< Lioka 3 >

1 Ary tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,
Or, en la quinzième année du règne de Tibère César, Ponce Pilate étant gouverneur de la Judée, et Hérode tétrarque de la Galilée, et Philippe son frère tétrarque de l’Iturée et de la contrée de Trachonite, et Lysanias tétrarque de l’Abilène,
2 ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe, ― dia tonga tamin’ i Jaona, zanak’ i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’ Andriamanitra.
sous la souveraine sacrificature d’Anne et de Caïphe, la parole de Dieu vint à Jean, le fils de Zacharie, au désert.
3 Ary nankany amin’ ny tany rehetra any amoron’ i Jordana izy nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka;
Et il alla dans tout le pays des environs du Jourdain, prêchant le baptême de repentance en rémission de péchés;
4 araka ny voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tenin’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
comme il est écrit au livre des paroles d’Ésaïe le prophète: « Voix de celui qui crie dans le désert: Préparez le chemin du Seigneur, faites droits ses sentiers.
5 Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;
Toute vallée sera comblée, et toute montagne et toute colline sera abaissée, et les choses tortues seront rendues droites, et les [sentiers] raboteux deviendront des sentiers unis;
6 Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitra.
et toute chair verra le salut de Dieu ».
7 Dia hoy izy tamin’ ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
Il disait donc aux foules qui sortaient pour être baptisées par lui: Race de vipères, qui vous a avertis de fuir la colère qui vient?
8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.
Produisez donc des fruits qui conviennent à la repentance; et ne vous mettez pas à dire en vous-mêmes: Nous avons Abraham pour père; car je vous dis que Dieu peut, de ces pierres, susciter des enfants à Abraham.
9 Ary, indro, efa mipetraka ao amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.
Et déjà même la cognée est mise à la racine des arbres; tout arbre donc qui ne produit pas de bon fruit, est coupé et jeté au feu.
10 Ary ny vahoaka nanontany an’ i Jaona hoe: inona ary no hataonay?
Et les foules l’interrogèrent, disant: Que faut-il donc que nous fassions?
11 Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
Et répondant, il leur dit: Que celui qui a deux tuniques en donne à celui qui n’en a point, et que celui qui a des vivres fasse de même.
12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
Et des publicains vinrent aussi pour être baptisés; et ils lui dirent: Maître, que faut-il que nous fassions?
13 Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
Et il leur dit: Ne percevez rien au-delà de ce qui vous est ordonné.
14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin’ olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin’ ny karamanareo.
Et des gens de guerre l’interrogèrent aussi, disant: Et nous, que faut-il que nous fassions? Et il leur dit: Ne commettez pas d’extorsions, ni n’accusez faussement personne, et contentez-vous de vos gages.
15 Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an’ i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,
– Et comme le peuple était dans l’attente, et que tous raisonnaient dans leurs cœurs à l’égard de Jean si lui ne serait point le Christ,
16 dia namaly Jaona ka nanao tamin’ izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin’ ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;
Jean répondait à tous, disant: Moi, je vous baptise avec de l’eau; mais il vient, celui qui est plus puissant que moi, duquel je ne suis pas digne de délier la courroie des sandales: lui vous baptisera de l’Esprit Saint et de feu.
17 eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin’ ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy azo vonoina.
Il a son van dans sa main, et il nettoiera entièrement son aire et assemblera le froment dans son grenier, mais il brûlera la balle au feu inextinguible.
18 Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin’ ny olona.
Et faisant aussi plusieurs autres exhortations, il évangélisait donc le peuple;
19 Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin’ i Jaona noho ny amin’ i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
mais Hérode le tétrarque, étant repris par lui au sujet d’Hérodias, la femme de son frère, et à cause de toutes les choses méchantes qu’Hérode avait faites,
20 dia nanidy an’ i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin’ izany rehetra izany koa.
ajouta encore à toutes les autres celle de mettre Jean en prison.
