。
10 Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan’ ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?
弟子たちは彼に尋ねて言った,「それでは,なぜ律法学者たちは,まずエリヤが来なければならないと言うのですか」。
11 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.
イエスは彼らに言った,「確かにまずエリヤが来て,すべてのものを回復する。
12 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak’ olona.
だが,あなた方に告げる。エリヤはすでに来たのだ。そして人々は彼が分からず,したい放題のことを彼に対して行なったのだ。同じように,人の子も人々から苦しみを受けるだろう」 。
13 Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.
その時,弟子たちは,彼がバプテスマを施す人ヨハネについて自分たちに話したのだということを理解した。
14 Ary rehefa tonga teo amin’ ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an’ i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe:
彼が群衆のところに来ると,一人の人が彼のもとに近づき,彼の前にひざまずいて言った,
15 Tompoko, mamindrà fo amin’ ny zanako-lahy, fa mararin’ ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin’ ny afo, ary matetika ao amin’ ny rano.
「主よ,わたしの息子をあわれんでください。てんかんで,ひどく苦しんでいるからです。たびたび火の中に落ち,たびたび水の中に落ちるのです。
16 Ary nitondra azy tamin’ ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy.
そこで,この子をあなたの弟子たちのところに連れて来ましたが,彼らにはこの子をいやすことができませんでした」。
17 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.
イエスは彼らに言った,「信仰のないねじ曲がった世代よ! いつまでわたしはあなた方と一緒にいようか。いつまであなた方のことを我慢しようか。その子をわたしのところに連れて来なさい」 。
18 Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin’ izay ora izay.
イエスが彼をしかりつけると,悪霊は彼から出て行った。そして,少年はその時以来いやされた。
19 Dia nankao amin’ i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?
それから,弟子たちはひそかに彼のもとに来て,「なぜわたしたちはあの霊を追い出せなかったのでしょうか」と言った。
20 Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin’ io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.
彼は彼らに言った,「あなた方の不信仰のためだ。本当にはっきりとあなた方に告げるが,もしあなた方に一粒のからしの種ほどの信仰があるなら,この山に『ここからあそこに移れ』と言えば,それは移るだろう。そして,あなた方に不可能なことはないだろう。
だが,この種のものは,祈りと断食によらなければ,出て行くことはない」 。
22 Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe: Ny Zanak’ olona efa hatolotra ho eo an-tànan’ ny olona
彼らがガリラヤに滞在していた時,イエスは彼らに言った,「人の子は人々の手に引き渡されようとしている。
23 ka hovonoiny, nefa amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.
そして人々は彼を殺すだろう。そして三日目に彼は起こされるだろう」 。 彼らは深く悲しんだ。
24 Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin’ i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va?
彼らがカペルナウムに来た時,ディドラクマ硬貨を徴収する者たちがペトロのところに来て,「あなた方の教師はディドラクマを払わないのか」と言った。
25 Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan’ i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’ iza moa no andraisan’ ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ ny zanany va, sa avy amin’ ny olon-kafa?
彼は言った,「払います」。 彼が家の中に入ると,イエスは彼より先にこう言った。「シモン,あなたはどう思うか。地上の王たちは税や貢をだれから受けるのか。自分の子供たちからか,それともよその者たちからか」 。
26 Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin’ ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.
ペトロはイエスに言った,「よその者たちからです」。 イエスは彼に言った,「それなら,子供たちは税を免じられているのだ。
27 Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin’ ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
だが,わたしたちが彼らをつまずかせることがないように,海に行って,つり針を投げ,最初に釣れた魚を取りなさい。その口を開くと,一枚のスタテル硬貨を見つけるだろう。それを取って,わたしとあなたの分として彼らに与えなさい」 。

< Matio 17 >