< Lioka 12 >

1 Ary tamin’ izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin’ ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.
Then, as great crowds were standing so close that they were stepping on one another, he began to say to his disciples: “Beware of the leaven of the Pharisees, which is hypocrisy.
2 Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
For there is nothing covered, which will not be revealed, nor anything hidden, which will not be known.
3 Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ ny maizina dia ho re eo amin’ ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ ny efi-trano dia hotorina eo amin’ ny tampon-trano.
For the things that you have spoken in darkness will be declared in the light. And what you have said in the ear in bedrooms will be proclaimed from the housetops.
4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
So I say to you, my friends: Do not be fearful of those who kill the body, and afterwards have no more that they can do.
5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy. (Geenna g1067)
But I will reveal to you whom you should fear. Fear him who, after he will have killed, has the power to cast into Hell. So I say to you: Fear him. (Geenna g1067)
6 Tsy eranambatry va no vidin’ ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’ Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
Are not five sparrows sold for two small coins? And yet not one of these is forgotten in the sight of God.
7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
But even the very hairs of your head have all been numbered. Therefore, do not be afraid. You are worth more than many sparrows.
8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia heken’ ny Zanak’ olona kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra;
But I say to you: Everyone who will have confessed me before men, the Son of man will also confess him before the Angels of God.
9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra.
But everyone who will have denied me before men, he will be denied before the Angels of God.
10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak’ olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna dia tsy mba hahazo famelan-keloka.
And everyone who speaks a word against the Son of man, it will be forgiven of him. But of him who will have blasphemed against the Holy Spirit, it will not be forgiven.
11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin’ ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;
And when they will lead you to the synagogues, and to magistrates and authorities, do not choose to be worried about how or what you will answer, or about what you might say.
12 fa ny Fanahy Masìna no hampianatra anareo amin’ izany ora izany izay mety holazainareo.
For the Holy Spirit will teach you, in the same hour, what you must say.”
13 Ary nisy anankiray teo amin’ ny vahoaka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
And someone from the crowd said to him, “Teacher, tell my brother to share the inheritance with me.”
14 Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
But he said to him, “Man, who has appointed me as judge or arbitrator over you?”
15 Ary hoy Izy tamin’ ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ ny fieremana ianareo; fa ny ain’ ny olona tsy miankina amin’ ny habetsahan’ ny zavatra ananany.
So he said to them: “Be cautious and wary of all avarice. For a person’s life is not found in the abundance of the things that he possesses.”
16 Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin’ ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
Then he spoke to them using a comparison, saying: “The fertile land of a certain wealthy man produced crops.
17 Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
And he thought within himself, saying: ‘What should I do? For I have nowhere to gather together my crops.’
18 Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
And he said: ‘This is what I will do. I will tear down my barns and build larger ones. And into these, I will gather all the things that have been grown for me, as well as my goods.
19 Dia hilaza amin’ ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
And I will say to my soul: Soul, you have many goods, stored up for many years. Relax, eat, drink, and be cheerful.’
20 Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’ iza izay zavatra noharinao?
But God said to him: ‘Foolish one, this very night they require your soul of you. To whom, then, will those things belong, which you have prepared?’
21 Toy izany izay mihary harena ho an’ ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’ Andriamanitra.
So it is with him who stores up for himself, and is not wealthy with God.”
22 Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin’ ny tenanaren, izay hotafinareo.
And he said to his disciples: “And so I say to you: Do not choose to be anxious about your life, as to what you may eat, nor about your body, as to what you will wear.
23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
Life is more than food, and the body is more than clothing.
24 Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
Consider the ravens. For they neither sow nor reap; there is no storehouse or barn for them. And yet God pastures them. How much more are you, compared to them?
25 Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza?
But which of you, by thinking, is able to add one cubit to his stature?
26 Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ ny sisa?
Therefore, if you are not capable, in what is so little, why be anxious about the rest?
27 Hevero ny fanirin’ ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin’ ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ ireny.
Consider the lilies, how they grow. They neither work nor weave. But I say to you, not even Solomon, in all his glory, was clothed like one of these.
28 Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
Therefore, if God so clothes the grass, which is in the field today and thrown into the furnace tomorrow, how much more you, O little in faith?
