< Lioka 19 >

1 Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an’ i Jeriko.
And having entered, he was passing through Jericho.
2 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben’ ny mpamory hetra sady nanan-karena.
And behold, a man called by name, Zacchaeus. And he was a chief tax collector, and this man was rich.
3 Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa ny afaka noho ny habetsahan’ ny olona nifanety, satria fohy izy.
And he sought to see Jesus, who he was. And he was not able because of the crowd, because his stature was small.
4 Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an’ i Jesosy; fa efa handalo tamin’ izany lalana izany Izy.
And having ran ahead, he climbed up in a sycamore tree so that he might see him, because he was going to pass that one.
5 Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midìna faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.
And when Jesus came to the place, having looked up, he saw him, and said to him, Zacchaeus, after making haste, come down, for today I must lodge at thy house.
6 Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.
And having made haste, he came down and received him, rejoicing.
7 Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin’ izay lehilahy mpanota Izy.
And all who saw murmured, saying, He went in to relax with a sinful man.
8 Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin’ ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ ny malahelo; ary raha misy zavatr’ olona nalaiko tamin’ ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.
And having stood, Zacchaeus said to the Lord, Behold, half of the things possessed by me, Lord, I give to the poor. And if I defrauded any man of anything, I repay fourfold.
9 Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin’ ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’ i Abrahama koa.
And Jesus said to him, Today salvation has come to this house, forasmuch as he also is a son of Abraham.
10 Fa efa tonga ny Zanak’ olona hitady sy hamonjy ny very.
For the Son of man came to seek and to save that which was lost.
11 Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an’ i Jerosalema Izy, ka nataon’ ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan’ Andriamanitra.
And as they heard these things, he spoke, adding on a parable because he was near Jerusalem, and because they thought that the kingdom of God was going to appear immediately.
12 Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.
He said therefore, A certain nobleman went into a far country to receive for himself a kingdom, and to return.
13 Dia niantso folo lahy tamin’ ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko.
And having called ten of his bondmen, he gave them ten minas and said to them, Do business until I come.
14 Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan’ iny lehilahy iny izahay.
But his citizens hated him, and sent an embassy behind him, saying, We do not want this man to reign over us.
15 Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin’ ny fandrantoana.
And it came to pass for him to return, having taken the kingdom. And he said for these bondmen to be called to him, to whom he gave the silver, so that he might know what any man gained by trading.
16 Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.
And the first came, saying, Lord, thy mina gained ten minas.
17 Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo.
And he said to him, Well, thou good bondman. Because thou became faithful in the least, be thou having authority over ten cities.
18 Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.
And the second came, saying, Lord, thy mina gained five minas.
19 Ary hoy koa izy tamin’ io: Manapaha tanàna dimy koa ianao.
And he also said to him, And thou become over five cities.
20 Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin’ ny mosara.
And another came, saying, Lord, behold thy mina, which I had put away in a napkin.
21 Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.
For I was afraid of thee because thou are an austere man. Thou take up what thou did not lay down, and reap what thou did not sow.
22 Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;
He says to him, Out of thy mouth I will judge thee, thou evil bondman. Thou had known that I am an austere man taking up what I did not lay down, and reaping what I did not sow.
23 koa nahoana no tsy napetrakao tamin’ ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?
Then why did thou not give my silver into a bank, and having come I would have collected it with interest?
24 Ary hoy izy tamin’ izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo
And he said to those who stood by, Take the mina from him, and give it to him who has the ten minas.
25 (Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)
And they said to him, Lord, he has ten minas.
26 Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’ izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
For I say to you, that to every man who has, will be given, but from him who has not, even what he has will be taken away from him.
27 Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ, ka vonoy eto anatrehako.
Nevertheless those enemies of mine who did not want me to reign over them, bring here, and kill them before me.
28 Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
And having spoke these things, he went ahead, going up to Jerusalem.
29 Ary raha nanakaiky an’ i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianatra
And it came to pass when he came near to Bethphage and Bethany, at the mount that is called Olives, he sent two of his disciples, saying,
30 ka nanao hoe: Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan’ olona; vahao izy, ka ento erỳ.
Go ye into the opposite village, in which, having entered, ye will find a colt tied, on which no man ever sat. Having untied, bring it.
31 Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy.
And if any man asks you, Why do ye untie it? Thus ye will say to him, The Lord has need of it.
32 Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy.
And having departed, those who were sent found just as he said to them.
33 Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?
And as they were untying the colt, the masters of it said to them, Why do ye untie the colt?
34 Ary hoy izy: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy.
And they said, The Lord has need of it.
35 Dia nitondra azy ho any amin’ i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin’ ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy.
And they brought it to Jesus. And having cast their garments upon the colt, they mounted Jesus.
36 Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo.
And as he went, they spread their garments on the road.
37 Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany
And as he was now coming near, at the descent of the mount of Olives, the whole multitude of the disciples began rejoicing to praise God in a great voice about all the mighty works that they had seen, saying,
38 ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin’ ny avo indrindra.
Blessed is the King who comes in the name of the Lord! Peace in heaven, and glory in the highest!
39 Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.
And some of the Pharisees from the multitude said to him, Teacher, rebuke thy disciples.
40 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangìna ireo, dia ny vato no hiantsoantso.
And having answered, he said to them, I tell you that if these were silent, the stones would cry out.
41 Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy
And when he came near, having seen the city, he wept over it,
42 ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin’ ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! ― fa ankehitriny miafina amin’ ny masonao izany.
saying, If thou knew, even thou, indeed even in this thy day, the things for thy peace. But now they are hidden from thine eyes.
43 Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina
Because the days will come upon thee, and thine enemies will build a barricade around thee, and will surround thee, and enclose thee on every side.
44 ary hamongotra anao hatramin’ ny tany mbamin’ ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
And they will raze thee and thy children within thee. And they will not leave in thee a stone upon a stone, because thou knew not the time of thy visitation.
45 Ary niditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra
And having entered into the temple, he began to cast out those selling and buying in it,
46 ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana; fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.
saying to them, It is written, My house is a house of prayer, but ye made it a den of robbers.
47 Ary nampianatra isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Izy. Fa ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
And he was teaching daily in the temple. But the chief priests, and the scholars sought to destroy him, even the foremost men of the people.
48 nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.
And they did not find what they might do, for the people all hung upon him, listening.

< Lioka 19 >