< Lioka 14 >

1 Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon’ ny loholona anankiray amin’ ny Fariseo Izy tamin’ ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.
anantaraṁ viśrāmavāre yīśau pradhānasya phirūśino gṛhe bhoktuṁ gatavati te taṁ vīkṣitum ārebhire|
2 Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.
tadā jalodarī tasya sammukhe sthitaḥ|
3 Ary Jesosy namaly ka nanao tamin’ ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata, sa tsia?
tataḥ sa vyavasthāpakān phirūśinaśca papraccha, viśrāmavāre svāsthyaṁ karttavyaṁ na vā? tataste kimapi na pratyūcuḥ|
4 Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
tadā sa taṁ rogiṇaṁ svasthaṁ kṛtvā visasarja;
5 Ary Izy nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin’ izay na dia amin’ ny andro Sabata aza?
tānuvāca ca yuṣmākaṁ kasyacid garddabho vṛṣabho vā ced gartte patati tarhi viśrāmavāre tatkṣaṇaṁ sa kiṁ taṁ notthāpayiṣyati?
6 Ary tsy nahavaly ny amin’ izany zavatra izany izy.
tataste kathāyā etasyāḥ kimapi prativaktuṁ na śekuḥ|
7 Ary Jesosy nanao fanoharana tamin’ izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe:
aparañca pradhānasthānamanonītatvakaraṇaṁ vilokya sa nimantritān etadupadeśakathāṁ jagāda,
8 Raha misy maka anao ho any amin’ ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin’ ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,
tvaṁ vivāhādibhojyeṣu nimantritaḥ san pradhānasthāne mopāvekṣīḥ| tvatto gauravānvitanimantritajana āyāte
9 ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin’ ny fitoerana aoriana indrindra.
nimantrayitāgatya manuṣyāyaitasmai sthānaṁ dehīti vākyaṁ ced vakṣyati tarhi tvaṁ saṅkucito bhūtvā sthāna itarasmin upaveṣṭum udyaṁsyasi|
10 Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin’ ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’ izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
asmāt kāraṇādeva tvaṁ nimantrito gatvā'pradhānasthāna upaviśa, tato nimantrayitāgatya vadiṣyati, he bandho proccasthānaṁ gatvopaviśa, tathā sati bhojanopaviṣṭānāṁ sakalānāṁ sākṣāt tvaṁ mānyo bhaviṣyasi|
11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
yaḥ kaścit svamunnamayati sa namayiṣyate, kintu yaḥ kaścit svaṁ namayati sa unnamayiṣyate|
12 Ary hoy Jesosy tamin’ ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin’ ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.
tadā sa nimantrayitāraṁ janamapi jagāda, madhyāhne rātrau vā bhojye kṛte nijabandhugaṇo vā bhrātṛgaṇo vā jñātigaṇo vā dhanigaṇo vā samīpavāsigaṇo vā etān na nimantraya, tathā kṛte cet te tvāṁ nimantrayiṣyanti, tarhi pariśodho bhaviṣyati|
13 Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
kintu yadā bhejyaṁ karoṣi tadā daridraśuṣkakarakhañjāndhān nimantraya,
14 dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin’ ny fitsanganan’ ny marina.
tata āśiṣaṁ lapsyase, teṣu pariśodhaṁ karttumaśaknuvatsu śmaśānāddhārmmikānāmutthānakāle tvaṁ phalāṁ lapsyase|
15 Ary ny anankiray tamin’ izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
anantaraṁ tāṁ kathāṁ niśamya bhojanopaviṣṭaḥ kaścit kathayāmāsa, yo jana īśvarasya rājye bhoktuṁ lapsyate saeva dhanyaḥ|
16 Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
tataḥ sa uvāca, kaścit jano rātrau bhejyaṁ kṛtvā bahūn nimantrayāmāsa|
17 Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ ny fotoana fisakafoana hilaza amin’ izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
tato bhojanasamaye nimantritalokān āhvātuṁ dāsadvārā kathayāmāsa, khadyadravyāṇi sarvvāṇi samāsāditāni santi, yūyamāgacchata|
18 Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
kintu te sarvva ekaikaṁ chalaṁ kṛtvā kṣamāṁ prārthayāñcakrire| prathamo janaḥ kathayāmāsa, kṣetramekaṁ krītavānahaṁ tadeva draṣṭuṁ mayā gantavyam, ataeva māṁ kṣantuṁ taṁ nivedaya|
19 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
anyo janaḥ kathayāmāsa, daśavṛṣānahaṁ krītavān tān parīkṣituṁ yāmi tasmādeva māṁ kṣantuṁ taṁ nivedaya|
20 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin’ izany tsy afaka mankany.
