< Levitikosy 24 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And YHWH speaks to Moses, saying,
2 Mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.
“Command the sons of Israel, and they bring pure oil of beaten olive to you for the lamp, to cause a light to go up continually;
3 Eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin’ ny trano-lay fihaonana, no handaharan’ i Arona azy, hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina, eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany.
Aaron arranges it at the outside of the veil of the Testimony, in the Tent of Meeting, from evening until morning before YHWH continually—a continuous statute throughout your generations;
4 Eo amin’ ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
he arranges the lights on the pure lampstand before YHWH continually.
5 Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin’ ny folo; roa ampahafolon’ ny efaha no hatao mofo iray.
And you have taken flour, and have baked twelve cakes with it, two-tenth parts are in one cake,
6 Ary mandahara ireo eo ambonin’ ny latabatra tsara eo anatrehan’ i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.
and you have set them [in] two rows (six in the row) on the pure table before YHWH,
7 Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin’ ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
and you have put pure frankincense on the row, and it has been with the bread for a memorial, a fire-offering to YHWH.
8 Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah; ho avy amin’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.
On each Sabbath day he arranges it before YHWH continually, from the sons of Israel—a perpetual covenant;
9 Ary ho an’ i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin’ izay fitoerana masìna; fa masìna dia masìna ho an’ ny mpisorona izany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo: lalàna mandrakizay izany.
and it has been for Aaron and for his sons, and they have eaten it in the holy place, for it [is] most holy to him, from the fire-offerings of YHWH—a continuous statute.”
10 Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin’ ny Zanak’ Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
And a son of an Israeli woman goes out (and he [is] son of an Egyptian man) in the midst of the sons of Israel, and the son of the Israeli woman and a man of Israel strive in the camp,
11 Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin’ i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin’ i Dibry avy tamin’ ny firenen’ i Dana izy);
and the son of the Israeli woman execrates the Name and reviles; and they bring him to Moses; and his mother’s name [is] Shelomith daughter of Dibri, of the tribe of Dan;
12 ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin’ i Jehovah.
and he causes him to rest in confinement —to explain to them by the mouth of YHWH.
13 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And YHWH speaks to Moses, saying,
14 Avoahy ho eny ivelan’ ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin’ ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
“Bring out the reviler to the outside of the camp; and all those hearing have laid their hands on his head, and all the congregation has stoned him.
15 Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’ Andriamaniny dia ho meloka,
And you speak to the sons of Israel, saying, When any man reviles his God—then he has borne his sin;
16 Fa izay miteny ratsy ny anaran’ i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
and he who is execrating the Name of YHWH is certainly put to death; all the congregation certainly casts stones at him; as a sojourner so a native, in his execrating the Name, he is put to death.
17 Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.
And when a man strikes any soul of man, he is certainly put to death.
18 Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon’ ny biby.
And he who strikes a beast repays it, body for body.
19 Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
And when a man puts a blemish in his fellow, as he has done so it is done to him;
20 tapaka solon’ ny tapaka, maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin’ ny olona no hatao aminy kosa.
breach for breach, eye for eye, tooth for tooth; as he puts a blemish in a man so it is done in him.
21 Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.
And he who strikes a beast repays it, and he who strikes [the life of] man is put to death.
22 Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
One judgment is for you; as a sojourner so is a native; for I [am] your God YHWH.”
23 Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia navoakany teny ivelan’ ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
And Moses speaks to the sons of Israel, and they bring out the reviler to the outside of the camp, and stone him [with] stone; and the sons of Israel have done as YHWH has commanded Moses.

< Levitikosy 24 >