< Lioka 12 >

1 Ary tamin’ izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin’ ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.
Munako zana, chikiti chavantu chibena hamwina, mbwita nibalilyata jo bungi, chatanga kuwamba kuva rutwana bakwe, Mutokomere mulungo wava Farisi, iri kuliha
2 Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
Kono kakwina chinchinte, chete nichi kanwe kwi zibahazwa,
3 Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ ny maizina dia ho re eo amin’ ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ ny efi-trano dia hotorina eo amin’ ny tampon-trano.
Cwale chose cimu va wambi mwififi kachi zibahazwe mwiseli, mi chimubali kushovota muma ntwi kachi huwerezwe hakantungandi ke zuvo.
4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
Ni wamba kwenu balikani, kanji muntiyi behaya mubili, kuzwa ho kavena chimwi chiva ola kupanga,
5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy. (Geenna g1067)
Kono me ni mikalimera kuamana neni umowola kutiya. Mutiye yenke uzo Hamana kwi haya, wina ziho zo kutumina mwi here, Eye, Ni miwambira, mumutiye. (Geenna g1067)
6 Tsy eranambatry va no vidin’ ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’ Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
Kena kuti tuzuni tukuma he yanza limwina tu uziwa hetenko i likana tukoviri to Vere? Kono nanganti konke kutuli kase hupulwa kweIreza.
7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
Kono nangati i mpalo ye nsunki nzenu ivalitwe, Kanji mutiyi. Mwina butokwa kuhita tuzuni tungi.
8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia heken’ ny Zanak’ olona kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra;
Ni wamba kwenu, yense yo niwamba havusu bwa bantu, Mwana u muntu kaka muwambe naye habusu bwa mañiloyi e Ireza.
9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra.
kono nyense yo nisampula havusu bwa Vvantu kaka sampulwe havunsu bwa mañiloyi e Reza.
10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak’ olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna dia tsy mba hahazo famelan-keloka.
Yense yo wamba linzwi ivilala kuamana ni mwana wo Muntu, ka wonderwe awo mazwi, kono kozo yo wamba vuvilala kuamana ni Luhuho lu Njolola, kasana a wonderwe.
11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin’ ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;
Hasana kava mi lete havusu bwa masinangonge, va yendisi, ni vena ha muvuso, kanji ni muvireri kuamana nimwete ni mwi tavire ku amana ni kulizimanina, kamba chete ni muwambe,
12 fa ny Fanahy Masìna no hampianatra anareo amin’ izany ora izany izay mety holazainareo.
kakuli Luhuho lu Njolola kalumi ka lumi lute mweyo nako chizi chi muswanera kuwamba.
13 Ary nisy anankiray teo amin’ ny vahoaka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
Linu zumwi mukati kechisi cha cho kwali, “Muruti, wambire mukulwangu kuti a liyavire chifumu chavayoli name.”
14 Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
Jesu cha kwa li, “Mukwame, Jeni wani vika mu atuli kamba muzimanini hakati kenu?”
15 Ary hoy Izy tamin’ ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ ny fieremana ianareo; fa ny ain’ ny olona tsy miankina amin’ ny habetsahan’ ny zavatra ananany.
Mi chati kuvali muli tokomere kobona kuti mulizwisa ku takazo yonse yomuuna, kakuti vuhalpo vo muntu kabwina vulyo hachi fumu chali kunganize muntu.”
16 Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin’ ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
Linu Jesu chava wambira i nguli, ni kucho Iuwa lo mukwame yavali kufumite, luvali kuvikite ahulu,
17 Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
mi chali wambira ni kucho, chizi chete ni pange kakuli kanina chiviko cho kuvika zilyo zina lima?
18 Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
Cha wamba, í chi jichona chete ni pange. Mu ni wise hansi zishente zangu ni kuzaka zikando ahulku, umo mwete ni vinke vuhenke bwangu vonse ni zimwi zimera zete ni sinze.
19 Dia hilaza amin’ ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
Muni wambe ku luhuho lwangu, “luhuho, wina zilyo zingi zisizitwe zonso seberise zirimo zingi. Pumule hande, lye, nwe, unsese.”