21 Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
Et il arriva que, comme tout le peuple était baptisé, Jésus aussi étant baptisé et priant, le ciel s’ouvrit;
22 ary ny Fanahy Masìna nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
et l’Esprit Saint descendit sur lui sous une forme corporelle, comme une colombe; et il y eut une voix qui venait du ciel: Tu es mon Fils bien-aimé; en toi j’ai trouvé mon plaisir.
23 Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak’ i Josefa, izay zanak’ i Hely,
Et Jésus lui-même commençait d’avoir environ 30 ans, étant, comme on l’estimait, fils de Joseph: d’Héli,
24 zanak’ i Matata, zanak’ i Levy, zanak’ i Melky, zanak’ i Janay, zanak’ i Josefa,
de Matthat, de Lévi, de Melchi, de Janna, de Joseph,
25 zanak’ i Matitia, zanak’ i Amosa, zanak’ i Nahoma, zanak’ i Esly, zanak’ i Nagay,
de Mattathie, d’Amos, de Nahum, d’Esli, de Naggé,
26 zanak’ i Mata, zanak’ i Matatia, zanak’ i Semey, zanak’ i Joseka, zanak’ i Joda,
de Maath, de Mattathie, de Séméi, de Joseph, de Juda,
27 zanak’ i Joanana, zanak’ i Resa, zanak’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, zanak’ i Nery,
de Johanna, de Rhésa, de Zorobabel, de Salathiel, de Néri,
28 zanak’ i Melky, zanak’ i Ady, zanak’ i Kosama, zanak’ i Elmadama, zanak’ i Era,
de Melchi, d’Addi, de Cosam, d’Elmodam, d’Er,
29 zanak’ i Jesosy, zanak’ i Eliezera, zanak’ i Joreima, zanak’ i Matata, zanak’ i Levy,
de José, d’Éliézer, de Jorim, de Matthat, de Lévi,
30 zanak’ i Simeona, zanak’ i Joda, zanak’ i Josefa, zanak’ i Jonama, zanak’ i Eliakima,
de Siméon, de Juda, de Joseph, de Jonan, d’Éliakim,
31 zanak’ i Melea, zanak’ i Mena, zanak’ i Matata, zanak’ i Natana, zanak’ i Davida,
de Méléa, de Maïnan, de Mattatha, de Nathan, de David,
32 zanak’ i Jese, zanak’ i Obeda, zanak’ i Boaza, zanak’ i Salmona, zanak’ i Nahasona,
de Jessé, d’Obed, de Booz, de Salmon, de Naasson,
33 zanak’ i Aminadaba, zanak’ i Arny, zanak’ i Hezrona, zanak’ i Fareza, zanak’ i Joda,
d’Aminadab, d’Aram, d’Esrom, de Pharès, de Juda,
34 zanak’ i Jakoba, zanak’ isaka, zanak’ i Abrahama, zanak’ i Tera, zanak’ i Nahora,
de Jacob, d’Isaac, d’Abraham, de Thara, de Nachor,
35 zanak’ i Seroga, zanak’ i Reo, zanak’ i Palega, zanak’ i Ebera, zanak’ i Sela,
de Seruch, de Ragaü, de Phalek, d’Éber, de Sala,
36 zanak’ i Kenana, zanak’ i Arpaksada, zanak’ i Sema, zanak’ i Noa, zanak’ i Lameka,
de Caïnan, d’Arphaxad, de Sem, de Noé, de Lamech,
37 zanak’ i Metosela, zanak’ i Enoka, zanak’ i Jareda, zanak’ i Mahalalila, zanak’ i Kenana,
de Mathusala, d’Énoch, de Jared, de Maléléel, de Caïnan,
38 zanak’ i Enosa, zanak’ i Seta, zanak’ i Adama, zanak’ Andriamanitra.
d’Énos, de Seth, d’Adam, de Dieu.

< Lioka 3 >