< Levitikosy 18 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And the LORD spoke to Moses, saying,
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
Speak to the children of Israel, and say to them, I am the LORD your God.
3 Aza manao araka ny fanaon’ ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon’ ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
After the doings of the land of Egypt, wherein you dwelled, shall you not do: and after the doings of the land of Canaan, where I bring you, shall you not do: neither shall you walk in their ordinances.
4 Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
You shall do my judgments, and keep my ordinances, to walk therein: I am the LORD your God.
5 Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’ izany izy: Izaho no Jehovah.
You shall therefore keep my statutes, and my judgments: which if a man do, he shall live in them: I am the LORD.
6 Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho no Jehovah.
None of you shall approach to any that is near of kin to him, to uncover their nakedness: I am the LORD.
7 Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
The nakedness of your father, or the nakedness of your mother, shall you not uncover: she is your mother; you shall not uncover her nakedness.
8 Aza mandry amin’ ny renikelinao; fa nandrian’ ny rainao izy.
The nakedness of your father’s wife shall you not uncover: it is your father’s nakedness.
9 Aza mandry amin’ ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
The nakedness of your sister, the daughter of your father, or daughter of your mother, whether she be born at home, or born abroad, even their nakedness you shall not uncover.
10 Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin’ ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian’ izy roa.
The nakedness of your son’s daughter, or of your daughter’s daughter, even their nakedness you shall not uncover: for theirs is your own nakedness.
11 Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
The nakedness of your father’s wife’s daughter, begotten of your father, she is your sister, you shall not uncover her nakedness.
12 Aza mandry amin’ ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
You shall not uncover the nakedness of your father’s sister: she is your father’s near kinswoman.
13 Aza mandry amin’ ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
You shall not uncover the nakedness of your mother’s sister: for she is your mother’s near kinswoman.
14 Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin’ ny rahalahin-drainao izy.
You shall not uncover the nakedness of your father’s brother, you shall not approach to his wife: she is your aunt.
15 Aza mandry amin’ ny vinantovavinao; fa vadin’ ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
You shall not uncover the nakedness of your daughter in law: she is your son’s wife; you shall not uncover her nakedness.
16 Aza mandry amin’ ny vadin-drahalahinao; fa nandrian’ ny rahalahinao izy.
You shall not uncover the nakedness of your brother’s wife: it is your brother’s nakedness.
17 Aza mandry amin’ ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin’ ny zananilahy, na ny zanakavavin’ ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
You shall not uncover the nakedness of a woman and her daughter, neither shall you take her son’s daughter, or her daughter’s daughter, to uncover her nakedness; for they are her near kinswomen: it is wickedness.
18 Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin’ ny rahavaviny izay mbola velona.
Neither shall you take a wife to her sister, to vex her, to uncover her nakedness, beside the other in her life time.
19 Ary aza mila vehivavy mararin’ ny fadim-bolany handry aminy.
Also you shall not approach to a woman to uncover her nakedness, as long as she is put apart for her uncleanness.
20 Ary aza mandry amin’ ny vadin’ ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
Moreover you shall not lie carnally with your neighbor’s wife, to defile yourself with her.
21 Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’ i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
And you shall not let any of your seed pass through the fire to Molech, neither shall you profane the name of your God: I am the LORD.
22 Aza mandry amin’ ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
You shall not lie with mankind, as with womankind: it is abomination.
23 Ary aza mandry amin’ ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian’ ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
Neither shall you lie with any beast to defile yourself therewith: neither shall any woman stand before a beast to lie down thereto: it is confusion.
24 Aza mandoto ny tenanareo amin’ izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
Defile not you yourselves in any of these things: for in all these the nations are defiled which I cast out before you:
25 Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ ny tany ny mponina eo.
And the land is defiled: therefore I do visit the iniquity thereof on it, and the land itself vomits out her inhabitants.
26 Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo
You shall therefore keep my statutes and my judgments, and shall not commit any of these abominations; neither any of your own nation, nor any stranger that sojourns among you:
27 (fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
(For all these abominations have the men of the land done, which were before you, and the land is defiled; )
28 mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
That the land spew not you out also, when you defile it, as it spewed out the nations that were before you.
29 Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
For whoever shall commit any of these abominations, even the souls that commit them shall be cut off from among their people.
30 Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin’ izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Therefore shall you keep my ordinance, that you commit not any one of these abominable customs, which were committed before you, and that you defile not yourselves therein: I am the LORD your God.

< Levitikosy 18 >