< Lioka 11 >

1 Ary Jesosy nivavaka tao amin’ ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran’ i Jaona ny mpianany.
Siku moja, Yesu alikuwa mahali fulani akisali. Alipomaliza kusali, mmoja wa wanafunzi wake akamwambia, “Bwana, tunakuomba utufundishe kusali kama Yohane mbatizaji alivyowafundisha wanafunzi wake.”
2 Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.
Yesu akawaambia, “Mnaposali, semeni: Baba! Jina lako litukuzwe; Ufalme wako ufike.
3 Omeo anay isan’ andro izay hanina sahaza ho anay.
Utupe daima chakula chetu cha kila siku.
4 Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy.
Utusamehe dhambi zetu, maana sisi tunawasamehe wote waliotukosea; wala usitutie katika majaribu.”
5 Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho;
Kisha akawaambia, “Tuseme mmoja wenu anaye rafiki, akaenda kwake usiku wa manane, akamwambia: Rafiki, tafadhali niazime mikate mitatu,
6 fa ny sakaizako nandeha tamin’ ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy;
kwa kuwa rafiki yangu amepitia kwangu akiwa safarini nami sina cha kumpa.
7 ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho?
Naye, akiwa ndani angemjibu: Usinisumbue! Nimekwisha funga mlango. Mimi na watoto wangu tumelala; siwezi kuamka nikupe!
8 Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy.
Hakika, ingawa hataamka ampe kwa sababu yeye ni rafiki yake, lakini, kwa sababu ya huyo mtu kuendelea kumwomba, ataamka ampe chochote anachohitaji.
9 Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
Kwa hiyo, ombeni, nanyi mtapewa, tafuteni, nanyi mtapata, bisheni nanyi mtafunguliwa.
10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
Maana yeyote aombaye hupewa, atafutaye hupata na abishaye hufunguliwa.
11 Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ ny hazandrano?
Mtoto akimwomba baba yake samaki, je, atampa nyoka badala ya samaki?
12 ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka?
Na kama akimwomba yai, je, atampa ng'e?
13 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masìna ho an’ izay mangataka aminy?
Ninyi, ingawa ni waovu, mnajua kuwapa watoto wenu vitu vizuri. Basi, baba yenu wa mbinguni atafanya zaidi; atawapa Roho Mtakatifu wale wanaomwomba.”
14 Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.
Siku moja Yesu alikuwa anamfukuza pepo aliyemfanya mtu mmoja kuwa bubu. Basi, huyo pepo alipomtoka, yule mtu akaweza kuongea hata umati wa watu ukashangaa.
15 Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan’ ny demonia, no amoahany ny demonia.
Lakini baadhi ya watu hao wakasema, “Anamfukuza pepo kwa uwezo wa Beelzebuli, mkuu wa pepo.”
16 Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.
Wengine, wakimjaribu, wakamtaka afanye ishara kuonyesha kama alikuwa na idhini kutoka mbinguni.
17 Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.
Lakini yeye, akiwa anayajua mawazo yao, akawaambia, “Ufalme wowote uliofarakana wenyewe, hauwezi kudumu; kadhalika, jamaa yeyote inayofarakana huangamia.
18 Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan’ ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia.
Kama Shetani anajipinga mwenyewe, utawala wake utasimamaje? Mnasemaje, basi, kwamba ninawafukuza pepo kwa uwezo wa Beelzebuli?
19 Fa raha Izaho mamoaka demonia amin’ ny herin’ i Belzeboba, dia amin’ ny herin’ iza kosa no amoahan’ ny zanakareo azy? koa amin’ izany dia ho mpitsara anareo ireo.
Kama ninafukuza pepo kwa uwezo wa Beelzebuli, watoto wenu huwafukuza kwa uwezo wa nani? Kwa sababu hiyo, wao ndio watakaowahukumu ninyi.
20 Fa raha ny rantsan-tànan’ Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan’ Andriamanitra.
Lakini ikiwa ninawafukuza pepo kwa uwezo wa Mungu, basi jueni kwamba Ufalme wa Mungu umekwisha fika kwenu.
21 Raha ny mahery mivonona amin’ ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany.
“Mtu mwenye nguvu anapolinda jumba lake kwa silaha, mali yake yote iko salama.
22 Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.
Lakini akija mwenye nguvu zaidi akamshambulia na kumshinda, huyo huziteka silaha zake alizotegemea na kugawanya nyara.
23 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
Yeyote asiyejiunga nami, ananipinga; na yeyote asiyekusanya pamoja nami, hutawanya.
24 Raha mivoaka amin’ ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.
“Pepo mchafu akifukuzwa kwa mtu fulani, huzururazurura jangwani akitafuta mahali pa kupumzikia. Asipopata, hujisemea: Nitarudi kwenye makao yangu nilikotoka.
25 Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.
Anaporudi, huikuta ile nyumba imefagiwa na kupambwa.
26 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’ izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.
Basi, huenda na kuwachukua pepo wengine saba waovu zaidi kuliko yeye; wote huenda na kumwingia mtu yule. Hivyo, basi hali ya mtu huyo sasa huwa mbaya zaidi kuliko pale mwanzo.”
27 Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin’ ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.
Alipokuwa akisema hayo, mwanamke mmoja katika lile kundi la watu, akasema kwa sauti kubwa: “Heri tumbo lililokuzaa, na maziwa yaliyokunyonyesha!”
28 Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina izany.
Lakini Yesu akasema, “Lakini heri zaidi wale wanaolisikia neno la Mungu na kulishika.”
29 Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’ i Jona;
Umati wa watu ulipozidi kuongezeka, Yesu akawaambia, “Kizazi hiki ni kizazi kiovu. Kinataka ishara, lakini hakitapewa ishara yoyote isipokuwa ile ya Yona.
