< Malakia 1 >

1 Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah nampitondrainy an’ i Malakia ho amin’ ny Isiraely.
Бреме речи Господње Израиљу преко Малахије.
2 Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin’ i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
Љубим вас, вели Господ; а ви говорите: У чему нас љубиш? Не беше ли Исав брат Јакову? Говори Господ; али Јакова љубих.
3 fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an’ ny amboadia any an-efitra.
А на Исава мрзих; зато горе његове опустех и наследство његово дадох змајевима из пустиње.
4 Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin’ ny faharatsiana, dia firenena tezeran’ i Jehovah mandrakizay, ireo.
Што Едом говори: Осиромашисмо, али ћемо се повратити и саградити пуста места, овако вели Господ над војскама: нека они граде, али ћу ја разградити, и они ће се звати: крајина безаконичка и народ на који се гневи Господ довека.
5 Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin’ ny Isiraely.
И очи ће ваше видети и ви ћете рећи: Велик је Господ на међама Израиљевим.
6 Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako, nefa manao hoe: Amin’ inona no anamavoanay ny anaranao?
Син поштује оца и слуга господара свог; ако сам ја Отац, где је част моја? И ако сам Господар, где је страх мој? Вели Господ над војскама вама, свештеници, који презирете име моје, и говорите: У чем презиремо име Твоје?
7 Amin’ ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin’ inona no andotoanay Anao? Amin’ ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr’ i Jehovah dia fanazimbazimba.
Доносите на мој олтар хлеб оскврњен, и говорите: Чим Те оскврнисмо? Тим што говорите: Сто је Господњи за презирање.
8 Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an’ ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon’ ny maro.
И кад доносите слепо на жртву, није ли зло? И кад доносите хромо или болесно, није ли зло? Однеси га старешини свом, хоћеш ли му угодити и хоће ли погледати на те? Вели Господ над војскама.
9 Koa masìna ianareo, andeha mifona amin’ Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Зато, молите се Богу да се смилује на нас; кад је то из ваших руку, хоће ли на кога од вас гледати? Говори Господ над војскама.
10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin’ ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Ко је међу вама који би затворио врата или запалио огањ на мом олтару низашта? Нисте ми мили, вели Господ над војскама, и нећу примити дар из ваше руке.
11 Fa hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ ny jentilisa, ary any amin’ ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an’ ny anarako; fa lehibe any amin’ ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Јер од истока сунчаног до запада велико ће бити име моје међу народима, и на сваком ће се месту приносити кад имену мом и чист дар; јер ће име моје бити велико међу народима, вели Господ над војскама.
12 Fa ianareo kosa manamavo izany amin’ ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’ i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona.
А ви Га скврните говорећи: Сто је Господњи нечист, и шта се поставља на њ, јело је за презирање.
13 Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ ny tenanareo va Aho? hoy Jehovah.
И говорите: Гле, колика мука! А могло би се одухнути, говори Господ над војскама; и доносите отето, и хромо и болесно доносите на дар; еда ли ћу примити из руке ваше? Говори Господ.
14 Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin’ ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ ny jentilisa.
Проклет да је варалица, који има у свом стаду мушко и заветује, па приноси Господу кварно; јер сам велик цар, вели Господ над војскама, и име је моје страшно међу народима.

< Malakia 1 >