< Levitikosy 26 >

1 Aza manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Ego Dominus Deus vester: non facietis vobis idolum, et sculptile, nec titulos erigetis, nec insignem lapidem ponetis in terra vestra, ut adoretis eum. Ego enim sum Dominus Deus vester.
2 Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masìna: Izaho no Jehovah.
Custodite sabbata mea, et pavete ad sanctuarium meum. Ego Dominus.
3 Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,
Si in præceptis meis ambulaveritis, et mandata mea custodieritis, et feceritis ea, dabo vobis pluvias temporibus suis,
4 dia hanome anareo ranonorana amin’ ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
et terra gignet germen suum, et pomis arbores replebuntur.
5 Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin’ ny taninareo.
Apprehendet messium tritura vindemiam, et vindemia occupabit sementem: et comedetis panem vestrum in saturitate, et absque pavore habitabitis in terra vestra.
6 Any homeko fiadanana eo amin’ ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
Dabo pacem in finibus vestris: dormietis, et non erit qui exterreat. Auferam malas bestias, et gladius non transibit terminos vestros.
7 Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
Persequemini inimicos vestros, et corruent coram vobis.
8 Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
Persequentur quinque de vestris centum alienos, et centum de vobis decem millia: cadent inimici vestri gladio in conspectu vestro.
9 Any hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko aminareo Aho.
Respiciam vos, et crescere faciam: multiplicabimini, et firmabo pactum meum vobiscum.
10 Any hihinana ny tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
Comedetis vetustissima veterum, et vetera novis supervenientibus projicietis.
11 Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ ny fanahiko ianareo.
Ponam tabernaculum meum in medio vestri, et non abjiciet vos anima mea.
12 Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.
Ambulabo inter vos, et ero Deus vester, vosque eritis populus meus.
13 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,
Ego Dominus Deus vester, qui eduxi vos de terra Ægyptiorum, ne serviretis eis: et qui confregi catenas cervicum vestrarum, ut incederetis erecti.
14 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
Quod si non audieritis me, nec feceritis omnia mandata mea,
15 ary hamavoinareo ny didiko, na halan’ ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
si spreveritis leges meas, et judicia mea contempseritis, ut non faciatis ea quæ a me constituta sunt, et ad irritum perducatis pactum meum:
16 Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
ego quoque hæc faciam vobis: visitabo vos velociter in egestate, et ardore, qui conficiat oculos vestros, et consumat animas vestras. Frustra seretis sementem, quæ ab hostibus devorabitur.
17 Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
Ponam faciem meam contra vos, et corruetis coram hostibus vestris, et subjiciemini his qui oderunt vos: fugietis, nemine persequente.
18 Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin’ izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
Sin autem nec sic obedieritis mihi, addam correptiones vestras septuplum propter peccata vestra,
19 Ary horavako ny reharehan’ ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana;
et conteram superbiam duritiæ vestræ. Daboque vobis cælum desuper sicut ferrum, et terram æneam.
20 fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin’ ny tany.
Consumetur incassum labor vester, non proferet terra germen, nec arbores poma præbebunt.
21 Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo.
Si ambulaveritis ex adverso mihi, nec volueritis audire me, addam plagas vestras in septuplum propter peccata vestra:
22 Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra.
immittamque in vos bestias agri, quæ consumant vos, et pecora vestra, et ad paucitatem cuncta redigant, desertæque fiant viæ vestræ.
23 Any raha tsy mandray ny anatro amin’ izany ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
Quod si nec sic volueritis recipere disciplinam, sed ambulaveritis ex adverso mihi:
24 Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
ego quoque contra vos adversus incedam, et percutiam vos septies propter peccata vestra,
25 Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin’ ny tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan’ ny fahavalo ianareo.
inducamque super vos gladium ultorem fœderis mei. Cumque confugeritis in urbes, mittam pestilentiam in medio vestri, et trademini in manibus hostium,
26 Raha tapahiko ny vary, izay tohan’ ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
postquam confregero baculum panis vestri: ita ut decem mulieres in uno clibano coquant panes, et reddant eos ad pondus: et comedetis, et non saturabimini.
