< Lioka 21 >

1 Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin’ ny fandatsahan-drakitra;
He looked up, and saw the rich people who were putting their gifts into the treasury.
2 ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy.
He saw a certain poor widow casting in two lepta.
3 Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
He said, "Truly I tell you, this poor widow put in more than all of them,
4 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ ny haben’ ny fananany no nandatsahany tao amin’ ny rakitra; fa izy kosa tamin’ ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
for all these put in gifts from their abundance, but she, out of her poverty, put in all that she had to live on."
5 Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
As some were talking about the temple and how it was decorated with beautiful stones and gifts, he said,
6 Ny amin’ ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
"As for these things which you see, the days will come, in which there will not be left here one stone on another that will not be thrown down."
7 Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
They asked him, "Teacher, so when will these things be? What is the sign that these things are about to happen?"
8 Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin’ ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
He said, "Watch out that you do not get led astray, for many will come in my name, saying, 'I am he,' and, 'The time is near.' Therefore do not follow them.
9 Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin’ izay ny farany.
When you hear of wars and disturbances, do not be terrified, for these things must happen first, but the end won't come immediately."
10 Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
Then he said to them, "Nation will rise against nation, and kingdom against kingdom.
11 Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
There will be great earthquakes, famines, and plagues in various places. There will be terrors and great signs from heaven.
12 Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
But before all these things, they will lay their hands on you and will persecute you, delivering you up to synagogues and prisons, bringing you before kings and governors for my name's sake.
13 Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
It will turn out as a testimony for you.
14 Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;
Settle it therefore in your hearts not to meditate beforehand how to answer,
15 fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
for I will give you a mouth and wisdom which all your adversaries will not be able to withstand or to contradict.
16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
You will be handed over even by parents, brothers, relatives, and friends. They will cause some of you to be put to death.
17 Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
And you will be hated by everyone because of my name.
18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ ny lohanareo aza.
But not a hair of your head will perish.
19 Amin’ ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
"By your endurance you will win your lives.
20 Ary raha mahita an’ i Jerosalema voahodidin’ ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
"But when you see Jerusalem surrounded by armies, then know that its desolation is near.
21 Ary izay any Jodia amin’ izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
Then let those who are in Judea flee to the mountains. Let those who are in the midst of her depart. Let those who are in the country not enter it.
22 Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
For these are days of vengeance, that all things which are written may be fulfilled.
23 Fa lozan’ ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’ izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ ny tany ary fahatezerana amin’ ity firenena ity.
Woe to those who are pregnant and to those who nurse infants in those days. For there will be great distress in the land, and wrath to this people.
24 Dia ho ringana amin’ ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ ny jentilisa.
And they will fall by the edge of the sword and be led captive into all the nations. And Jerusalem will be trampled down by non-Jewish people until the times are fulfilled. And there will be times of the non-Jewish people.
25 Ary hisy famantarana eo amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ ny tany dia hisy fahorian’ ny firenena amin’ ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ ny ranomasina sy ny fanonjany,
And there will be signs in the sun, and moon, and stars, and on the earth distress of nations in perplexity because of the roaring of the sea and the waves;
26 ka ho reraka ny fon’ ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ ny tany; fa ny herin’ ny lanitra dia hohozongozonina.
people will be fainting from fear, and from expectation of the things which are coming on the world, for the powers of the heavens will be shaken.
27 Ary amin’ izany andro izany dia hahita ny Zanak’ olona avy eo amin’ ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
Then they will see the Son of Man coming in a cloud with power and great glory.
28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
But when these things begin to happen, look up, and lift up your heads, because your redemption is near."
29 Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
He told them a parable. "See the fig tree, and all the trees.
30 Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.
When they are already budding, you see it and know by your own selves that the summer is already near.
31 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra.
Even so you also, when you see these things happening, know that the Kingdom of God is near.
32 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
Truly I tell you, this generation will not pass away until all things are accomplished.
33 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Heaven and earth will pass away, but my words will by no means pass away.
34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
"So be careful, or your hearts will be loaded down with carousing, drunkenness, and cares of this life, and that day will come on you suddenly.
35 Fa hihatra amin’ izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ ny tany rehetra izany.
For it will come like a snare on all those who dwell on the surface of all the earth.
36 Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona.
Therefore be watchful all the time, praying that you may be able to escape all these things that will happen, and to stand before the Son of Man."
37 Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
Every day Jesus was teaching in the temple, and every night he would go out and spend the night on the mountain that is called Olivet.
38 Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly hihaino Azy.
All the people came early in the morning to him in the temple to hear him.

< Lioka 21 >