< Lioka 24 >

1 Fa nony maraina koa tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia nankany amin’ ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
Jumapili, alfajiri na mapema, wale wanawake walikwenda kaburini wakichukua yale manukato waliyotayarisha.
2 Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ ny fasana.
Walikuta lile jiwe limeviringishwa mbali na kaburi.
3 Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’ i Jesosy Tompo.
Walipoingia ndani, hawakuona mwili wa Bwana Yesu.
4 Ary raha mbola very hevitra tamin’ izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.
Walipokuwa bado wanashangaa juu ya jambo hilo, mara watu wawili waliovaa mavazi yenye kung'aa sana, wakasimama karibu nao.
5 Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona?
Hao wanawake wakaingiwa na hofu, wakainama chini. Ndipo wale watu wakawaambia, “Kwa nini mnamtafuta aliye hai kati ya wafu?
6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
Hayuko hapa; amefufuka. Kumbukeni aliyowaambieni alipokuwa kule Galilaya:
7 Ny Zanak’ olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota ka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ ny andro fahatelo.
Ni lazima Mwana wa Mtu atolewe kwa watu waovu, nao watamsulubisha, na siku ya tatu atafufuka.”
8 Dia nahatsiaro ny teniny izy.
Hapo wanawake wakayakumbuka maneno yake,
9 Ary niverina niala tamin’ ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy sy ny namany rehetra.
wakarudi kutoka kaburini, wakawapa mitume wale kumi na mmoja na wengine habari za mambo hayo yote.
10 Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin’ i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman’ ireo koa dia nilaza izany tamin’ ny Apostoly.
Hao waliotoa habari hizo kwa mitume ni: Maria Magdalene, Yoana na Maria mama wa Yakobo, pamoja na wanawake wengine walioandamana nao.
11 Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.
Mitume waliyachukua maneno hayo kama yasiyo na msingi, hivyo hawakuamini.
12 Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin’ ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
Lakini Petro alitoka, akaenda mbio hadi kaburini. Alipoinama kuchungulia ndani, akaiona tu ile sanda. Akarudi nyumbani huku akiwa anashangaa juu ya hayo yaliyotokea.
13 Ary, indreo, nisy roa lahy tamin’ ireny nandeha tamin’ izany andro izany hankany amin’ ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema.
Siku hiyohiyo, wawili kati ya wafuasi wake Yesu wakawa wanakwenda katika kijiji kimoja kiitwacho Emau, umbali wa kilomita kumi na moja kutoka Yerusalemu.
14 Dia niresaka ny amin’ izay zavatra rehetra nanjo izy.
Wakawa wanazungumza juu ya hayo yote yaliyotukia.
15 Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
Walipokuwa wakizungumza na kujadiliana, Yesu mwenyewe akatokea, akatembea pamoja nao.
16 Nefa ny mason’ ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
Walimwona kwa macho, lakini hawakumtambua.
17 Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
Akawauliza, “Mnazungumza nini huku mnatembea?” Nao wakasimama kimya, nyuso zao wamezikunja kwa huzuni.
18 Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’ izao andro izao?
Mmoja, aitwaye Kleopa, akamjibu, “Je, wewe ni mgeni peke yako Yerusalemu ambaye hujui yaliyotukia huko siku hizi?”
19 Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ ny asa sy ny teny teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
Naye akawajibu, “Mambo gani?” Wao wakamjibu, “Mambo yaliyompata Yesu wa Nazareti. Yeye alikuwa nabii mwenye uwezo wa kutenda na kufundisha mbele ya Mungu na mbele ya watu wote.
20 dia ny amin’ ny nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ ny hazo fijaliana.
Makuhani na watawala wetu walimtoa ahukumiwe kufa, wakamsulubisha.
21 Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr’ izay nahatongavan’ izany.
Lakini sisi tulitumaini kwamba yeye ndiye angeikomboa Israeli. Zaidi ya hayo yote, leo ni siku ya tatu tangu mambo hayo yalipotendeka.
22 Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin’ ny fasana maraina koa izy,
Tena, wanawake wengine wa kwetu wametushtua. Walikwenda kaburini mapema asubuhi,
23 ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.
wasiukute mwili wake. Wakarudi wakasema kwamba walitokewa na malaika waliowaambia kwamba alikuwa hai.
24 Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin’ ny fasana, ary nahita araka izay nolazain’ ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
Wengine wetu walikwenda kaburini wakashuhudia yale waliyosema hao wanawake; ila yeye hawakumwona.”
25 Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ ny mpaminany.
Kisha Yesu akawaambia, “Mbona mu wapumbavu kiasi hicho na mioyo yenu ni mizito hivyo kusadiki yote yaliyonenwa na manabii?