30 Fa tahaka an’ i Jona izay famantarana tamin’ ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak’ olona amin’ ity taranaka ity.
Jinsi Yona alivyokuwa ishara kwa watu wa Ninewi, ndivyo pia Mwana wa Mtu atakavyokuwa ishara kwa kizazi hiki.
31 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin’ ny lehilahy amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
Malkia wa kusini atatokea wakati kizazi hiki kitakapohukumiwa, naye atashuhudia kwamba kina hatia. Yeye alisafiri kutoka mbali, akaja kusikiliza maneno ya hekima ya Solomoni; kumbe hapa pana mkuu zaidi kuliko Solomoni.
32 Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin’ ny nitorian’ i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
Watu wa Ninewi watatokea wakati kizazi hiki kitakapohukumiwa, na watashuhudia kwamba kizazi hiki kina hatia. Hao watu wa Ninewi walitubu kwa sababu ya mahubiri ya Yona; na hapa pana mkuu zaidi kuliko Yona!
33 Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’ izay miditra ny mazava.
“Hakuna mtu anayewasha taa na kuifunika kwa pishi, bali huiweka juu ya kinara ili watu wanaoingia ndani wapate kuona mwanga.
34 Ny masonao no jiron’ ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.
Jicho lako ni kama taa ya mwili wako; likiwa zima, mwili wako wote utakuwa katika mwanga. Jicho lako likiwa bovu, na mwili wako pia utakuwa katika giza.
35 Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.
Uwe mwangalifu basi mwanga ulio ndani yako usije ukawa giza.
36 Ary amin’ izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.
Basi, kama mwili wako wote una mwanga, bila kuwa na sehemu yoyote yenye giza, mwili huo utang'aa kikamilifu kama vile taa inavyokuangazia kwa mwanga wake.”
37 Ary raha mbola niteny Jesosy, dia nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nihinana.
Yesu alipokuwa akiongea, Mfarisayo mmoja alimkaribisha chakula nyumbani kwake, naye akaenda, akaketi kula chakula.
38 Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana.
Huyo Mfarisayo alistaajabu kuona kwamba alikula chakula bila kunawa.
39 Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana.
Bwana akamwambia, “Ninyi Mafarisayo huosha kikombe na sahani kwa nje, lakini ndani mmejaa udhalimu na uovu.
40 Ry adala! Tsy izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa?
Wapumbavu ninyi! Je, aliyetengeneza nje si ndiye aliyetengeneza ndani pia?
41 Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.
Toeni kwa maskini vile vitu vilivyomo ndani, na vingine vyote vitakuwa halali kwenu.
42 Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’ Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
“Lakini ole wenu Mafarisayo, kwa sababu mnatoza watu zaka hata juu ya majani ya kukolezea chakula, mchicha na majani mengine, na huku hamjali juu ya haki na upendo kwa Mungu. Mambo haya iliwapasa muwe mmeyazingatia bila kuyasahau yale mengine.
43 Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin’ ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo.
“Ole wenu ninyi Mafarisayo, kwa sababu mnapenda kuketi mbele mahali pa heshima katika masunagogi, na kusalimiwa kwa heshima hadharani.
44 Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy.
Ole wenu, kwa sababu mko kama makaburi yaliyofichika; watu hutembea juu yake bila kufahamu.”
45 Ary ny anankiray tamin’ ny mpahay lalàna namaly ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka anay koa.
Mmoja wa walimu wa Sheria akamwambia, “Mwalimu, maneno yako yanatukashifu na sisi pia.”
46 Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin’ ny rantsan-tananareo iray aza.
Yesu akamjibu, “Na ninyi walimu wa Sheria, ole wenu; maana mnawatwika watu mizigo isiyochukulika, huku ninyi wenyewe hamnyoshi hata kidole kuwasaidia.
47 Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan’ ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy.
Ole wenu, kwa kuwa mnajenga makaburi ya manabii wale ambao wazee wenu waliwaua.
48 Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan’ ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany.
Kwa hiyo mnashuhudia na kukubaliana na matendo ya wazee wenu; maana wao waliwaua hao manabii, nanyi mnajenga makaburi yao.
49 Koa izany no nanambaran’ ny fahendren’ Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny,
Kwa hiyo, Hekima ya Mungu ilisema hivi: Nitawapelekea manabii na mitume, lakini watawaua baadhi yao, na kuwatesa wengine.
50 mba hadinina amin’ ity taranaka ity ny ran’ ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao,
Matokeo yake ni kwamba kizazi hiki kitaadhibiwa kwa sababu ya damu ya manabii wote iliyomwagika tangu mwanzo wa ulimwengu;
51 dia hatramin’ ny ran’ i Abela ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin’ ity taranaka ity izany.
tangu kumwagwa damu ya Abeli mpaka kifo cha Zakariya ambaye walimuua kati ya madhabahu na mahali patakatifu. Naam, hakika kizazi hiki kitaadhibiwa kwa matendo haya.
52 Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin’ ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo.
“Ole wenu ninyi walimu wa Sheria, kwa sababu mmeuficha ule ufunguo wa mlango wa elimu; ninyi wenyewe hamkuingia na mmewazuia waliokuwa wanaingia wasiingie.”
53 Ary raha niala teo Izy, dia noteren’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro.
Alipokuwa akitoka pale, wale Mafarisayo na walimu wa Sheria wakaanza kumshambulia vikali na kumsonga kwa maswali mengi
54 Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin’ ny teny naloaky ny vavany.
ili wapate kumnasa kwa maneno yake.

< Lioka 11 >