20 Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’ iza izay zavatra noharinao?
Kono Ireza cha cho kwali, 'Chihole cho mukwame, masiku a nsunu luhuho lwako luhindiwa kwanko, mi nzintu ziwa lukisa, muzive zani?'
21 Toy izany izay mihary harena ho an’ ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’ Andriamanitra.
China mwe kalire muntu yoli kunganyiza chifumu kwali mi kafumite havusu bwe Ireza.”
22 Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin’ ny tenanaren, izay hotafinareo.
Jesu cha wamba kuva lutwana bakwe, “Cwale he nicho kwenu, kanji muivireri kuamana ni vuhalo bwenu - chizi chese mulye, kamba kuyana nizo mubiri wenu - chinzi chete muzwate.
23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
Kakuti vuhalo bwina butokwa kuhita zilyo, mi muviri wina butokwa kuhita zizwato.
24 Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
Mulemuhe ma ñwarara, kuti kava byali kamba kusiza. Kazina zivinko kamba zishete, kono Ireza uzilelra. Muvo vutokwa vule kuhita zizuni!
25 Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza?
Mi jeni kwenu choku virera u wola kuyekeza i zuva kuvuhalo bwakwe?
26 Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ ny sisa?
Cwale haiva kamu oli kupanga nanga nti chitu chinini, chinzi hamu virera kuamana ni nzonse?
27 Hevero ny fanirin’ ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin’ ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ ireny.
Mulemuhe tuyanga yanga mutumenena - zikula vule. Kazi sevezi, kamba kuhosa. Kono ni cho kwenu, nanga Salumoni mwi kanya yakwe kenba aba zwatikiwa uvu ji limwi.
28 Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
Haiva Iraza uzwatika lyani lyomukanda, lina kwateni nsunu, mi inzona lizindirwa muhisa, inwe cwale mwa mizwatike vule, mawe inwe ve tumero inini!
29 Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.
Kanji mungani zete mulye kamba zete munwe kanji mu vireri.
30 Fa ny jentilisa amin’ izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
Kakuli inkanda zonse ze fasi bangana inzi nzintu, mi Ishenu wizi kuti musaka inzi zintu.
31 Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.
Kono musake mubuso wakwe, mi inzi zintu ka muziyekerezwe.
32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Kanji mutiyi, tumberere tunini, kakuli i shenu i sangitwe kumiha Muvuso.
33 Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
Mu uze maluwo enu mi muhe kuva shevete. Muli pangire ziviko zisa woli kusupala - Vufumu mwi wulu muzisa mani, uko kusengiri vasa mi Ifulapepe kuzisa shinyi.
34 Fa izay itoeran’ ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
Kakuti kwina chifumu chenu, uko ni inkulo yenu kwete ive nayo.
35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;
Imunda zenu zisuminwe muma tunga mi malambi enu a zwirenhavusu ni kumbukuka,
36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’ izay.
mi muswane uvu vantu bakwete kulola muyendisi wavo chakavola kumukiti we senso, iri kuti cha keza ni kwiza kungongo ta, yahaho bamwi yalwira mulyango.
37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
Imbuyoti yaba bahikana, vesana keza wanikize niva lindire chakeza. Chama niti ni miwambire kuti keza nsumine ziwato zakwe zile mumunda che tunga, ni kuve kalika hasi kuzilyo, mi mwakeze nikwiza kuva haza.
38 Ary na avy amin’ ny fiambenana faharoa amin’ ny alina izy, na avy amin’ ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
Haiva muyendisi ukeza malunga siku, kamba kalya butatu bwe nako, ni kwiza kuva wana vali tukise, Imbuyoti zavo vahikana.
39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
Konohape mwizive inchi, kuti haiva muyendisi we nzuvo ave zivite inako iyo musa avali kukeza, nasana a va siyiriri inzuvo yakwe ni iñatulwa.
40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ izay ora tsy ampoizinareo.
Mulitukiseze nanwe vulyo, kakuti kamwizi inako iyo mwana o Muntu sana keze.”
