< Lioka 22 >

1 Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska.
Približavaše se pak praznik prijesnijeh hljebova koji se zove pasha.
2 Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an’ i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
I gledahu glavari sveštenièki i književnici kako bi ga ubili; ali se bojahu naroda.
3 Fa Satana niditra tao anatin’ i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy;
A sotona uðe u Judu, koji se zvaše Iskariot, i koji bješe jedan od dvanaestorice.
4 dia nankao amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin’ izay hamadihany an’ i Jesosy amin’ ireo.
I otišavši govori s glavarima sveštenièkijem i sa starješinama kako æe im ga izdati.
5 Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.
I oni se obradovaše, i ugovoriše da mu dadu novce.
6 Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin’ ireo amin’ ny tsy misy olona.
I on se obreèe, i tražaše zgodna vremena da im ga preda tajno od naroda.
7 Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
A doðe dan prijesnijeh hljebova u koji trebaše klati pashu;
8 Ary Jesosy naniraka an’ i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.
I posla Petra i Jovana rekavši: idite ugotovite nam pashu da jedemo.
9 Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?
A oni mu rekoše: gdje hoæeš da ugotovimo?
10 Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin’ ny trano izay hidirany.
A on im reèe: eto kad uðete u grad, srešæe vas èovjek koji nosi vodu u krèagu; idite za njim u kuæu u koju on uðe,
11 Dia lazao amin’ ny tompon-trano hoe: Izao no lazain’ ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ ny mpianatro?
I kažite domaæinu: uèitelj veli: gdje je gostionica gdje æu jesti pashu s uèenicima svojijem?
12 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.
I on æe vam pokazati veliku sobu prostrtu; ondje ugotovite.
13 Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
A oni otidoše i naðoše kao što im kaza; i ugotoviše pashu.
14 Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ ny Apostoly.
I kad doðe èas, sjede za trpezu, i dvanaest apostola s njim.
15 Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
I reèe im: vrlo sam željeo da ovu pashu jedem s vama prije nego postradam;
16 Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’ izany ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Jer vam kažem da je otsele neæu jesti dok se ne svrši u carstvu Božijemu.
17 Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;
I uzevši èašu dade hvalu, i reèe: uzmite je i razdijelite meðu sobom;
18 fa lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Jer vam kažem da neæu piti od roda vinogradskoga dok ne doðe carstvo Božije.
19 Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
I uzevši hljeb dade hvalu, i prelomivši ga dade im govoreæi: ovo je tijelo moje koje se daje za vas; ovo èinite za moj spomen.
20 Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ ny rako, izay aidina ho anareo.
A tako i èašu po veèeri, govoreæi: ova je èaša novi zavjet mojom krvi koja se za vas proljeva.
21 Fa, indro, ny tànan’ izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin’ ny latabatra.
Ali evo ruka izdajnika mojega sa mnom je na trpezi.
22 Fa ny Zanak’ olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan’ izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
I sin èovjeèij dakle ide kao što je ureðeno; ali teško èovjeku onome koji ga izdaje!
23 Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.
I oni staše tražiti meðu sobom koji bi dakle od njih bio koji æe to uèiniti.
24 Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin’ izay anankiray aminy hatao lehibe.
A posta i prepiranje meðu njima koji bi se držao meðu njima da je najveæi.
25 Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan’ ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
A on im reèe: carevi narodni vladaju narodom, a koji njim upravljaju, zovu se dobrotvori.
26 Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
Ali vi nemojte tako; nego koji je najveæi meðu vama neka bude kao najmanji, i koji je starješina neka bude kao sluga.
27 Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
Jer koji je veæi, koji sjedi za trpezom ili koji služi? Nije li onaj koji sjedi za trpezom? A ja sam meðu vama kao sluga.
28 Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ ny fakam-panahy nihatra tamiko;
A vi ste oni koji ste se održali sa mnom u mojijem napastima.
29 koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ ny Raiko ho Ahy,
I ja ostavljam vama carstvo kao što je otac moj meni ostavio:
30 mba hihinana sy hisotro eo amin’ ny latabatro amin’ ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo,
Da jedete i pijete za trpezom mojom u carstvu mojemu, i da sjedite na prijestolima i sudite nad dvanaest koljena Izrailjevijeh.
31 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.
Reèe pak Gospod: Simone! Simone! evo vas ište sotona da bi vas èinio kao pšenicu.
32 Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
A ja se molih za tebe da tvoja vjera ne prestane; i ti kadgod obrativši se utvrdi braæu svoju.
33 Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin’ ny fahafatesana aza.
A on mu reèe: Gospode! s tobom gotov sam i u tamnicu i na smrt iæi.
34 Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
A on reèe: kažem ti, Petre! danas neæe zapjevati pijetao dok se triput ne odreèeš da me poznaješ.
35 Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
I reèe im: kad vas poslah bez kese i bez torbe i bez obuæe, eda vam što nedostade? A oni rekoše: ništa.
36 Fa hoy Izy taminy: Fa amin’ izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy.
A on im reèe: ali sad koji ima kesu neka je uzme, tako i torbu; a koji nema neka proda haljinu svoju i kupi nož.
37 Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan’ ny mpanota; fa efa ho tanteraka ny amiko.
