< Matio 14 >

1 Tamin’ izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan’ i Jesosy,
Wakati huo, mtawala Herode alisikia sifa za Yesu.
2 ka hoy izy tamin’ ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin’ ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.
Basi, akawaambia watumishi wake, “Mtu huyu ni Yohane mbatizaji, amefufuka kutoka wafu; ndiyo maana nguvu za miujiza zinafanya kazi ndani yake.”
3 Fa Heroda efa nisambotra an’ i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin’ i Herodiasy, vadin’ i Filipo rahalahiny.
Herode ndiye aliyekuwa amemtia Yohane nguvuni, akamfunga minyororo na kumtia gerezani kwa sababu ya Herodia, mke wa Filipo, ndugu yake. Sababu hasa ni
4 Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy.
kwamba alikuwa amemwambia Herode, “Si halali kwako kuishi na huyo mwanamke!”
5 Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon’ ireo ho mpaminany Jaona.
Herode alitaka kumwua Yohane, lakini aliogopa watu kwa sababu kwao Yohane alikuwa nabii.
6 Fa nony tonga ny fitsingerenan’ ny taona nahaterahan’ i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin’ i Herodiasy ka nahafaly an’ i Heroda.
Katika sherehe za sikukuu ya kuzaliwa kwake Herode, binti ya Herodia alicheza mbele ya wageni. Herode alifurahiwa,
7 Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.
hata akaahidi kwa kiapo kumpa huyo msichana chochote atakachoomba.
8 Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan’ i Jaona Mpanao-batisa.
Naye, huku akichochewa na mama yake, akaomba, “Nipe papahapa katika sinia kichwa cha Yohane mbatizaji.”
9 Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.
Mfalme alihuzunika, lakini kwa sababu ya kile kiapo chake na kwa sababu ya wale wageni karamuni, akaamuru apewe.
10 Ary dia naniraka hanapaka ny lohan’ i Jaona tao an-tranomaizina izy.
Basi, Herode akatuma mtu gerezani amkate kichwa Yohane.
11 Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny.
Kichwa chake kikaletwa katika sinia, wakampa yule msichana, naye akampelekea mama yake.
12 Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin’ i Jesosy.
Wanafunzi wa Yohane wakaja, wakauchukua mwili wake, wakauzika. Kisha wakaenda kumpasha habari Yesu.
13 Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin’ ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.
Yesu alipopata habari hiyo, aliondoka mahali pale kwa mashua, akaenda mahali pa faragha peke yake. Lakini watu walipata habari, wakamfuata kwa miguu toka mijini.
14 Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
Basi, aliposhuka pwani, aliona umati mkubwa wa watu, akawaonea huruma, akawaponya wagonjwa wao.
15 Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin’ ny vohitra hividy hanina ho azy.
Kulipokuwa jioni, wanafunzi wake walimwendea wakamwambia, “Mahali hapa ni nyikani, na saa zimepita. Basi, uwaage watu ili waende vijijini wakajinunulie chakula.”
16 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.
Yesu akawaambia, “Si lazima waende, wapeni ninyi chakula.”
17 Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.
Lakini wao wakamwambia, “Tunayo mikate mitano tu na samaki wawili.”
18 Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.
Yesu akawaambia, “Nileteeni hapa.”
19 Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka.
Akawaamuru watu waketi katika nyasi. Kisha akaitwaa ile mikate mitano na wale samaki wawili, akatazama juu mbinguni, akamshukuru Mungu. Halafu akaimega hiyo mikate, akawapa wanafunzi wake, nao wakawapa watu.
20 Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin’ ny folo.
Watu wote wakala, wakashiba. Kisha wanafunzi wakakusanya mabaki, wakajaza vikapu kumi na viwili.
21 Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
Jumla ya waliokula ilikuwa wanaume wapatao elfu tano, bila kuhesabu wanawake na watoto.
22 Ary niaraka tamin’ izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.
Mara, Yesu akawaamuru wanafunzi wake wapande mashua, wamtangulie ng'ambo ya ziwa wakati yeye anawaaga watu.
23 Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.
Baada ya kuwaaga, alipanda mlimani peke yake kusali. Ilipokuwa jioni, yeye alikuwa huko peke yake,
24 Ary efa mby teo ampovoan’ ny ranomasina ny sambokely tamin’ izay, dia natopatopan’ ny alon-drano izy, fa notohain’ ny rivotra.
na wakati huo ile mashua ilikwishafika karibu katikati ya ziwa, lakini ilikuwa inakwenda mrama kwa sababu upepo ulikuwa unaipinga.
25 Ary tamin’ ny fiambenana fahefatra amin’ ny alina dia nankeny amin’ ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin’ ny ranomasina.
Usiku, karibu na mapambazuko, Yesu aliwaendea wanafunzi akitembea juu ya maji.
26 Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.
Wanafunzi wake walipomwona akitembea juu ya maji waliingiwa na hofu, wakasema, “Ni mzimu!” Wakapiga kelele kwa hofu.
27 Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’ izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.
Mara, Yesu akasema nao, “Tulieni, ni mimi. Msiogope!”
28 Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ ny rano aho.
Petro akamwambia, “Bwana, ikiwa ni wewe kweli, amuru nitembee juu ya maji nije kwako.”
29 Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin’ ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ ny rano hanatona an’ i Jesosy.
Yesu akasema, “Haya, njoo.” Basi, Petro akashuka kutoka ile mashua, akatembea juu ya maji, akamwendea Yesu.
30 Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!
Lakini alipouona ule upepo, aliogopa, akaanza kuzama; akalia kwa sauti, “Bwana, niokoe!”
31 Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’ izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?
Hapo, Yesu akaunyosha mkono wake, akamshika na kumwambia, “Ewe mwenye imani haba! Kwa nini uliona shaka?”
32 Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.
Basi, wakapanda mashuani, na upepo ukatulia.
33 Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak’ Andriamanitra tokoa Hianao.
Wote waliokuwa ndani ya mashua walimsujudia, wakasema, “Hakika wewe ni Mwana wa Mungu.”
34 Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.
Walivuka ziwa, wakafika nchi ya Genesareti.
35 Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin’ ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.
Watu wa huko walipomtambua, wakaeneza habari pote katika sehemu hizo. Basi, wakamletea Yesu wagonjwa wote,
36 Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.
wakamwomba awaruhusu waguse tu pindo la vazi lake; wote waliomgusa walipona.

< Matio 14 >