< Levitikosy 21 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin’ ny fireneny,
YHWH said to Moses, "Speak to the priests, the sons of Aaron, and say to them, 'A priest shall not defile himself for the dead among his people;
2 afa-tsy amin’ ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny;
except for his relatives that are near to him: for his mother, for his father, for his son, for his daughter, for his brother,
3 ary amin’ ny fatin’ ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.
and for his virgin sister who is near to him, who has had no husband; for her he may defile himself.
4 Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin’ ny fireneny izy.
He shall not defile himself, being a chief man among his people, to profane himself.
5 Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
"'They shall not shave their heads, neither shall they shave off the corners of their beards, nor make any cuttings in their flesh.
6 Ho masìna ho an’ Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’ Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izy, dia ny hanin’ Andriamaniny, ka dia tokony ho masìna.
They shall be holy to their God, and not profane the name of their God; for they offer the offerings of YHWH made by fire, the bread of their God; therefore they shall be holy.
7 Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ ny lahy; fa masìna ho an’ Andriamaniny ny mpisorona.
"'They shall not marry a woman who is a prostitute, or profane; neither shall they marry a woman divorced from her husband: for he is holy to his God.
8 Dia hamasino izy, fa ny hanin’ Andriamanitrao no ateriny; ho masìna aminao izy, fa masìna Aho Jehovah, Izay manamasìna anareo.
You shall sanctify him therefore; for he offers the bread of your God: he shall be holy to you: for I YHWH, who sanctify you, am holy.
9 Ary raha ny zanakavavin’ ny mpisorona mandoto ny tenany amin’ ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin’ ny afo.
"'The daughter of any priest, if she profanes herself by playing the prostitute, she profanes her father: she shall be burned with fire.
10 Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin’ ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
"'He who is the high priest among his brothers, upon whose head the anointing oil is poured, and that is consecrated to put on the garments, shall not let the hair of his head hang loose, nor tear his clothes;
11 Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin’ ny rainy aman-dreniny aza.
neither shall he go in to any dead body, nor defile himself for his father, or for his mother;
12 Ary aoka tsy hivoaka avy amin’ ny fitoerana masìna izy, na handoto ny fitoera-masin’ Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran’ Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
neither shall he go out of the sanctuary, nor profane the sanctuary of his God; for the crown of the anointing oil of his God is upon him. I am YHWH.
13 Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy.
"'He shall take a wife in her virginity.
14 Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin’ ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin’ ny fireneny ihany no hampakariny.
A widow, or one divorced, or a woman who has been defiled, or a prostitute, these he shall not marry: but a virgin of his own people shall he take as a wife.
15 Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin’ ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
He shall not profane his offspring among his people: for I am YHWH who sanctifies him.'"
16 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
YHWH spoke to Moses, saying,
17 Mitenena amin’ i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin’ ny zanakao, amin’ ny taranany hatramin’ ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin’ Andriamaniny;
"Say to Aaron, 'None of your descendants throughout their generations who has a blemish, may approach to offer the bread of his God.
18 Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby,
For whatever man he is that has a blemish, he shall not draw near: a blind man, or a lame, or he who has a flat nose, or any deformity,
19 na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,
or a man who has an injured foot, or an injured hand,
20 na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin’ ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.
or hunchbacked, or a dwarf, or one who has a defect in his eye, or an itching disease, or scabs, or who has damaged testicles;
21 Ny olona rehetra amin’ ny zanak’ i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin’ Andriamaniny.
no man of the descendants of Aaron the priest, who has a blemish, shall come near to present offerings to your God made by fire. Since he has a blemish, he shall not come near to offer the bread of his God.
22 Ny hanin’ Andriamaniny, izay avy amin’ ny zavatra masìna indrindra sy ny zavatra masìna, dia azony hanina ihany;
He shall eat the bread of his God, both of the most holy, and of the holy.
23 kanefa tsy mahazo miditra ao anatin’ ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masìna izy, fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
He shall not come near to the veil, nor come near to the altar, because he has a blemish; that he may not profane my sanctuaries, for I am YHWH who sanctifies them.'"
24 Ary Mosesy dia nilaza izany tamin’ i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’ Isiraely rehetra.
So Moses spoke to Aaron, and to his sons, and to all the children of Israel.

< Levitikosy 21 >