< Levitikosy 5 >

1 Ary raha misy manota, satria mandre ny feon’ ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany,
If a soul will have sinned, and heard the voice of one testifying under oath, and he is a witness because either he has seen it himself, or he is aware of it: if he does not reveal it, he shall carry his iniquity.
2 na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin’ ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin’ ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin’ ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany,
The soul that will have touched anything unclean, either that which has been killed by a beast, or that which has died on its own, or any other creeping thing, and will have forgotten its uncleanness, he is guilty and has committed a transgression.
3 na misy mikasika ny fahalotoan’ olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy,
And if he will have touched anything from the uncleanness of man, according to every kind of impurity by which he may be defiled, and having forgotten it, afterwards realizes it, he shall be guilty of committing a transgression.
4 na misy mianiana ka miteniteny foana amin’ ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin’ ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany, ka meloka amin’ ny anankiray amin’ ireo izy:
The soul who swears and offers from his own lips that he would do either evil or good, and who will have bound the same with an oath and with his own words, and, having forgotten it, afterwards understands his transgression,
5 koa raha meloka amin’ ny anankiray amin’ ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany,
let him do penance for his sin,
6 ary hitondra ny saziny ho an’ i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany.
and let him offer from the flocks a female lamb or a she-goat, and the priest shall pray for him and for his sin.
7 Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an’ i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.
But if he is not able to offer a beast, let him offer two turtledoves or two young pigeons to the Lord, one for sin, and the other for a holocaust.
8 Dia hitondra ireo ho eo amin’ ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin’ ny hoho ny lohany ho afaka amin’ ny vozony, fa tsy hohenteriny izy.
And he shall give them to the priest, who, offering the first for sin, shall twist back its head to the little wings, so that it adheres to the neck and is not entirely broken off.
9 Ary hamafazany eo amin’ ny rindrin’ ny alitara ny ran’ ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa hofiazany eo am-bodin’ ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany.
And he shall sprinkle some of its blood at the side of the altar. But whatever will remain, he shall cause it to drip down to the base, because it is for sin.
10 Ary ny iray kosa dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
Yet truly, the other he shall burn as a holocaust, just as is usually done. And the priest shall pray for him, and for his sin, and he shall be released from it.
11 Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.
But if his hand is unable to offer two turtledoves or two young pigeons, he shall offer, for his sin, the tenth part of an ephah of fine wheat flour. He shall not put oil in it, nor place upon it any frankincense, because it is for sin.
12 Dia hitondra azy ho eo amin’ ny mpisorona izy, ary handraofan’ ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara miaraka amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
And he shall deliver it to the priest, who shall take a handful of it, and shall burn it upon the altar as a memorial for him who offered it,
13 Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin’ ny anankiray amin’ ireo, dia havela ny helony; ary ho an’ ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina.
praying for him and making atonement. Yet truly, the remaining part he himself shall have as a gift.
14 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And the Lord spoke to Moses, saying:
15 Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ ny zava-masin’ i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masìna, ho fanati-panonerana.
If a soul, by mistake, shall have transgressed the ceremonies in those things that are sanctified to the Lord, he shall offer for his offense an immaculate ram from the flocks, such as can be bought for two shekels, according to the weight of the Sanctuary.
16 Ary izay efa nanotany ny amin’ ny zava-masìna dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin’ ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin’ ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.
And he shall make restitution for the damage that he has brought, and he shall add a fifth part more, delivering it to the priest, who shall pray for him while offering the ram, and he shall be released from it.
17 Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,
If a soul will have sinned through ignorance, and will have done one of those things which the law of the Lord prohibits, and, being guilty of sin, understands his iniquity,
18 dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin’ ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony;
he shall offer from the flocks an immaculate ram to the priest, according to the measure and estimation of the sin, who shall pray for him, because he did it unknowingly, and he shall be released from it,
19 dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin’ i Jehovah tokoa izy.
because by mistake he transgressed against the Lord.

< Levitikosy 5 >