< Marka 5 >

1 Ary tonga teny am-pitan’ ny ranomasina tao amin’ ny tanin’ ny Gerasena izy ireo.
かくて海の彼方なるゲラセネ人の地に到る。
2 Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin’ izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin’ ny fasana ka nifanena taminy,
イエスの舟より上り給ふとき、穢れし靈に憑かれたる人、墓より出でて直ちに遇ふ。
3 fa nitoetra tao amin’ ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ ny gadra aza.
この人、墓を住處とす、鏈にてすら今は誰も繋ぎ得ず。
4 Fa efa nafatony matetika tanin’ ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin’ ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin’ ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
彼はしばしば足械と鏈とにて繋がれたれど、鏈をちぎり、足械をくだきたり、誰も之を制する力なかりしなり。
5 Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ ny vato.
夜も晝も、絶えず墓あるひは山にて叫び、己が身を石にて傷つけゐたり。
6 Fa nony nahita an’ i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany
かれ遙にイエスを見て、走りきたり、御前に平伏し、
7 sady niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin’ Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,
大聲に叫びて言ふ『いと高き神の子イエスよ、我は汝と何の關係あらん、神によりて願ふ、我を苦しめ給ふな』
8 satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin’ ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.
これはイエス『穢れし靈よ、この人より出で往け』と言ひ給ひしに因るなり。
9 Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.
イエスまた『なんぢの名は何か』と問ひ給へば『わが名はレギオン、我ら多きが故なり』と答へ、
10 Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’ izany tany izany.
また己らを此の地の外に逐ひやり給はざらんことを切に求む。
11 Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin’ ny tendrombohitra.
彼處の山邊に豚の大なる群、食しゐたり。
12 Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin’ ny kisoa mba hiditra any aminy.
惡鬼どもイエスに求めて言ふ『われらを遣して豚に入らしめ給へ』
13 Dia neken’ i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin’ ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin’ ny hantsana ho any amin’ ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin’ ny ranomasina izy.
イエス許したまふ。穢れし靈いでて、豚に入りたれば、二千 匹ばかりの群、海に向ひて崖を駈けくだり、海に溺れたり。
14 Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;
飼ふ者ども逃げ往きて、町にも里にも告げたれば、人々 何事の起りしかを見んとて出づ。
15 ary tonga tany amin’ i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.
かくてイエスに來り、惡鬼に憑かれたりし者、即ちレギオンをもちたりし者の、衣服をつけ、慥なる心にて坐しをるを見て、懼れあへり。
16 Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin’ ny olona izay natao tamin’ ilay demoniaka sy ny amin’ ny kisoa.
かの惡鬼に憑かれたる者の上にありし事と、豚の事とを見し者ども、之を具に告げたれば、
17 Ary nifona tamin’ i Jesosy izy mba hiala amin’ ny taniny.
人々イエスにその境を去り給はん事を求む。
18 Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.
イエス舟に乘らんとし給ふとき、惡鬼に憑かれたりしもの偕に在らん事を願ひたれど、
19 Nefa tsy navelan’ i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.
許さずして言ひ給ふ『なんぢの家に、親しき者に歸りて、主がいかに大なる事を汝に爲し、いかに汝を憫み給ひしかを告げよ』
20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon’ i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
彼ゆきて、イエスの如何に大なる事を己になし給ひしかを、デカポリスに言ひ弘めたれば、人々みな怪しめり。
21 Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy.
イエス舟にて復かなたに渡り給ひしに、大なる群衆みもとに集る、イエス海邊に在せり。
22 Dia avy ny anankiray tamin’ ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an’ i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony
會堂 司の一人、ヤイロという者きたり、イエスを見て、その足下に伏し、
23 ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona.
切に願ひて言ふ『わが稚なき娘、いまはの際なり、來りて手をおき給へ、さらば救はれて活くべし』
24 Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.
イエス彼と共にゆき給へば、大なる群衆したがひつつ御許に押迫る。
25 Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin’ ny folo taona
ここに十 二年 血漏を患ひたる女あり。
26 sady efa niaritra zavatra be tamin’ ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza;
多くの醫者に多く苦しめられ、有てる物をことごとく費したれど、何の效なく、反つて増々 惡しくなりたり。
27 koa rehefa nahare ny amin’ i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany.
イエスの事をききて、群衆にまじり、後に來りて、御衣にさはる、
28 Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.
『その衣にだに觸らば救はれん』と自ら謂へり。
29 Ary niaraka tamin’ izay dia ritra ny loharanon’ aretiny, ka tsaroany tao amin’ ny tenany fa sitrana izy.
かくて血の泉ただちに乾き、病のいえたるを身に覺えたり。
30 Ary niaraka tamin’ izay dia fantatr’ i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan’ ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?
イエス直ちに能力の己より出でたるを自ら知り、群衆の中にて、振反り言ひたまふ『誰が我の衣に觸りしぞ』
31 Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?
弟子たち言ふ『群衆の押迫るを見て、誰が我に觸りしぞと言ひ給ふか』
32 Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.
イエスこの事を爲しし者を見んとて見囘し給ふ。
33 Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.
女おそれ戰き、己が身になりし事を知り、來りて御前に平伏し、ありしままを告ぐ。
34 Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ ny aretinao.
イエス言ひ給ふ『娘よ、なんぢの信仰なんぢを救へり、安らかに往け、病いえて健かになれ』
35 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin’ ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?
かく語り給ふほどに、會堂 司の家より人々きたりて言ふ『なんぢの娘は早や死にたり、爭でなほ師を煩はすべき』
36 Fa tsy nahoan’ i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.
イエス其の告ぐる言を傍より聞きて、會堂 司に言ひたまふ『懼るな、ただ信ぜよ』
37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’ i Jakoba.
かくてペテロ、ヤコブその兄弟ヨハネの他は、ともに往く事を誰にも許し給はず。
38 Ary dia tonga tao an-tranon’ ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan’ i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.
彼ら會堂 司の家に來る。イエス多くの人の、甚く泣きつ叫びつする騷を見、
39 Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.
入りて言ひ給ふ『なんぞ騷ぎかつ泣くか、幼兒は死にたるにあらず、寐ねたるなり』
40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ izay olona teo aminy ka niditra tao amin’ izay nisy an-drazazavavy.
人々イエスを嘲笑ふ。イエス彼 等をみな外に出し、幼兒の父と母と己に伴へる者とを率きつれて、幼兒のをる處に入り、
41 Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.
幼兒の手を執りて『タリタ、クミ』と言ひたまふ。少女よ、我なんぢに言ふ、起きよ、との意なり。
42 Dia nitsangana niaraka tamin’ izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin’ ny folo taona izy. Ary niaraka tamin’ izay dia talanjona indrindra ny olona.
直ちに少女たちて歩む、その歳 十二なりければなり。彼ら直ちに甚く驚きおどろけり。
43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’ olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.
イエス此の事を誰にも知れぬやうにせよと、堅く彼らを戒め、また食物を娘に與ふることを命じ給ふ。

< Marka 5 >