< Levitikosy 4 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Yahweh spoke to Moses, saying,
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ ireny:
“Speak to the children of Israel, saying, ‘If anyone sins unintentionally, in any of the things which Yahweh has commanded not to be done, and does any one of them,
3 raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr’ ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an’ i Jehovah.
if the anointed priest sins so as to bring guilt on the people, then let him offer for his sin which he has sinned a young bull without defect to Yahweh for a sin offering.
4 Ary hitondra ny vantotr’ ombilahy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan’ i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan’ i Jehovah.
He shall bring the bull to the door of the Tent of Meeting before Yahweh; and he shall lay his hand on the head of the bull, and kill the bull before Yahweh.
5 Ary hangalan’ ny mpisorona voahosotra ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka ho entiny ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana;
The anointed priest shall take some of the blood of the bull, and bring it to the Tent of Meeting.
6 ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony eo amin’ ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny efitra lamba ao amin’ ny fitoerana masìna;
The priest shall dip his finger in the blood, and sprinkle some of the blood seven times before Yahweh, before the veil of the sanctuary.
7 ary hotentenan’ ny mpisorona rà ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah, izay ao amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ny rà sisa rehetra avy amin’ ny vantotr’ ombilahy dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
The priest shall put some of the blood on the horns of the altar of sweet incense before Yahweh, which is in the Tent of Meeting; and he shall pour out the rest of the blood of the bull at the base of the altar of burnt offering, which is at the door of the Tent of Meeting.
8 Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin’ ny vantotr’ ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,
He shall take all the fat of the bull of the sin offering from it: the fat that covers the innards, and all the fat that is on the innards,
9 ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany,
and the two kidneys, and the fat that is on them, which is by the loins, and the cover on the liver, with the kidneys, he shall remove,
10 tahaka ny fanalana azy amin’ ny omby izay atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
as it is removed from the bull of the sacrifice of peace offerings. The priest shall burn them on the altar of burnt offering.
11 Fa ny hoditry ny vantotr’ ombilahy sy ny henany rehetra mbamin’ ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny tain-drorohany,
He shall carry the bull’s skin, all its meat, with its head, and with its legs, its innards, and its dung
12 dia ny tenan’ ny vantotr’ ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan’ ny toby ho amin’ izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin’ ny kitay amin’ ny afo izy; eo amin’ ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
—all the rest of the bull—outside of the camp to a clean place where the ashes are poured out, and burn it on wood with fire. It shall be burned where the ashes are poured out.
13 Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan’ ny mason’ ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao izy ka meloka,
“‘If the whole congregation of Israel sins, and the thing is hidden from the eyes of the assembly, and they have done any of the things which Yahweh has commanded not to be done, and are guilty;
14 rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr’ ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana.
when the sin in which they have sinned is known, then the assembly shall offer a young bull for a sin offering, and bring it before the Tent of Meeting.
15 Ary ny loholon’ ny fiangonana hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy eo anatrehan’ i Jehovah; ary ny vantotr’ ombilahy dia hovonoina eo anatrehan’ i Jehovah.
The elders of the congregation shall lay their hands on the head of the bull before Yahweh; and the bull shall be killed before Yahweh.
16 Ary hangalan’ ny mpisorona voahosotra ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka ho entiny ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana,
The anointed priest shall bring some of the blood of the bull to the Tent of Meeting.
17 ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin’ ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah, dia eo anoloan’ ny efitra lamba.
The priest shall dip his finger in the blood and sprinkle it seven times before Yahweh, before the veil.
18 Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan’ i Jehovah, dia ilay ao anatin’ ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana.
He shall put some of the blood on the horns of the altar which is before Yahweh, that is in the Tent of Meeting; and the rest of the blood he shall pour out at the base of the altar of burnt offering, which is at the door of the Tent of Meeting.
19 Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara.
All its fat he shall take from it, and burn it on the altar.
20 Ary ny vantotr’ ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny vantotr’ ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an’ ny olona, dia havela ny helony.
He shall do this with the bull; as he did with the bull of the sin offering, so he shall do with this; and the priest shall make atonement for them, and they shall be forgiven.
21 Ary ny vantotr’ ombilahy dia havoakany ho eny ivelan’ ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr’ ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an’ ny fiangonana izany.
He shall carry the bull outside the camp, and burn it as he burned the first bull. It is the sin offering for the assembly.
22 Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah Andriamaniny amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,
“‘When a ruler sins, and unwittingly does any one of all the things which Yahweh his God has commanded not to be done, and is guilty,
23 ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy kilema ho fanatiny izy;
if his sin in which he has sinned is made known to him, he shall bring as his offering a goat, a male without defect.
24 ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin’ ny famenoana ny fanatitra dorana eo anatrehan’ i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
He shall lay his hand on the head of the goat, and kill it in the place where they kill the burnt offering before Yahweh. It is a sin offering.
25 Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;
The priest shall take some of the blood of the sin offering with his finger, and put it on the horns of the altar of burnt offering. He shall pour out the rest of its blood at the base of the altar of burnt offering.
26 ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, tahaka ny saboran’ ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.
All its fat he shall burn on the altar, like the fat of the sacrifice of peace offerings; and the priest shall make atonement for him concerning his sin, and he will be forgiven.
27 Ary raha misy amin’ ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,
“‘If anyone of the common people sins unwittingly, in doing any of the things which Yahweh has commanded not to be done, and is guilty,
28 ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho’ ny fahotany izay nataony.
if his sin which he has sinned is made known to him, then he shall bring for his offering a goat, a female without defect, for his sin which he has sinned.
29 Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin’ ny fitoeran’ ny fanatitra dorana.
He shall lay his hand on the head of the sin offering, and kill the sin offering in the place of burnt offering.
30 Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara.
The priest shall take some of its blood with his finger, and put it on the horns of the altar of burnt offering; and the rest of its blood he shall pour out at the base of the altar.
31 Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran’ ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony.
All its fat he shall take away, like the fat is taken away from the sacrifice of peace offerings; and the priest shall burn it on the altar for a pleasant aroma to Yahweh; and the priest shall make atonement for him, and he will be forgiven.
32 Ary raha zanak’ ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny;
“‘If he brings a lamb as his offering for a sin offering, he shall bring a female without defect.
33 ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin’ ny famonoana ny fanatitra dorana.
He shall lay his hand on the head of the sin offering, and kill it for a sin offering in the place where they kill the burnt offering.
34 Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara.
The priest shall take some of the blood of the sin offering with his finger, and put it on the horns of the altar of burnt offering; and all the rest of its blood he shall pour out at the base of the altar.
35 Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran’ ny zanak’ ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
He shall remove all its fat, like the fat of the lamb is removed from the sacrifice of peace offerings. The priest shall burn them on the altar, on the offerings of Yahweh made by fire. The priest shall make atonement for him concerning his sin that he has sinned, and he will be forgiven.

< Levitikosy 4 >