Jer vam kažem da još i ovo treba na meni da se izvrši što stoji u pismu: i meðu zloèince metnuše ga. Jer što je pisano za mene, svršuje se.
38 Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.
A oni rekoše: Gospode! evo ovdje dva noža. A on im reèe: dosta je.
39 Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.
I izišavši otide po obièaju na goru Maslinsku; a za njim otidoše uèenici njegovi.
40 Ary raha vao tonga tao amin’ izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy.
A kad doðe na mjesto reèe im: molite se Bogu da ne padnete u napast.
41 Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
I sam otstupi od njih kako se može kamenom dobaciti, i kleknuvši na koljena moljaše se Bogu
42 Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
Govoreæi: oèe! kad bi htio da proneseš ovu èašu mimo mene! ali ne moja volja nego tvoja da bude.
43 Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
A anðeo mu se javi s neba, i krijepi ga.
44 Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin’ ny tany.
I buduæi u borenju, moljaše se bolje; znoj pak njegov bijaše kao kaplje krvi koje kapahu na zemlju.
45 Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ ny mpianatra ka nahita azy matorin’ alahelo.
I ustavši od molitve doðe k uèenicima svojijem, i naðe ih a oni spavaju od žalosti,
46 Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy.
I reèe im: što spavate? ustanite, molite se Bogu da ne padnete u napast.
47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an’ i Jesosy hanoroka Azy.
Dok on pak još govoraše, gle, narod i jedan od dvanaestorice, koji se zvaše Juda, iðaše pred njima, i pristupi k Isusu da ga cjeliva. Jer im ovo bijaše dao znak: koga cjelivam onaj je.
48 Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak’ olona?
A Isus mu reèe: Juda! zar cjelivom izdaješ sina èovjeèijega?
49 Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin’ ny sabatra va izahay?
A kad oni što bijahu s njim vidješe šta æe biti, rekoše mu: Gospode! da bijemo nožem?
50 Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
I udari jedan od njih slugu poglavara sveštenièkoga, i otsijeèe mu desno uho.
51 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
A Isus odgovarajuæi reèe: ostavite to. I dohvativši se do uha njegova iscijeli ga.
52 Ary hoy Jesosy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
A glavarima sveštenièkijem i vojvodama crkvenijem i starješinama koji bijahu došli na nj reèe Isus: zar kao na hajduka iziðoste s noževima i koljem da me uhvatite?
53 Raha teo aminareo isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin’ ny maizina.
Svaki dan bio sam s vama u crkvi i ne digoste ruku na mene; ali je sad vaš èas i oblast tame.
54 Ary izy ireo nisambotra an’ i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon’ ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
A kad ga uhvatiše, odvedoše ga i uvedoše u dvor poglavara sveštenièkoga. A Petar iðaše za njim izdaleka.
55 Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
A kad oni naložiše oganj nasred dvora i sjeðahu zajedno, i Petar sjeðaše meðu njima.
56 Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan’ ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.
Vidjevši ga pak jedna sluškinja gdje sjedi kod ognja, i pogledavši na nj reèe: i ovaj bješe s njim.
57 Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
A on ga se odreèe govoreæi: ženo! ne poznajem ga.
58 Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman’ ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
I malo zatijem vidje ga drugi i reèe: i ti si od njih. A Petar reèe: èovjeèe! nijesam.
59 Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
I pošto proðe oko jednoga sahata drugi neko potvrðivaše govoreæi: zaista i ovaj bješe s njim; jer je Galilejac.
60 Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin’ izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
A Petar reèe: èovjeèe! ne znam šta govoriš. I odmah dok on još govoraše zapjeva pijetao.
61 Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’ i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.
I obazrevši se Gospod pogleda na Petra, i Petar se opomenu rijeèi Gospodnje kako mu reèe: prije nego pijetao zapjeva odreæi æeš me se triput.
62 Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
I izišavši napolje plaka gorko.
63 Ary ny lehilahy izay nitana an’ i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
A ljudi koji držahu Isusa rugahu mu se, i bijahu ga.
64 Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
I pokrivši ga bijahu ga po obrazu i pitahu ga govoreæi: proreci ko te udari?
65 Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.
I druge mnoge hule govorahu na nj.
66 Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an’ i Jesosy ho eo amin’ ny Synedriona, dia nanao hoe:
I kad svanu, sabraše se starješine narodne i glavari sveštenièki i književnici, i odvedoše ga u svoj sud
67 Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.
Govoreæi: jesi li ti Hristos? kaži nam. A on im reèe: ako vam i kažem, neæete vjerovati.
68 Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.
A ako vas i zapitam, neæete mi odgovoriti, niti æete me pustiti.
69 Fa hatramin’ izao ny Zanak’ olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan’ ny herin’ Andriamanitra.
Otsele æe sin èovjeèij sjediti s desne strane sile Božije.
70 Dia hoy izy rehetra: Zanak’ Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
Svi pak rekoše: ti li si dakle sin Božij? A on im reèe: vi kažete da sam ja.
71 Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin’ ny vavany.
A oni rekoše: šta nam trebaju više svjedoèanstva? jer sami èusmo iz usta njegovijeh.

< Lioka 22 >