< Matio 1 >

1 Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama.
Родословието на Исуса Христа, син на Давида, син на Авраама.
2 Abrahama niteraka an’ i Isaka; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba; ary Jakoba niteraka an’ i Joda mirahalahy avy;
Авраам роди Исаак; Исаак роди Якова; Яков роди Юда и братята му;
3 ary Joda niteraka an’ i Fareza sy Zara tamin’ i Tamara; ary Fareza niteraka an’ i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;
Юда роди Фареса и Зара от Тамар; Фарес роди Есрона; Есрон роди Арама;
4 ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;
Арам роди Аминадава; Аминадав
5 ary Salmona niteraka an’ i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an’ i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
Салмон роди Вооза от Рахав; Вооз роди Овида от Рут; Овид роди Есея;
6 ary Jese niteraka an’ i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an’ i Solomona tamin’ ny vadin’ i Oria;
а Есей роди цар Давида; цар Давид роди Соломона от Уриевата жена;
7 ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an’ i Abia; ary Abia niteraka an’ i Asa;
Соломон роди Ровоама; Ровоам роди Авия; Авия роди Аса;
8 ary Asa niteraka an’ i Josafata; ary Josafata niteraka an’ i Jorama; ary Jorama niteraka an’ i Ozia;
Аса роди Йосафата; Йосафат роди Йорама; Йорам роди Озия;
9 ary Ozia niteraka an’ i Jotama; ary Jotama niteraka an’ i Ahaza; ary Ahaza niteraka an’ i Hezekia;
Озия роди Йотама; Йотам роди Ахаза; Ахаз роди Езекия;
10 ary Hezekia niteraka an’ i Manase; ary Manase niteraka an’ i Amona; ary Amona niteraka an’ i Josia;
Езекия роди Манасия; Манасия роди Амона; Амон роди Йосия;
11 ary Josia niteraka an’ i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ ny nifindrana tany Babylona.
а Йосия роди Ехония и братята му във времето на преселението във Вавилон.
12 Ary taorian’ ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an’ i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an’ i Zerobabela;
А след преселението във Вавилон, Ехония роди Салатиила; Салатиил роди Зоровавела;
13 ary Zerobabela niteraka an’ i Abihoda; ary Abihoda niteraka an’ i Eliakima; ary Eliakima niteraka an’ i Azora;
Зоровавел роди Авиуда; Авиуд роди Елиаким; Елиаким роди Азора;
14 ary Azora niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Akima; ary Akima niteraka an’ i Elihoda;
Азор роди Садока; Садок роди Ахима; Ахим роди Елиуда;
15 ary Elihoda niteraka an’ i Eleazara; ary Eleazara niteraka an’ i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;
Елиуд роди Елеазара; Елеазар роди Матана; Матан роди Якова;
16 ary Jakoba niteraka an’ i Josefa, vadin’ i Maria; ary Maria niteraka an’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
а Яков роди Йосифа, мъжа на Мария, от която се роди Исус, Който се нарича Христос(Помазаник или Месия.)
17 Ary ny taranaka rehetra hatramin’ i Abrahama ka hatramin’ i Davida dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ i Davida ka hatramin’ ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ ny nifindrana tany Babylona ka hatramin’ i Kristy dia taranaka efatra ambin’ ny folo.
И така, всичките родове от Авраама до Давида са четиринадесет; от Давида до преселението във Вавилон, четиринадесет рода; и от преселението във Вавилон до Христа, четиринадесет рода.
18 Ary ny nahaterahan’ i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin’ i Jesosy, ho fofombadin’ i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ ny Fanahy Masìna izy.
А рождението на Исуса Христа(Помазаника) беше така: след като бе сгодена майка Му Мария за Йосифа, преди да бяха се съединили тя се намери непразна от Святия Дух.
19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
А мъжът й Йосиф, понеже беше праведен, а пък не искаше да я изложи, намисли да я напусне тайно.
20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy tamin’ ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’ i Davida, aza matahotra hampakatra an’ i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ ny Fanahy Masìna,
Но, когато мислеше това, ето, ангел от Господа му се яви насъне и каза: Йосифе, сине Давидов, не бой се да вземеш жена си Мария; защото зачнатото в нея е от Святия Дух.
21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany.
Тя ще роди син, и ще Му наречеш името Исус(Спасител); защото Той ще спаси людете Си от греховете им.
22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ ny Tompo ny mpaminany hoe:
А всичко това стана за да се сбъдне реченото от Господа чрез пророка, който казва:
23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
“Ето девицата ще зачне и ще роди син; и ще му нарекат името Емануил” (което значи, Бог с нас).
24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian’ ny anjelin’ ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
И тъй, Йосиф, като стана от сън, стори както му заповяда ангелът от Господа и взе жена си;
25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.
но не я познаваше докато тя роди [първородния си] син; и нарече Му името Исус.

< Matio 1 >