< Levitikosy 3 >

1 Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’ i Jehovah. 2 Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara. 3 Dia hangalan’ ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy 4 sy ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany. 5 Ary ireo zanak’ i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ ny alitara miaraka amin’ ny fanatitra dorana izay eo ambonin’ ny kitay eo amin’ ny afo; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany. 6 Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny. 7 Raha zanak’ ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah izy. 8 Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’ i Arona hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara. 9 Ary hangalan’ ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin’ ny faran’ ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy 10 ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany. 11 Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; hanina avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany. 12 Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah izy. 13 Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’ i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara. 14 Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy 15 ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany. 16 Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; hanina avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an’ i Jehovah ny sabora rehetra. 17 Izao no ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby eny amin’ izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.

< Levitikosy 3 >