aparaḥ kathayāmāsa, vyūḍhavānahaṁ tasmāt kāraṇād yātuṁ na śaknomi|
21 Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin’ ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin’ ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
paścāt sa dāso gatvā nijaprabhoḥ sākṣāt sarvvavṛttāntaṁ nivedayāmāsa, tatosau gṛhapatiḥ kupitvā svadāsaṁ vyājahāra, tvaṁ satvaraṁ nagarasya sanniveśān mārgāṁśca gatvā daridraśuṣkakarakhañjāndhān atrānaya|
22 Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
tato dāso'vadat, he prabho bhavata ājñānusāreṇākriyata tathāpi sthānamasti|
23 Ary hoy ny tompo tamin’ ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
tadā prabhuḥ puna rdāsāyākathayat, rājapathān vṛkṣamūlāni ca yātvā madīyagṛhapūraṇārthaṁ lokānāgantuṁ pravarttaya|
24 Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.
ahaṁ yuṣmabhyaṁ kathayāmi, pūrvvanimantritānamekopi mamāsya rātribhojyasyāsvādaṁ na prāpsyati|
25 Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’ i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:
anantaraṁ bahuṣu lokeṣu yīśoḥ paścād vrajiteṣu satsu sa vyāghuṭya tebhyaḥ kathayāmāsa,
26 Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
yaḥ kaścin mama samīpam āgatya svasya mātā pitā patnī santānā bhrātaro bhagimyo nijaprāṇāśca, etebhyaḥ sarvvebhyo mayyadhikaṁ prema na karoti, sa mama śiṣyo bhavituṁ na śakṣyati|
27 Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
yaḥ kaścit svīyaṁ kruśaṁ vahan mama paścānna gacchati, sopi mama śiṣyo bhavituṁ na śakṣyati|
28 Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
durganirmmāṇe kativyayo bhaviṣyati, tathā tasya samāptikaraṇārthaṁ sampattirasti na vā, prathamamupaviśya etanna gaṇayati, yuṣmākaṁ madhya etādṛśaḥ kosti?
29 fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita
noced bhittiṁ kṛtvā śeṣe yadi samāpayituṁ na śakṣyati,
30 ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.
tarhi mānuṣoyaṁ nicetum ārabhata samāpayituṁ nāśaknot, iti vyāhṛtya sarvve tamupahasiṣyanti|
31 Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ ny iray alina izy, na tsia?
aparañca bhinnabhūpatinā saha yuddhaṁ karttum udyamya daśasahasrāṇi sainyāni gṛhītvā viṁśatisahasreḥ sainyaiḥ sahitasya samīpavāsinaḥ sammukhaṁ yātuṁ śakṣyāmi na veti prathamaṁ upaviśya na vicārayati etādṛśo bhūmipatiḥ kaḥ?
32 Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.
yadi na śaknoti tarhi ripāvatidūre tiṣṭhati sati nijadūtaṁ preṣya sandhiṁ karttuṁ prārthayeta|
33 Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.
tadvad yuṣmākaṁ madhye yaḥ kaścin madarthaṁ sarvvasvaṁ hātuṁ na śaknoti sa mama śiṣyo bhavituṁ na śakṣyati|
34 Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?
lavaṇam uttamam iti satyaṁ, kintu yadi lavaṇasya lavaṇatvam apagacchati tarhi tat kathaṁ svāduyuktaṁ bhaviṣyati?
35 Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
tada bhūmyartham ālavālarāśyarthamapi bhadraṁ na bhavati; lokāstad bahiḥ kṣipanti|yasya śrotuṁ śrotre staḥ sa śṛṇotu|

< Lioka 14 >