29 Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.
And so, do not choose to inquire as to what you will eat, or what you will drink. And do not choose to be lifted up on high.
30 Fa ny jentilisa amin’ izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
For all these things are sought by the Gentiles of the world. And your Father knows that you have need of these things.
31 Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.
Yet truly, seek first the kingdom of God, and his justice, and all these things shall be added to you.
32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Do not be afraid, little flock; for it has pleased your Father to give you the kingdom.
33 Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
Sell what you possess, and give alms. Make for yourselves purses that will not wear out, a treasure that will not fall short, in heaven, where no thief approaches, and no moth corrupts.
34 Fa izay itoeran’ ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
For where your treasure is, there will your heart be also.
35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;
Let your waists be girded, and let lamps be burning in your hands.
36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’ izay.
And let you yourselves be like men awaiting their lord, when he will return from the wedding; so that, when he arrives and knocks, they may open to him promptly.
37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
Blessed are those servants whom the Lord, when he returns, will find being vigilant. Amen I say to you, that he will gird himself and have them sit down to eat, while he, continuing on, will minister to them.
38 Ary na avy amin’ ny fiambenana faharoa amin’ ny alina izy, na avy amin’ ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
And if he will return in the second watch, or if in the third watch, and if he will find them to be so: then blessed are those servants.
39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
But know this: that if the father of the family knew at what hour the thief would arrive, he would certainly stand watch, and he would not permit his house to be broken into.
40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ izay ora tsy ampoizinareo.
You also must be prepared. For the Son of man will return at an hour that you will not realize.”
41 Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
Then Peter said to him, “Lord, are you telling this parable to us, or also to everyone?”
42 Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin’ ny fotoana?
So the Lord said: “Who do you think is the faithful and prudent steward, whom his Lord has appointed over his family, in order to give them their measure of wheat in due time?
43 Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan’ ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.
Blessed is that servant if, when his Lord will return, he will find him acting in this manner.
44 Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
Truly I say to you, that he will appoint him over all that he possesses.
45 Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
But if that servant will have said in his heart, ‘My Lord has made a delay in his return,’ and if he has begun to strike the men and women servants, and to eat and drink, and to be inebriated,
46 dia ho avy ny tompon’ izany mpanompo izany amin’ ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ ny tsy mahatoky.
then the Lord of that servant will return on a day which he hoped not, and at an hour which he knew not. And he will separate him, and he will place his portion with that of the unfaithful.
47 Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon’ ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
And that servant, who knew the will of his Lord, and who did not prepare and did not act according to his will, will be beaten many times over.
48 Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
Yet he who did not know, and who acted in a way that deserves a beating, will be beaten fewer times. So then, of all to whom much has been given, much will be required. And of those to whom much has been entrusted, even more will be asked.
49 Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’ izany sahady?
I have come to cast a fire upon the earth. And what should I desire, except that it may be kindled?
50 Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
And I have a baptism, with which I am to be baptized. And how I am constrained, even until it may be accomplished!
51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
Do you think that I have come to give peace to the earth? No, I tell you, but division.
52 Fa hatramin’ izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
For from this time on, there will be five in one house: divided as three against two, and as two against three.
53 Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
A father will be divided against a son, and a son against his father; a mother against a daughter and a daughter against a mother; a mother-in-law against her daughter-in-law, and a daughter-in-law against her mother-in-law.”
54 Ary hoy Jesosy tamin’ ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin’ izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
And he also said to the crowds: “When you see a cloud rising from the setting of the sun, immediately you say, ‘A rain cloud is coming.’ And so it does.
55 Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
And when a south wind is blowing, you say, ‘It will be hot.’ And so it is.
56 Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin’ ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
You hypocrites! You discern the face of the heavens, and of the earth, yet how is it that you do not discern this time?
57 Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina?
And why do you not, even among yourselves, judge what is just?
58 Fa raha miara-mandeha amin’ ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin’ ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.
So, when you are going with your adversary to the ruler, while you are on the way, make an effort to be freed from him, lest perhaps he may lead you to the judge, and the judge may deliver you to the officer, and the officer may cast you into prison.
59 Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
I tell you, you will not depart from there, until you have paid the very last coin.”

< Lioka 12 >