< Lioka 3 >

1 Ary tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,
Y mina quinse na año gui tiempo anae si Tiberio Sesat jagobietna, ya si Ponsio Pilato, güiya magalaje guiya Judea; ya si Herodes, güiya magalaje tetrarca guiya Galilea; ya y cheluña as Felipe, güiya magalaje tetrarca guiya Iturea yan y ya tanon Traconite; ya si Lisanias, güiya magalaje tetrarca guiya Abilinia;
2 ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe, ― dia tonga tamin’ i Jaona, zanak’ i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’ Andriamanitra.
Ya y dangculo na mamale si Annas yan si Caefas, este na tiempo, mato y sinangan Yuus gui as Juan, lajin Sacharias, gui jalomtano.
3 Ary nankany amin’ ny tany rehetra any amoron’ i Jordana izy nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka;
Ya güiya mato gui todo y tano gui oriyan Jordan, jasesetmon y managpang en sinetsot para y maasiin isao.
4 araka ny voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tenin’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
Taegüije esta matugue gui leblo ni y sinangan y profeta Isaias, na ilegña: Inagangña ni y umaagang gui jalomtano: Famauleg y chalan y Señot, y cayejonña natutunas.
5 Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;
Todo y finacañada umanafanbula, yan todo y tano boca yan y manloca na ogso umanafanagpapa; yan y manechong umanafanunas, yan y chalan farangca unamafanyano.
6 Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitra.
Ya todo y catne ulie y satbasion Yuus.
7 Dia hoy izy tamin’ ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
Enaomina ilegña ni y linajyan taotao na manmato para ufanmatagpange pot güiya: Rasan culebla, jaye jamyo fumanagüe na insuaye y binibo ni y mamamaela?
8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.
Chile tinegchanmiyo ni y magajet na sinetsot, ya chamiyo insigue di sumasangan nu jamyoja: Guaja tatanmame si Abraham; sa jusanganejamyo na siña, si Yuus güine gui acho janafangajulo y famaguon Abraham.
9 Ary, indro, efa mipetraka ao amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.
Ya pagoja y gachae gaegueja gui jale y trongcon jayo sija: todo y trongcon jayo na ti mauleg tinegchañija, umautut ya umayute gui guafe.
10 Ary ny vahoaka nanontany an’ i Jaona hoe: inona ary no hataonay?
Ya y linajyan taotao mafaesen güe ya ilegñija: Pues jafajam infatinas?
11 Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
Ya manope, ilegña nu sija: Y guaja dos magaguña, unae y taya iyoña: ya y guaja naña ufatinas taegüijija.
12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
Ya manmato locue y publicano sija para ufanmatatagpange, ya ilegñija: Maestro jafa infatinasjam?
13 Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
Ya ilegña nu sija: Chamiyo gumagagao mas ni y esta jamyo manmatago.
14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin’ olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin’ ny karamanareo.
Ya mafaesen güe locue nu y sendalo sija, ilegñija: Ya jame, jafajam infatinas? Ya mansinangane: Chamiyo mumatratrata ni jaye ni infanmanchiguit, ya magof jamyo nu y apasmiyo.
15 Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an’ i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,
Ya y taotao sija jananangga ya manmanjajajaso todo sija as Juan gui corasonñija, cao güiya si Jesucristo.
16 dia namaly Jaona ka nanao tamin’ izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin’ ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;
Manope si Juan ya ilegña nu todosija: Guajo magajet managpapange jamyo an janom; lao mamamaela uno na mas gaeninasiña qui guajo, ya ti siña yo manmerese na jupula y coreas y sapatosña: güiya managpapange an Espiritu Santo yan guafe.
17 eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin’ ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy azo vonoina.
Ya abanicuña gaegueja gui canaeña para unagasgas y guinecoña, ya janafandaña y trigo gui camalenña; lao usonggue y ngasan gui guafe ni ti siña upuno.
18 Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin’ ny olona.
Ya mamagat megae na sinangan ya japredica y taotao sija ni ibangelio.
19 Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin’ i Jaona noho ny amin’ i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
Lao si Herodes, ayo magalaje tetrarca, linalatde as Juan, pot si Herodias, asaguan y cheluña as Felipe, yan pot todo y tinaelaye sija ni jafatinas si Herodes,
20 dia nanidy an’ i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin’ izany rehetra izany koa.
Ya jafatinas este mas taelaye qui todo, ya maponggle si Juan gui catset.
