< Marka 13 >

1 Ary nony niala teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!
As Jesus was leaving the temple, one of His disciples said to Him, “Teacher, look at the magnificent stones and buildings!”
2 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
“Do you see all these great buildings?” Jesus replied. “Not one stone here will be left on another; every one will be thrown down.”
3 Ary raha nipetraka teo amin’ ny tendrombohitra Oliva tandrifin’ ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:
While Jesus was sitting on the Mount of Olives opposite the temple, Peter, James, John, and Andrew asked Him privately,
4 Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?
“Tell us, when will these things happen? And what will be the sign that they are about to be fulfilled?”
5 Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
Jesus began by telling them, “See to it that no one deceives you.
6 Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.
Many will come in My name, claiming, ‘I am He,’ and will deceive many.
7 Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.
When you hear of wars and rumors of wars, do not be alarmed. These things must happen, but the end is still to come.
8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin’ ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan’ ny fahoriana.
Nation will rise against nation, and kingdom against kingdom. There will be earthquakes in various places, as well as famines. These are the beginning of birth pains.
9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin’ ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
So be on your guard. You will be delivered over to the councils and beaten in the synagogues. On My account you will stand before governors and kings as witnesses to them.
10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.
And the gospel must first be proclaimed to all the nations.
11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo’ amin’ izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masìna.
But when they arrest you and hand you over, do not worry beforehand what to say. Instead, speak whatever you are given at that time, for it will not be you speaking, but the Holy Spirit.
12 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.
Brother will betray brother to death, and a father his child. Children will rise against their parents and have them put to death.
13 Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
You will be hated by everyone because of My name, but the one who perseveres to the end will be saved.
14 Fa raha hitanareo mitsangana amin’ izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan’ ny fandravana (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.
So when you see the abomination of desolation standing where it should not be (let the reader understand), then let those who are in Judea flee to the mountains.
15 Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.
Let no one on the housetop go back inside to retrieve anything from his house.
16 Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
And let no one in the field return for his cloak.
17 Ary lozan’ ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’ izany andro izany!
How miserable those days will be for pregnant and nursing mothers!
18 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina izany.
Pray that this will not occur in the winter.
19 Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’ Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.
For those will be days of tribulation unmatched from the beginning of God’s creation until now, and never to be seen again.
20 Ary raha tsy nohafohezin’ ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
If the Lord had not cut short those days, nobody would be saved. But for the sake of the elect, whom He has chosen, He has cut them short.
21 Ary amin’ izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ; aza mino ianareo.
At that time if anyone says to you, ‘Look, here is the Christ!’ or ‘There He is!’ do not believe it.
22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.
For false Christs and false prophets will appear and perform signs and wonders that would deceive even the elect, if that were possible.
23 Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.
So be on your guard; I have told you everything in advance.
24 Fa amin’ izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,
But in those days, after that tribulation: ‘The sun will be darkened, and the moon will not give its light;
25 ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ ny lanitra.
the stars will fall from the sky, and the powers of the heavens will be shaken.’
26 Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita avy eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra.
At that time they will see the Son of Man coming in the clouds with great power and glory.
27 Ary amin’ izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faran’ ny tany ka hatramin’ ny faran’ ny lanitra.
And He will send out the angels to gather His elect from the four winds, from the ends of the earth to the ends of heaven.
28 Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
Now learn this lesson from the fig tree: As soon as its branches become tender and sprout leaves, you know that summer is near.
29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy.
So also, when you see these things happening, know that He is near, right at the door.
30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
Truly I tell you, this generation will not pass away until all these things have happened.
31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Heaven and earth will pass away, but My words will never pass away.
32 Fa ny amin’ izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
No one knows about that day or hour, not even the angels in heaven, nor the Son, but only the Father.
33 Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ ny fotoana.
Be on your guard and stay alert! For you do not know when the appointed time will come.
34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;
It is like a man going on a journey who left his house, put each servant in charge of his own task, and instructed the doorkeeper to keep watch.
35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
Therefore keep watch, because you do not know when the master of the house will return—whether in the evening, at midnight, when the rooster crows, or in the morning.
36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.
Otherwise, he may arrive without notice and find you sleeping.
37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ ny olona rehetra
And what I say to you, I say to everyone: Keep watch!”

< Marka 13 >