< Lioka 16 >

1 Ary hoy koa Jesosy tamin’ ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain’ olona taminy fa mandany ny fananany.
Jesus told his disciples this story. “There was once a rich man whose manager was accused of wasting what belonged to his master.
2 Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin’ ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.
So the rich man called in his manager, and asked him, ‘What's this I hear about you? Bring in your accounts, because you won't be continuing as manager.’
3 Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin’ ny tompoko amin’ ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.
The manager said to himself, ‘Now what will I do since my master is going to fire me from my job? I'm not strong enough to dig, and I'm ashamed to beg.
4 Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin’ ny fitandremana ny fananana aho.
Oh, I know what I'm going to do so that when I'm sacked as manager people will make me welcome in their homes.’
5 Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin’ ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan’ ny tompoko aminao?
So he invited all those who were in debt to his master to come and see him. He asked the first one, ‘How much do you owe my master?’
6 Ary hoy io: Diloilo injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty.
The man replied, ‘A hundred units of oil.’ He said to him, ‘Sit down quickly. Take your bill, and change it to fifty.’
7 Dia hoy izy tamin’ ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.
Then he said to another, ‘How much do you owe?’ The man replied, ‘A hundred units of wheat.’ He said to him, ‘Take your bill and change it to eighty.’
8 Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak’ izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ ny karazany noho ny zanaky ny mazava. (aiōn g165)
The rich man commended his dishonest manager for his cunning idea. The children of this world are more cunning towards one another than are the children of light. (aiōn g165)
9 Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ ireo ho any amin’ ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany. (aiōnios g166)
I tell you, use the wealth of this world to make friends for yourselves so that when it's gone, you'll be welcomed into an eternal home. (aiōnios g166)
10 Ary izay mahatoky amin’ ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ ny be; ary izay tsy marina amin’ ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ ny be.
If you can be trusted with very little you can also be trusted with much; if you are dishonest with very little you will also be dishonest with much.
11 Koa raha tsy mahatoky amin’ ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ ny tena harena?
So if you can't be trusted when it comes to worldly wealth, who will trust you with true riches?
12 Ary raha tsy mahatoky amin’ izay an’ olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?
And if you can't be trusted with what belongs to someone else, who will trust you with what is yours?
13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy mamôna ianareo.
No servant can obey two masters. Either he will hate one and love the other, or he will be devoted to one and despise the other. You can't serve both God and Money.”
14 Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an’ i Jesosy.
The Pharisees, who loved money, heard what Jesus said and laughed at him.
15 Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra.
But Jesus told them, “You appear pious to people, but God knows what you're thinking. What people value highly is detested by God.
16 Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’ i Jaona; ary hatramin’ izany no efa nitoriana ny filazantsaran’ ny fanjakan’ Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.
What was written in the law and the prophets lasted until John. From then on the good news of the kingdom of God is being spread, and everyone is forcing their way in.
17 Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ ny lalàna.
However, it's easier for heaven and earth to pass away than for the smallest point of the Law to disappear.
18 Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.
Any man who divorces his wife and marries someone else commits adultery, and a man who marries a divorced woman commits adultery.
19 Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan’ andro tamin’ ny fahafinaretana.
Once there was a man who was rich. He wore purple clothes and fine linen, and enjoyed a luxurious life.
20 Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ ny vavahadiny;
A beggar named Lazarus used to sit at his gate, covered in sores,
21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ ny latabatr’ ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny.
longing to eat the leftovers from the rich man's table. Even the dogs came and licked his sores.
22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ ny anjely ho any an-tratran’ i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
Then the beggar died, and angels carried him away to be with Abraham. The rich man also died and was buried.
23 ary raha nijaly tao amin’ ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an’ i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany. (Hadēs g86)
In Hades, where he was in torment, he looked up and saw Abraham in the far distance, with Lazarus beside him. (Hadēs g86)
24 Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ ny rantsan-tanany amin’ ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ ity lelafo ity.
‘Father Abraham,’ he called out, ‘Have mercy on me and send Lazarus to dip the tip of his finger in water and cool my tongue, because I'm burning in agony.’
25 Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay atỳ, ary ianao kosa no fadiranovana.
But Abraham replied, ‘My son, remember that you enjoyed the good things of life, while Lazarus had a very poor life. Now he is here being comforted, while you suffer in torment.
26 Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.
Apart from that, there's a great gulf that stretches between us and you. Nobody who wants to cross from here to you can do so, and nobody can cross from there over to us.’
27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin’ ny tranon’ ny raiko
The rich man said, ‘Then Father, I beg you, please send him to my father's house.
28 (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin’ ity fijaliana ity koa izy.
For I have five brothers and he can warn them so that they don't end up here in this place of torment.’
29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
But Abraham replied, ‘They have Moses and the prophets. They should listen to them.’
30 Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin’ ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.
‘No, father Abraham,’ said the man. ‘But they would repent if someone went to them from the dead!’
31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ ny maty aza.
Abraham said to him, ‘If they won't listen to Moses and the prophets, they won't be convinced even if someone returns from the dead.’”

< Lioka 16 >