< Lioka 14 >

1 Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon’ ny loholona anankiray amin’ ny Fariseo Izy tamin’ ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.
And it came to pass, as he went into the house of one of the chief Pharisees to eat bread on the sabbath, that they watched him.
2 Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.
And behold, there was a certain man before him who had the dropsy.
3 Ary Jesosy namaly ka nanao tamin’ ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata, sa tsia?
And Jesus answering, spoke to the lawyers and Pharisees, saying, Is it lawful to heal on the sabbath?
4 Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
And they held their peace. And he took [him] and healed him, and let him go;
5 Ary Izy nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin’ izay na dia amin’ ny andro Sabata aza?
And answered them, saying, Which of you shall have an ass or an ox fallen into a pit, and will not forthwith pull him out on the sabbath?
6 Ary tsy nahavaly ny amin’ izany zavatra izany izy.
And they could not answer him again to these things.
7 Ary Jesosy nanao fanoharana tamin’ izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe:
And he put forth a parable to those who were invited, when he marked how they chose out the chief rooms; saying to them,
8 Raha misy maka anao ho any amin’ ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin’ ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,
When thou art invited by any [man] to a wedding, sit not down in the highest room, lest a more honorable man than thou be invited by him;
9 ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin’ ny fitoerana aoriana indrindra.
And he that invited thee and him, shall come and say to thee, Give this man place; and thou begin with shame to take the lowest room.
10 Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin’ ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’ izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
But when thou art invited, go and sit down in the lowest room; that when he that invited thee cometh, he may say to thee, Friend, go up higher: then shalt thou have honor in the presence of them that sit at table with thee.
11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
For whoever exalteth himself shall be abased, and he that humbleth himself shall be exalted.
12 Ary hoy Jesosy tamin’ ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin’ ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.
Then said he also to him that invited him, When thou makest a dinner or a supper, call not thy friends, nor thy brethren, neither thy kinsmen, nor [thy] rich neighbors; lest they also invite thee again, and a recompense be made thee.
13 Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
But when thou makest a feast, call the poor, the maimed, the lame, the blind:
14 dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin’ ny fitsanganan’ ny marina.
And thou shalt be blessed: for they cannot recompense thee: for thou shalt be recompensed at the resurrection of the just.
15 Ary ny anankiray tamin’ izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
And when one of them that sat at table with him heard these things, he said to him, Blessed [is] he that shall eat bread in the kingdom of God.
16 Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
Then said he to him, A certain man made a great supper, and invited many:
17 Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ ny fotoana fisakafoana hilaza amin’ izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
And sent his servant at supper-time, to say to them that were invited, Come, for all things are now ready.
18 Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
And they all with one [consent] began to make excuse. The first said to him, I have bought a piece of ground, and I must needs go and see it: I pray thee have me excused.
19 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
And another said, I have bought five yoke of oxen, and I go to prove them: I pray thee have me excused.
20 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin’ izany tsy afaka mankany.
And another said, I have married a wife: and therefore I cannot come.
21 Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin’ ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin’ ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
So that servant came, and showed his lord these things. Then the master of the house being angry, said to his servant, Go out quickly into the streets and lanes of the city, and bring in hither the poor, and the maimed, and the halt, and the blind.
22 Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
And the servant said, Lord, it is done as thou hast commanded, and yet there is room.
23 Ary hoy ny tompo tamin’ ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
And the lord said to the servant, Go out into the highways and hedges, and compel [them] to come in, that my house may be filled.
24 Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.
For I say to you, that none of those men who were invited, shall taste my supper.
25 Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’ i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:
And there went great multitudes with him: and he turned, and said to them,
26 Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
If any [man] cometh to me, and hateth not his father, and mother, and wife, and children, and brethren, and sisters, yes, and his own life also, he cannot be my disciple.
27 Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
And whoever doth not bear his cross, and come after me, cannot be my disciple.
28 Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
For which of you intending to build a tower, sitteth not down first, and counteth the cost, whether he hath [sufficient] to finish [it]?
29 fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita
Lest perhaps after he hath laid the foundation, and is not able to finish [it], all that behold [it] begin to mock him,
30 ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.
Saying, This man began to build, and was not able to finish.
31 Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ ny iray alina izy, na tsia?
Or what king going to make war against another king, sitteth not down first, and consulteth whether he is able with ten thousand to meet him that cometh against him with twenty thousand?
32 Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.
Or else, while the other is yet a great way off, he sendeth an embassy, and desireth conditions of peace.
33 Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.
So likewise, whoever he is of you that forsaketh not all that he hath, he cannot be my disciple.
34 Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?
Salt [is] good: but if the salt hath lost its savor, with what shall it be seasoned?
35 Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
It is neither fit for the land, nor yet for the dunghill, [but] men cast it out. He that hath ears to hear, let him hear.

< Lioka 14 >