< Lioka 15 >

1 Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an’ i Jesosy. 2 Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy. 3 Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe: 4 Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? 5 ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; 6 ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. 7 Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany. 8 Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy? 9 Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very. 10 Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka. 11 Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy. 12 Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’ izy mirahalahy ny fananany. 13 Ary nony afaka kelikely, dia nangonin’ ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ ny fiveloman-dratsy tany. 14 Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin’ izany tany izany, ka nahantra izy. 15 Dia nandeha izy ka niankina tamin’ ny tompon-tany anankiray tamin’ izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. 16 Ary satriny hameno ny kibony tamin’ ny voan-kazo fihinan’ ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy. 17 Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain’ ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! 18 Hiainga aho, dia hody any amin’ ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho 19 ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ ny olona karamainao aho. 20 Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. 21 Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony. 22 Fa rainy kosa nanao tamin’ ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; 23 ary ento ny zanak’ omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; 24 fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy. 25 Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. 26 Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton’ izany zavatra izany. 27 Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak’ omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. 28 Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. 29 Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’ osy aza mba hifaliako amin’ ny sakaizako; 30 fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’ omby nafahy ianao. 31 Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. 32 Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.

< Lioka 15 >