< Marka 11 >

1 Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianany Jesosy
Walipokuwa wanakaribia Yerusalemu walifika Bethfage na Bethania, karibu na mlima wa Mizeituni. Hapo aliwatuma wawili wa wanafunzi wake,
2 ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin’ izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’ olona; vahao izy, ka ento etỳ.
akawaambia, “Nendeni katika kijiji kilicho mbele yenu. Mtakapokuwa mnaingia humo, mtakuta mwana punda amefungwa ambaye bado hajatumiwa na mtu. Mfungueni mkamlete.
3 Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy; dia havelany ho entina etỳ indray miaraka amin’ izay izy.
Kama mtu akiwauliza, Mbona mnafanya hivyo? Mwambieni, Bwana anamhitaji na atamrudisha hapa mara.”
4 Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan’ ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy.
Basi, wakaenda, wakamkuta mwana punda barabarani amefungwa mlangoni. Walipokuwa wakimfungua,
5 Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky?
baadhi ya watu waliokuwa wamesimama hapo wakawauliza “Kwa nini mnamfungua huyo mwana punda?”
6 Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain’ i Jesosy taminy, dia navelan’ ny olona handeha izy.
Wanafunzi wakajibu kama Yesu alivyokuwa amewaambia; nao wakawaacha waende zao.
7 Ary nentiny teo amin’ i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy.
Wakampelekea Yesu huyo mwana punda. Wakatandika mavazi yao juu ya huyo mwana punda, na Yesu akaketi juu yake.
8 Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha.
Watu wengi wakatandaza mavazi yao barabarani; wengine wakatandaza matawi ya miti waliyoyakata mashambani.
9 Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah!
Watu wote waliotangulia na wale waliofuata wakapaaza sauti zao wakisema, “Hosana! Abarikiwe huyo ajaye kwa jina la Bwana!
10 Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an’ i Davida raintsika! Hosana any amin’ ny avo indrindra.
Ubarikiwe Ufalme ujao wa baba yetu Daudi. Hosana juu mbinguni!”
11 Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan’ ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin’ izay, dia niala Izy mbamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy ka nankany Betania.
Yesu aliingia mjini Yerusalemu akaenda moja kwa moja mpaka Hekaluni, akatazama kila kitu kwa makini. Lakini kwa vile ilikwisha kuwa jioni, akaenda Bethania pamoja na wale kumi na wawili.
12 Ary nony ampitson’ iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy.
Kesho yake, walipokuwa wanatoka Bethania, Yesu aliona njaa.
13 Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan’ ny aviavy.
Basi, akaona kwa mbali mtini wenye majani mengi. Akauendea ili aone kama ulikuwa na tunda lolote. Alipoufikia, aliukuta bila tunda lolote ila majani matupu, kwa vile hayakuwa majira ya mtini kuzaa matunda.
14 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany. (aiōn g165)
Hapo akauambia mtini, “Tangu leo hata milele mtu yeyote asile matunda kwako.” Nao wanafunzi wake walisikia maneno hayo. (aiōn g165)
15 Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan’ ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala;
Basi, wakafika Yerusalemu. Yesu akaingia Hekaluni, akaanza kuwafukuza nje watu waliokuwa wanauza na kununua vitu humo ndani. Akazipindua meza za wale waliokuwa wakibadilishana fedha na viti vya wale waliokuwa wakiuza njiwa.
16 ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan’ ny tempoly.
Hakumruhusu mtu yeyote kupitia Hekaluni akichukua kitu.
17 Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra?; fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.
Kisha akawafundisha, “Imeandikwa: Nyumba yangu itaitwa nyumba ya sala kwa ajili ya mataifa yote! Lakini ninyi mmeifanya kuwa pango la wanyang'anyi!”
18 Ary nahare izany ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.
Makuhani wakuu na walimu wa Sheria waliposikia hayo, walianza kutafuta njia ya kumwangamiza. Lakini walimwogopa kwa sababu umati wa watu ulishangazwa na mafundisho yake.
19 Ary isan-kariva dia niala tao an-tanàna Izy.
Ilipokuwa jioni, Yesu na wanafunzi wake waliondoka mjini.
20 Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ ny fakany ilay aviavy.
Asubuhi na mapema, walipokuwa wanapita, waliuona ule mtini umenyauka wote, hata mizizi.
21 Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.
Petro aliukumbuka, akamwambia Yesu, “Mwalimu, tazama! Ule mtini ulioulaani, umenyauka!”
22 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’ Andriamanitra.
Yesu akawaambia, “Mwaminini Mungu.
23 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.
Nawaambieni kweli, mtu akiuambia mlima huu: Ng'oka ukajitose baharini bila kuona shaka moyoni mwake, ila akaamini kwamba mambo yote anayosema yanafanyika, atafanyiwa jambo hilo.
24 Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
Kwa hiyo nawaambieni, mnaposali na kuomba kitu, aminini kwamba mmekipokea, nanyi mtapewa.
25 Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
Mnaposimama kusali, sameheni kila mtu aliyewakosea chochote, ili Baba yenu aliye mbinguni awasamehe ninyi makosa yenu.
Lakini msipowasamehe wengine, hata Baba yenu aliye mbinguni hatawasamehe ninyi makosa yenu.”
27 Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
Basi, wakafika tena Yerusalemu. Yesu alipokuwa akitembea Hekaluni, makuhani wakuu, walimu wa Sheria na wazee walimwendea,
28 ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?
wakamwuliza, “Unafanya mambo haya kwa mamlaka gani? Nani aliyekupa mamlaka ya kufanya mambo haya?”
29 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hanontany anareo zavatra iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao:
Lakini Yesu akawaambia, “Nitawaulizeni swali moja; mkinijibu, na pia nitawaambieni ni kwa mamlaka gani ninafanya mambo haya.
30 Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona? Valio Aho.
Je, mamlaka ya Yohane ya kubatiza yalitoka mbinguni ama kwa watu? Nijibuni.”
31 Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?
Wakaanza kujadiliana, “Tukisema, Yalitoka mbinguni, atatuuliza, Basi, mbona hamkumsadiki?
32 Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken’ ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.
Na tukisema, Yalitoka kwa watu...” (Waliogopa umati wa watu maana wote waliamini kwamba Yohane alikuwa kweli nabii.)
33 Dia namaly an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
Basi, wakamjibu Yesu, “Sisi hatujui.” Naye Yesu akawaambia, “Nami pia sitawaambieni ninafanya mambo haya kwa mamlaka gani.”

< Marka 11 >