21 Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
Ya susede, anae todo y taotao manmatagpange, si Jesus locue matagpange; ya anae manaetaegüe, mababa y langet;
22 ary ny Fanahy Masìna nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
Ya tumunog gui jiloña y Espiritu Santo na gaejechuraña calang paluma, ya mato un inagang guine y langet na ilegña: Jago y lajijo ni juguaeya; iyajago nae gaegue minagofjo.
23 Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak’ i Josefa, izay zanak’ i Hely,
Ya si Jesus namaesa anae jatutujon sumetnon, güiya treinta años, ya güiya lajin José (calang jinason taotao), nu y lajin Eli,
24 zanak’ i Matata, zanak’ i Levy, zanak’ i Melky, zanak’ i Janay, zanak’ i Josefa,
Nu y lajin Matat nu y lajin Levi, nu y lajin Metqui, nu y lajin Jané, nu y lajin José,
25 zanak’ i Matitia, zanak’ i Amosa, zanak’ i Nahoma, zanak’ i Esly, zanak’ i Nagay,
Nu y lajin Matatias nu y lajin Amos, nu y lajin Nalum, nu y lajin Eslí, nu y lajin Nagé,
26 zanak’ i Mata, zanak’ i Matatia, zanak’ i Semey, zanak’ i Joseka, zanak’ i Joda,
Nu y lajin Maat, nu y lajin Matatias, nu y lajin Simei, nu y lajin José, nu y lajin Juda,
27 zanak’ i Joanana, zanak’ i Resa, zanak’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, zanak’ i Nery,
Nu y lajin Joana, nu y lajin Resa, nu y lajin Sorobabel, nu y lajin Salatiel, nu y lajin Neri,
28 zanak’ i Melky, zanak’ i Ady, zanak’ i Kosama, zanak’ i Elmadama, zanak’ i Era,
Nu y lajin Metqui, nu y lajin Adí, nu y lajin Cosam, nu y lajin Elmodan, nu y lajin Er,
29 zanak’ i Jesosy, zanak’ i Eliezera, zanak’ i Joreima, zanak’ i Matata, zanak’ i Levy,
Nu y lajin Jesus, nu y lajin Elieser, nu y lajin Jorim, nu y lajin Mata, nu y lajin Levi,
30 zanak’ i Simeona, zanak’ i Joda, zanak’ i Josefa, zanak’ i Jonama, zanak’ i Eliakima,
Nu y lajin Simeon, nu y lajin Juda, nu y lajin José, nu y lajin Jonan, nu y lajin Eliaquim,
31 zanak’ i Melea, zanak’ i Mena, zanak’ i Matata, zanak’ i Natana, zanak’ i Davida,
Nu y lajin Melea, nu y lajin Mena, nu y lajin Matata, nu y lajin Natan, nu y lajin David,
32 zanak’ i Jese, zanak’ i Obeda, zanak’ i Boaza, zanak’ i Salmona, zanak’ i Nahasona,
Nu y lajin Jesse, nu y lajin Obed, nu y lajin Boos, nu y lajin Salmon, nu y lajin Naason,
33 zanak’ i Aminadaba, zanak’ i Arny, zanak’ i Hezrona, zanak’ i Fareza, zanak’ i Joda,
Nu y lajin Aminadab, nu y lajin Aram, nu y lajin Esrom, nu y lajin Fares, nu y lajin Juda,
34 zanak’ i Jakoba, zanak’ isaka, zanak’ i Abrahama, zanak’ i Tera, zanak’ i Nahora,
Nu y lajin Jacob, nu y lajin Ysaac, nu y lajin Abraham, nu y lajin Taré, nu y lajin Nacor,
35 zanak’ i Seroga, zanak’ i Reo, zanak’ i Palega, zanak’ i Ebera, zanak’ i Sela,
Nu y lajin Serug, nu y lajin Ragau, nu y lajin Peleg, nu y lajin Heber, nu y lajin Sela,
36 zanak’ i Kenana, zanak’ i Arpaksada, zanak’ i Sema, zanak’ i Noa, zanak’ i Lameka,
Nu y lajin Cainan, nu y lajin Arfaxat, nu y lajin Sem, nu y lajin Noe, nu y lajin Lameg,
37 zanak’ i Metosela, zanak’ i Enoka, zanak’ i Jareda, zanak’ i Mahalalila, zanak’ i Kenana,
Nu y lajin Matusalem, nu y lajin Enog, nu y lajin Jared, nu y lajin Mahalaleel, nu y lajin Cainan,
38 zanak’ i Enosa, zanak’ i Seta, zanak’ i Adama, zanak’ Andriamanitra.
Nu y lajin Enos, nu y lajin Set, nu y lajin Adam, nu y lajin Yuus.

< Lioka 3 >