27 Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin’ izany indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
Sin autem nec per hæc audieritis me, sed ambulaveritis contra me:
28 dia hamely anareo amin’ ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
et ego incedam adversus vos in furore contrario, et corripiam vos septem plagis propter peccata vestra:
29 Dia hihinana ny nofon’ ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy ianareo.
ita ut comedatis carnes filiorum vestrorum et filiarum vestrarum.
30 Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ ny fatin’ ny sampinareo, ary ho halan’ ny fanahiko ianareo.
Destruam excelsa vestra, et simulacra confringam. Cadetis inter ruinas idolorum vestrorum, et abominabitur vos anima mea,
31 Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
in tantum ut urbes vestras redigam in solitudinem, et deserta faciam sanctuaria vestra, nec recipiam ultra odorem suavissimum.
32 Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin’ izany ny fahavalonareo izay monina eo.
Disperdamque terram vestram, et stupebunt super ea inimici vestri, cum habitatores illius fuerint.
33 Ary ianareo dia haeliko any amin’ ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
Vos autem dispergam in gentes, et evaginabo post vos gladium, eritque terra vestra deserta, et civitates vestræ dirutæ.
34 Ary amin’ izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin’ ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
Tunc placebunt terræ sabbata sua cunctis diebus solitudinis suæ: quando fueritis
35 amin’ ny andro hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon’ izay tsy nitsaharany tamin’ ny sabatanareo, raha mbola nonina teo ianareo.
in terra hostili, sabbatizabit, et requiescet in sabbatis solitudinis suæ, eo quod non requieverit in sabbatis vestris quando habitabatis in ea.
36 Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
Et qui de vobis remanserint, dabo pavorem in cordibus eorum in regionibus hostium, terrebit eos sonitus folii volantis, et ita fugient quasi gladium: cadent, nullo persequente,
37 Ary ho lavo mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo.
et corruent singuli super fratres suos, quasi bella fugientes, nemo vestrum inimicis audebit resistere.
38 Any dia ho lany ringana any amin’ ny jentilisa ianareo, any ho lanin’ ny tanin’ ny fahavalonareo ianareo.
Peribitis inter gentes, et hostilis vos terra consumet.
39 Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
Quod si et de iis aliqui remanserint, tabescent in iniquitatibus suis, in terra inimicorum suorum, et propter peccata patrum suorum et sua affligentur:
40 Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin’ ny nanoherany Ahy,
donec confiteantur iniquitates suas, et majorum suorum, quibus prævaricati sunt in me, et ambulaverunt ex adverso mihi.
41 ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, raha hietry amin’ izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin’ ny helony izy,
Ambulabo igitur et ego contra eos, et inducam illos in terram hostilem, donec erubescat incircumcisa mens eorum: tunc orabunt pro impietatibus suis.
42 dia hotsarovako ny fanekeko tamin’ i Jakoba sy ny fanekeko tamin’ Isaka ary ny fanekeko tamin’ i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.
Et recordabor fœderis mei, quod pepigi cum Jacob, et Isaac, et Abraham. Terræ quoque memor ero:
43 Ary ny tany hilaozan’ ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin’ ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan’ ny fanahiny ny didiko.
quæ cum relicta fuerit ab eis, complacebit sibi in sabbatis suis, patiens solitudinem propter illos. Ipsi vero rogabunt pro peccatis suis, eo quod abjecerint judicia mea, et leges meas despexerint.
44 Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ ny tanin’ ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
Et tamen etiam cum essent in terra hostili, non penitus abjeci eos, neque sic despexi ut consumerentur, et irritum facerent pactum meum cum eis. Ego enim sum Dominus Deus eorum,
45 Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta teo Imason’ ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.
et recordabor fœderis mei pristini, quando eduxi eos de terra Ægypti in conspectu gentium, ut essem Deus eorum. Ego Dominus.
46 lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon’ i Jehovah ho aminy sy amin’ ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an’ i Mosesy.
Hæc sunt judicia atque præcepta et leges quas dedit Dominus inter se et filios Israël in monte Sinai per manum Moysi.

< Levitikosy 26 >