41 Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
Pitorosi chati, “Simwine, uwambira iyi nguli kwetu fera, kamba niku vantu vonse?”
42 Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin’ ny fotoana?
Mi Simwine chati, “Njeni he you sepahala ni kutalifa muyendisi simwine yata vike vuyendisi he wulu lya va hikana kuti a kuva hanga zilyo che nako iswanera?
43 Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan’ ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.
Ufuyaulitwe uzo muhikana, uzo muyendisi wakwe keza wane napanga izo hakeza.
44 Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
Cheniti niwamba kwenu kamuvike vuyendisi bwe luwo lyakwe.
45 Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
Kono haiva uzo muhikana nali wambnira mwinkulo ya kwe, 'Simwine wangu unlyeha kuku vola; mi utanga ku mbupola bahikana vava kwame ni ve chanakazi Vahikana, ni kulya ni nwa, ni kukolwa,
46 dia ho avy ny tompon’ izany mpanompo izany amin’ ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ ny tsy mahatoky.
simwine wozuna mu hikana kakeze mwizuba lyasa mulindire, ni mwi nako yasenzi mi kamu konsole mutu vindivindi nikumu tumina kuchi vaka chimwi navana vasasepahali.
47 Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon’ ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
Zuna muhikana, hace zivite mihupulo ya simwine wakwe, mi kena ava lukise kamba kuyendereza mwa sakira, kakaviwe cha mafaindi mangi.
48 Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
Kono uzo yasana a bezivite, kakaviwe chama faindi mache. Zumwi ni zumwi kwali kuherwe a hulu, zingi kazi sakahane kwali, mi kwali vava sepahali ahulu, kava vuze zingi ahulu kwali.
49 Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’ izany sahady?
Ni vakezi kuzindira muliro mwi kanda, mi muni sangirwa kuti kamba ciwuva mbukulwa kale.
50 Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
Kono nina i nkolovezo ini swanera kukolovezwa chayo, mi kaini kalikite hande konji chiya lizuziriza!
51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
Muhupula kuti ni va kezi kuleta inkozo mwi ikanda? Ne, Ni ki wambira, kono niva leti ikauhano.
52 Fa hatramin’ izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
Cwale kuzwa hanu kuya kuvusu, mukube mwizuvo nyonke inkauhano zeyanza lyonke - vantu vo tatwe kulyisa vovere, vantu vo vere kulwisa vantu vo tatwe.
53 Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
Kava kauhane mushemi we chikwame kulwisa mwana kwe we chiswisu, ni mwana we chiswisu kulwisa isi; mushemi we chanakazi kulwisa mwanakwe we chikazana, ni mwana kazana kulwisa nyina; mukwenyani we chanakazi kulwisa mukwenyana kwe we chikazana, ni mukwenyani we chikazana kulwisa mukwenyanakwe we chanakazi.”
54 Ary hoy Jesosy tamin’ ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin’ izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
Jesu avali kuwamba ni kuchisi bulyo,”Hamubona i kope lizimana kubwimino, yahaho mu wamba, 'I vula ikezite; mi iza kuva bulyo.
55 Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
Mi haiva luhuho lo kwiyaza lye chimonso ni hunga, mu wamba, 'Mukuhise a hulu nsunu; mi kwiza kuva vulyo.
56 Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin’ ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
Balihere, mwinzi kutoloka mayemo e kanda ni e wulu, linu vule hape hamusezi muku tolokerwa i nako ya hanu?
57 Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina?
Chinzi hamusa atuli zina hande kwenu?
58 Fa raha miara-mandeha amin’ ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin’ ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.
Kakuli haiva no yenda niyo ku zekisa kumu atuli, mu zira ulike ahulu kuti mumane indava naye, iri kuli kanji naka kutambinki kumu atuli, mi kuti muatuli kanji a kaku tambiki kumu yendisi, mi munyendisi kanji a kakusoheri mwi ntorongo.
59 Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
Ni wamba kwenu, kasana ko zwe mwateni konji hete no lihire ishereñi yama manimani yo kwete.”

< Lioka 12 >