26 Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ ny voninahiny?
Je, haikumpasa Kristo kuteswa, na hivyo aingie katika utukufu wake?”
27 Dia nanomboka hatramin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ ny Soratra Masìna rehetra.
Akawafafanulia mambo yote yaliyomhusu yeye katika Maandiko Matakatifu kuanzia Mose hadi manabii wote.
28 Ary efa mby teo akaikin’ ny vohitra izay efa halehan’ izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
Walipokikaribia kile kijiji walikokuwa wanakwenda, Yesu akafanya kana kwamba anaendelea na safari;
29 Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
lakini wao wakamsihi wakisema, “Kaa pamoja nasi, maana kunakuchwa, na usiku unakaribia.” Basi, akaingia kijijini, akakaa pamoja nao.
30 Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
Alipoketi kula chakula pamoja nao, akachukua mkate, akaubariki, akaumega, akawapa.
31 Dia nahiratra ny mason’ ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
Mara macho yao yakafumbuliwa, wakamtambua; lakini yeye akatoweka kati yao.
32 Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masìna tamintsika?
Basi, wakaambiana, “Je, mioyo yetu haikuwa inawaka ndani yetu wakati alipokuwa anatufafanulia Maandiko Matakatifu kule njiani?”
33 Dia niainga tamin’ izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ ny folo lahy mbamin’ izay nomba azy tafangona teo
Wakaondoka saa ileile, wakarudi Yerusalemu: wakawakuta wale mitume kumi na mmoja na wale wengine waliokuwa pamoja nao, wamekusanyika
34 sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’ i Simona.
wakisema, “Hakika Bwana amefufuka, amemtokea Simoni.”
35 Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin’ ny namakiana ny mofo.
Basi, hao wafuasi wawili wakawajulisha yale yaliyowapata njiani, na jinsi walivyomtambua katika kumega mkate.
36 Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
Wanafunzi wote wawili walipokuwa wakiwaambia hayo, Yesu mwenyewe akasimama kati yao, akawaambia “Amani kwenu.”
37 Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.
Wakashtuka na kushikwa na hofu wakidhani wameona mzimu.
38 Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
Lakini yeye akawaambia, “Kwa nini mnafadhaika? Mbona mnakuwa na mashaka mioyoni mwenu?
39 Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
Angalieni mikono na miguu yangu, ya kwamba ni mimi mwenyewe. Nipapaseni mkanione, maana mzimu hauna mwili na mifupa kama mnionavyo.”
40 Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.
Baada ya kusema hayo, akawaonyesha mikono na miguu.
41 Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?
Wakiwa bado katika hali ya kutosadiki kwa sababu ya furaha yao, na wakiwa wanastaajabu, akawauliza, “Mnacho chakula chochote hapa?”
42 Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy.
Wakampa kipande cha samaki wa kuokwa.
43 Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.
Akakichukua, akala, wote wakimwona.
44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
Halafu akawaambia, “Hii ndiyo maana ya maneno niliyowaambia nilipokuwa pamoja nanyi: kwamba ilikuwa lazima kukamilisha yote yaliyoandikwa juu yangu katika Sheria ya Mose na katika vitabu vya manabii na katika kitabu cha Zaburi.”
45 Dia nanokatra ny sain’ ireo Izy hahalala ny Soratra Masìna.
Kisha, akaziangazia akili zao ili wapate kuelewa Maandiko Matakatifu.
46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo;
Akawaambia, “Ndivyo ilivyoandikwa, kwamba Kristo atateswa na siku ya tatu atafufuka kutoka wafu,
47 ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
na kwamba ni lazima, kwa jina lake, mataifa yote kuanzia na Yerusalemu yahubiriwe juu ya kutubu na kusamehewa dhambi.
48 Ary ianareo no vavolombelon’ izany.
Ninyi ni mashahidi wa mambo hayo.
49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any amin’ ny avo.
Nami mwenyewe nitawapelekeeni yule ambaye Baba aliahidi kumtuma, lakini ngojeni huku mjini mpaka mtakapopewa ile nguvu itokayo juu.”
50 Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.
Kisha akawaongoza nje ya mji hadi Bethania, akainua mikono yake juu, akawabariki.
51 Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
Alipokuwa anawabariki, akawaacha; akachukuliwa mbinguni.
52 Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.
Wao wakamwabudu, wakarudi Yerusalemu wakiwa na furaha kubwa:
53 Ary teo an-kianjan’ ny tempoly isan’ andro izy nankalaza an’ Andriamanitra.
wakakaa muda wote Hekaluni wakimsifu Mungu.

< Lioka 24 >