< Lioka 13 >

1 Ary tamin’ izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin’ i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon’ i Pilato tamin’ ny fanatiny ny ràny.
Приидоша же нецыи в то время, поведающе Ему о Галилеех, ихже кровь Пилат смеси с жертвами их.
2 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin’ izany zavatra izany izy?
И отвещав Иисус рече им: мните ли, яко Галилеане сии грешнейши паче всех Галилеан бяху, яко тако пострадаша?
3 Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
Ни, глаголю вам: но аще не покаетеся, вси такожде погибнете.
4 Ary ireny valo ambin’ ny folo ireny, izay nianjeran’ ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
Или они осмьнадесяте, на нихже паде столп Силоамский и поби их, мните ли, яко тии должнейши бяху паче всех живущих во Иерусалиме?
5 Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
Ни, глаголю вам: но аще не покаетеся, вси такожде погибнете.
6 Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
Глаголаше же сию притчу: смоковницу имяше некий в винограде своем всаждену: и прииде ищя плода на ней, и не обрете:
7 Ka dia hoy izy tamin’ ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
рече же к винареви: се, третие лето, отнелиже прихожду ищя плода на смоковнице сей, и не обретаю: посецы ю (убо), вскую и землю упражняет?
8 Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;
Он же отвещав рече ему: господи, остави ю и се лето, дондеже окопаю окрест ея и осыплю гноем:
9 angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
и аще убо сотворит плод: аще ли же ни, во грядущее посечеши ю.
10 Ary nampianatra tao amin’ ny synagoga anankiray Jesosy tamin’ ny Sabata.
Бяше же учя на единем от сонмищ в субботу:
11 Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
и се, жена бе имущи дух недужен лет осмьнадесять, и бе сляка и не могущи восклонитися отнюд.
12 Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin’ ny rofinao ianao.
Видев же ю Иисус, пригласи и рече ей: жено, отпущена еси от недуга твоего.
13 Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra.
И возложи на ню руце: и абие простреся и славляше Бога.
14 Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin’ ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin’ ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin’ izany, fa tsy amin’ ny andro Sabata.
Отвещав же старейшина собору, негодуя, зане в субботу изцели (ю) Иисус, глаголаше народу: шесть дний есть, в няже достоит делати: в тыя убо приходяще целитеся, а не в день субботный.
15 Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ ny fihinanam-bilona amin’ ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?
Отвеща (же) убо ему Господь и рече: лицемере, кождо вас в субботу не отрешает ли своего вола или осла от яслий, и вед напаяет?
16 Koa ity vehivavy zanak’ i Abrahama ity, izay efa nafatotr’ i Satana izao valo ambin’ ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’ izany fatorana izany amin’ ny andro Sabata va?
Сию же дщерь Авраамлю сущу, юже связа сатана, се, осмоенадесяте лето, не достояше ли разрешитися ей от юзы сея в день субботный?
17 Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
И сия Ему глаголющу, стыдяхуся вси противляющиися Ему: и вси людие радовахуся о всех славных бывающих от Него.
18 Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan’ Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?
Глаголаше же: кому подобно есть Царствие Божие? И кому уподоблю е?
19 Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain’ olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin’ ny rantsany.
Подобно есть зерну горушну, еже приемь человек вверже в вертоград свой: и возрасте, и бысть древо велие, и птицы небесныя вселишася в ветвие его.
20 Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan’ Andriamanitra?
Паки рече: кому уподоблю Царствие Божие?
21 Tahaka ny masirasira izy, izay nalain’ ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ ny koba intelon’ ny famarana, mandra-pahazon’ ny masirasira azy rehetra.
Подобно есть квасу, егоже приемши жена, скры в сатех триех муки, дондеже вскисе все.
22 Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
И прохождаше сквозе грады и веси, учя и шествие творя во Иерусалим.
23 Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin’ ny olona:
Рече же некий Ему: Господи, аще мало есть спасающихся? Он же рече к ним:
24 Miseseha hiditra amin’ ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
подвизайтеся внити сквозе тесная врата: яко мнози, глаголю вам, взыщут внити, и не возмогут.
25 Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
Отнележе востанет дому владыка и затворит двери, и начнете вне стояти и ударяти в двери, глаголюще: Господи, Господи, отверзи нам. И отвещав речет вам: не вем вас, откуду есте.
26 ary amin’ izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.
Тогда начнете глаголати: ядохом пред Тобою и пихом, и на распутиих наших учил еси.
27 Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.
И речет: глаголю вам, не вем вас, откуду есте: отступите от Мене, вси делателие неправды.
28 Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an’ i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
Ту будет плачь и скрежет зубом, егда узрите Авраама и Исаака и Иакова и вся пророки во Царствии Божии, вас же изгонимых вон.
29 Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
И приидут от восток и запад и севера и юга, и возлягут в Царствии Божии.
30 Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
И се, суть последнии, иже будут перви, и суть первии, иже будут последни.
31 Tamin’ izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
В той день приступиша нецыи от фарисей, глаголюще Ему: изыди и иди отсюду, яко Ирод хощет Тя убити.
32 Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin’ izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.
И рече им: шедше рцыте лису тому: се, изгоню бесы и изцеления творю днесь и утре, и в третий скончаюся:
33 Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
обаче подобает Ми днесь и утре и в ближний ити: яко невозможно есть пророку погибнути кроме Иерусалима.
34 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!
Иерусалиме, Иерусалиме, избивый пророки и камением побивая посланныя к тебе, колькраты восхотех собрати чада твоя, якоже кокош гнездо свое под криле, и не восхотесте?
35 Indro, avela ho anareo ny tranonareo! ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.
Се оставляется вам дом ваш пуст. Глаголю же вам, яко не имате Мене видети, дондеже приидет, егда речете: благословен Грядый во имя Господне.

< Lioka 13 >